· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Febroary, 2018

Japana: Niverina Ny Hetran'ny Solika

Tafaverina indray ilay hetra "vonjimaikan'ny" solika any Japana, 25 yen isaky ny litatry ny solika, nohalavaina nandritra ny 30 taona ary namatsiana fandaharan'asa fanamboarana làlana 5000 eo ho eo, taorian'ny ady nifanaovana tamin'ny mpanohitra, ary tsy nankasitraka izany ny olona. Tantaran'ny zavatra niainany tamin'ny fanandramana hameno ny fitoeran-tsolikany teny amin'ny toby fitsinjaràna solika tamin'ny andro farany nialoha ny fiakaran'ny vidin'ny solika ny voalohan'ny volana May.

27 Febroary 2018

Kolombià: Miteraka Ahiahy Ny Fanavotana Takalonaina

Taorian'ilay fanavotana nolazain'ilay mpirotsaka hofidiana ho filohampirenena fahiny, Ingrid Betancourt hoe 'tsy nisy tomika', takalonaina navotan'ny tafika kolombiàna tamin'ny Alarobia 2 Jolay 2008 niaraka taminà 14 hafa notazonin'ny Tafika Revolisionera Mitampiadiana ao Kolombià (FARC), efa ho 10 taona mahery ny an'ny sasany, nilaza ny ahiahiny ny vondrom-piarahamonina kolombiàna momba ny ho fiantraikan'ilay fanavotana, sy ireo tombontsoa mety ho tao ambadik'izy iny.

06 Febroary 2018