Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2015
Ny Tolon'ny Kiobàna Mpifindra-monina Mihoatra Ny Arivo Tafahitsoka Tao Amerika Afovoany
Kiobàna manakaiky ny 1.500 no tafahitsoka tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Costa Rica sy Nikaragoa, rehefa nolavin'i Nikaragoà ny fidiran'izy ireo, ary nampody azy ireo an-kerisetra sady naneho marimarina ny hoe "fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena."
Ny Hehy Lehibe Amin'ny Fandrahonana Ataon'ny ISIS Amin'i Meksika
Lavitry ny fanehoana tahotra, nofenoin'ny Meksikana hatsikana maneso sy tantara maizina mampihomehy mikasika ny fandrahonana miseho lany ataon'ny ISIS ny aterineto
Rosiana Mpikatroka Mafàna Fo Voasazy Taona Roa Noho Ny ‘Antso Hanao Hetsika Mahery’ Nalefany Taminà Tambajotra Sosialy
Nohelohin'ny fitsaràna iray tao amin'ny distrikan'i Krasnodar i Darya Polyudova, mpikatroka iray mafàna fo, noho ny "antsony ho an'ny daholobe nataony tao amin'ny media sosialy hirona amin'ny fisaraham-bàzana sy hanao mahery fihetsika", ka nanasazy azy handia taona roa tany amin'ny toby iray fanefàna sazy (fanarenana).
Fetiben'ny filma rosiana nahazo fampitandremana ofisialy taorian'ny fampiroboroboana fanadihadiana miady amin'ny kolikoly
Tonga izao fampitandremana izao taorian'ny nanambaran'ny Artdocfest fa ampidirina ao amin'ny fifaninanana antserasera manokana ny filma iray miresaka fandraharahana feno kolikoly ahitana olona akaiky ny Lehiben'ny Fampanoavana Yuri Chaika.
Mitondra Ny Fifanarahana Nokleary Iraniana Hanakaiky Kokoa Ny Tena Zavamisy Ny Tatitry Ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana Momba Ny Atomika
Nambaran'ny tatitra fa nitsahatra tamin'ny 2009 ireo ezak'i Iràna hamorona fitaovam-piadiana nokleary. Ny sasany indray nahita azy io ho toy ny fanamafisana fa poakaty sy tsy misy ilàna azy ireo sazy, izay ny betsaka taminy dia napetraka taorian'ny 2010.