Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Avrily, 2014
Korea Atsimo : Fitavozavozan'ny Fitondrana , Rakotry Ny Vaovao Tsy Marina Momba Ny Nanjo Ilay Sambo Ny Haino Aman-Jery
14 andro izay no naharendrika ny Sewol ary mpandeha 205 no azo antoka fa maty. Araraotin'ny mpanao politika izany loza izany ary vokin'ny hatezerana ny haino aman-jery tsy marina any Korea Atsimo.
Niharan'ny Fandrahonana Ny Mpanohitra Alzeriana Taorian'ny Fifidianana Filoham-pirenena
Nanome alalana an'ny filoha Abdelaziz Bouteflika, izay efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1999 hofidiana filoham-pirenena indray ny fanovana ny lalàmpanorenana.
Misaona An'i Gabriel García Márquez, ilay “Mazisianin'ny Voambolana” i Bangladesh
Tsia, tsy hitomany aho. Satria mino aho fa ho velona farafahakeliny mandritra ny zato taona eo izy miaraka amin'ireo voambolana manako fitiavana, nahoana aho no hitomany ny fahalasanany? Avelao hanjaka am-pontsika tsikelikely ny fitiavany sy ny nofinofiny.
Be Loatra Hoan'ny Praiminisitra Aostraliana Iray Ny Divay Iray Tavoahangy
Nitarika fialàn'ny Praiminisitra Barry O'Farrell ny fanomezany divay lafo vidy mitentina 2800 dolara Amerikana
Dia Veloma Atoa Durov, ary Misaotra Tamin'izay Natao

Taorian'ny herintaona nanjakan'ny tsaho, dia nandroaka ny mpanorina sady Filoha Tale Jeneraliny, Pavel Durov, ihany ireo mpitana ny renivolan'ny Vkontakte, tambajotra sosialin'i Rosia lehibe indrindra.
Manisy Hisatra Amin'Ireo Film Tsy Miankina Ny Ao Kiobà
Vao haingana ny Minisiteran'ny Atitany (MININT) no nomena andrakitra amin'ny fijerena mialoha ny fizotran'ny fanatontosana tetikasan-tsarimihetsika ao amin'ny nosy.
Tsy Mila Sivana Aterineto Hoy Ny Tambajotra Sosialy Rosiana Lehibe Indrindra

Nampiasain'i Pavel Durov, mpanorina sady talen'ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte, indray ny kaontiny ho toy ny sehatra iray hikiahana hanoherana ny fanivànana ny aterineto
Shina : Voaloton'ny Benzene, Akora Simika Miteraka Homamiadana, Ny Rano fisotro Tao Lanzhou
Benzene, ranoka simika mahatonga homamiadana, no hita tao amin'ny rano fisotron'ny ao an-tanàna, nisy fotoana efa nihoatra avo 20 henin'ny fatra tokony ho izy izany.
Korea Atsimo: Tsy Fahombiazana Tsy Mba Fanadino Ny Fandravàna Nataon'ireo Mpitandro Filaminana Miisa 4000
Mpitandro filaminana mpandrava fikomiana maherin'ny 4000 avy ny Korea Atsimo no naka ankeriny ny foibe ara-tsendikaly faharoa goavana indrindra nefa tsy nahazo alalana, ka nitarika ny hatezeran'ireo Korena Tatsimo mpampiasa aterineto.
Any Havana, Fanolorana Boky Tsy Misy Takalony
"Ity boky ity dia omena an'izay rehetra mahita azy fa ny takalony kosa dia ny hanolorany azy indray ho an'olon-kafa rehefa voavakiny ilay izy mba hankafizany azy koa."