Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2010

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2010

30 Jona 2010

Jamaika: ‘Dudus’ eo ambany fanaraha-maso

Nivoaka omaly ny vaovao fa voasambotra ihany ilay lehilahy nokarohina hatramin'ny tany Jamaika, Christopher ‘Dudus’ Coke – ny fandefasana azy any Etazonia izay mbola andrasana, hiatrika ny fiampangana azy amin'ny fivarotana rongony sy fitaovam-piadiana an-tsokosoko, dia nahatonga ny firenena handray fepetra vonjimaika dodona noho ny fifandonana teo amin'ireo voalaza ho...

26 Jona 2010

Kolombia: manavotra takalon'aina 4 nalain'ny FARC an-keriny tamin'ny 1998 ny Tafika

Tamin'ny alahady 13 Jona tamin'ny mitataovovonana, raha niomana ny hijery ny lalao fiadiana tompon-daka erantany amin'ny baolina kitra ifanandrinan'i Alemana sy Aostralia ny ankamaroan'ireo Kolombiana, nivoaka ny vaovao: minitra vitsy vao haingana, nambaran’ny Filoha Uribe ny fanavotana ny Jeneraly Luis Mendieta sy ny Kolonely Enrique Murillo, Manamboninahitra ao amin'ny Polisim-pirenen'i...

19 Jona 2010

Torkia: mety mbola ho tafaverina indray ve ny fifandraisana amin'Isiraely?

Satria moa nanatri-maso tamin'izay nitranga tao anatin'ny “vondron-tsambon'ny fahafahana any Gaza” notarihan'ny Tiorka iza tontolo izao dia nahita ihany koa ny fahasimban'ny fifandraisana teo amin'ireo Governemantan'i Torkia sy Isiraely.  Mivandravandra ny fahatezerana mahazo ny Governemantan’ Isiraely any Torkia, ary hoharabaina ofisialy tahaka ny mahery fo ireo mafana fo rehefa tafaverina....

03 Jona 2010

MENA: Mila misafidy i Israely

Avy any ankavia, havanana, afovoany, mirarak'ompana ny fanamelohana taorian'ny fanafihan'i Israely ny sambo Tiorka nizotra ho any Gaza mba hanatotra fanampiana noho ny maha-olona no sady handrava ny fahirano atao amin'ny Palestiniana. Ao amin'ny  Twitter, i Queen Noor Al Hussein avy any Jordan dia ni-tweet: Fotoana izao hisafidianan'i Israely na...

02 Jona 2010

Bangladesh: Facebook nosakanana vonjimaika

Bangladesh izao no firenena faharoa any Azia aorian'i Pakistan manakana ny Facebook iray manontolo tao ho ao. Tamin'ny Zoma 28 May 2010 nanodidina ny tamin'ny 8:30 dia natao ny fanakànana noho ny fampielezan-kevitra masiaka manohitra ny Praiminisitra Sheikh Hasina ary nanohintohina fivavahana mihitsy,  hoy ilay mpitoraka blaogy sady mpanao gazety...