Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Janoary, 2015
Kobane Manambara Ny Fandreseny Manoloana ny ISIS
Taorian'ny 133 andro nifanandrinana tao anaty ra mandriaka nifanaovana tamin'ny ISIS, dia nanambara ny fandreseny ihany ny Kiorda Revolisionera ao Kobane.
Mety Ho Lany Taranaka Ny Lamàtra Mena Noho Ny Fitiavan'ny Japoney Azy
Nataon'ny Fikambanana iraisam-pirenena Mitahiry ny Zava-boahary ho ao anaty lisitra menan'ny karazana efa ho lany taranaka ny lamàtra mena. Japana no mandany ny ampahefatry ny lamàtra jonoina maneran-tany.
Arabia Saodita: Hanangana “Rindrimbe” Mirefy 900 Km Hiarovantena amin'ny ISIS
Tamin'ny herinandro teo, mpiambina sisintany roa sy jeneraly iray no maty raha nanafika ny tobin-tsisintany iray ao Suweif, 80km avy ao Al Nukhayb, Iràka ny mpanao vivery ny ainy avy ao amin'ny ISIS.
Mili-Pitadiavana an'Aterineton'i Kremlin Manivana Ny Vokatra Azo rehefa Mikaroka Ny ‘Charlie Hebdo’
Androany vao maraimbe, hitan'ny Rosiana mpisera aterineto fa tsy misy sary hita mihitsy amin'ny vokatra rehefa atao ny fitadiavana ny “Charlie Hebdo” (amin'ny soratra Latina na Syrilika), na inona na inona ny fanovana ataon'ilay olona mitady te-hitady lohahevitra.
Voavely Karavasy Noho Ny Fananany Hevitra Liberaly Ilay Bilaogera Saodiana Raif Badawi
Novelesina karavasy imasom-bahoaka tao Arabia Saodita ilay bilaogera Saodiana liberaly Raif Badawi rehefa voampanga ho nanangana forum antserasera hoan'ny daholobe sy "nanevateva Islamo".
Lalaom-Panokafana ny Lalao Aziatika 2015: Aostralia 4, Koety 1 Taorian'ny Fanombohana Ratsy Nataon'ny Mpampiatrano
Nandresy tamin'ny lalao fanokafan'ny Amboara Aziatika 2015 tamin'ny isa 4-1 i Aostralia raha nifanandrina tamin'i Koety tao amin'ny kianja efajoron'i Melbourne.
Mpikorisa Ambony Ranomandry: Very Nandritry Ny Alina 2 Tany Anaty Ranomandry Saingy Ny Volony No Tsy Nitsahatra Noresahan'ny Olona
Japoney telo mpikorisa ambony ranomandry no navotana avy tany an-tendrombohitra rakotry ny ranomandry tany. Tsy hoe fotsiny nanao fialantsiny noho ny fahaverezany ny iray tamin'ilay andiany, fa koa niharan'ny sahoan-dresaka tao amin'ny aterineto mikasika ny volony.