Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Aogositra, 2021
Fampahalalam-baovao tsy miankina nampidirina lisitry ny “kasinga vahiny” fanampiny ao Rosia
"Ary amin'ny lisitry ny kasinga vahiny, amin'izao fotoana izao ahitana olona maotina maro dia maro sy ranty toa izany koa ao izay manjary mahamenatra fotsiny izao ny tsy maha-ao anaty lisitra anao."
Nisy nandrovitra tamin'ny andron'ny herisetra an-dalambe faharoa avy amin'ny ankavanana hiringiriny ny sainan'ny Vondrona Eoropeana tao amin'ny Parlemanta Zeorziana
Vahoaka an'arivony maro, anisan'izany ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny pelaka sy ireo mpanohana ary ny mpitarika ny mpanohitra, no nivory teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta tao Tbilisi hanohitra ny herisetra atao amin'ireo LGBTQI+ sy ny mpikarakara ny Fireharehana.
Bielarosiàna mpihazakazaka haingam-pandeha, noroahan'ireo manampahefana Belarosiàna handao ny Lalao Olaimpika, milaza fa hangataka fialokalofana
Nanambara i Krystsina Tsimanouskaya, 24 taona, fa tsy atahorany ny ho ahilika tsy ho ao anaty ekipam-pirenena, fa ny hogadraina raha vantany vao tafaverina ao Belarosia.
Nifampiampanga tamin'ny fifandonana vaovao i Armenia sy i Azerbaijan
Ity no fifandonana nahafatesan'olona betsaka indrindra hatramin'ny fampitsaharana ady notarihin'i Rosia izay natao hamaranana ny ady 44 andro teo amin'i Armenia sy Azerbaijan tamin'ny volana Novambra 2020.
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Nobahanan'ny mpanao sivana aterineto Rosiana ny tranonkalan'ny Ekipa Navalny
Nampiana ho ao anatin'ny lisitry ny tranonkala voabahana ao Rosia miaraka amin'ireo tranonkalan-tambajotram-pirenena ao amin'ny biraom-panentanana ho an'i Navalny miisa 40 hafa ny tranonkala fototra, navalny.com, sy ny free.navalny.com.