Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Septambra, 2013
Rivo-Doza ‘Manuel’ Manafo-Drano An'i Acapulco
Faty 34 ary tra-boina an'arivony raha ny tatitra azo, ambonin'izany ireo mpizaha tany 40.000 tsy tafavoaka .
Nahafaty Olona Sivy Ny Tondra-drano Tany Romania, An'Arivony Nafindra Toerana
Nampiakatra ny rano tampoka ny orambaratra tamin'ny 12 Septambra. Anisan'ny maty tamin'izany ny zazavavy iray valo taona votsotra lasan'ny rano teo an-tanan-drainy.
Kiobana Mpitsabo Efajato Ho Any Brezila
Nandefa taratasy misokatra ho an'ireo mpitsabo Kiobana maherin'ny efajato izay vao tonga vao haingana tany Brezila ary mandrafitra ny vondronà mpitsabo 4.000 voalohany andrasana ho tonga any amin'io firenena io alohan'ny volana Desambra amin'ity taona ity i David Oliveira de Souza
Kiobà Mandoko Mavo Ho Fanohanana Ireo Gadra “Los Cinco” Any Etazonia
15 taona izay no nisamborana ireo Kiobàna dimy izay niditra tao amin'ireo vondrona mpanohitra an'i Castro tao Miami. Nisy ny fanentanana vaovao hitakiana ny famotsorana ireo efatra sisa mbola voafonja.
Solombavambahoaka Jordaniana Nitifitra Tamin'ny Kalachnikov Tao Amin'ny Antenimiera
Mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Jordaniana no nitifitra solombavambahoaka iray nandritra ny fotoam-pivoriana androany. Tsy nisy ny olona naratra tao anatin'izany korontana izany
Fanantenan'i Tokyo Isian'ny Fihatsarana Mialoha ny Lalao Olaimpika 2020
Nahazo ny safidin'ny mpikamban'ny Komity Olaimpika Iraisampirenena handray Lalao Olaimpika Fahavaratra 2020 i Tokyo tamin'ny 7 septambra 2013 manoloana an'i Madrid sy Istanbul. Mizara ny fanantenany hisian'ny fanatsarana ao an-tanàna ireo mpitari-kevitra ao amin'ny twitter
Fitantarana am-Bilaogy Mivantana Ny Fifidianam-Paritra sy Monisipaly Any Rosia
Manolotra fitantarana am-bilaogy mivantana ny fandrotsaham-bato amin'ny fifidianam-paritra sy monisipaly 2013 ao Rosia arakaraka ny fivoaran-draharaha ny tonian'ny tetikasa [Ru-Net] Kevin Rothrock sy Andrey Tselikov.
Mihamafy Ny Tabataban'Ady Ao Syria
Mihamafy hatrany ny tabataban'ady noho ny fiomanan'i Etazonia amin'ny hetsika daroka baomba "hanasazy" an'i Syria. Tao amin'ny aterineto, nanjary manam-pahaizana momba an'i Syria tanatin'ny indray alina daholo ny mpiserasera
Miomana Ho Amin'ny Hetsika Fanapoaham-Bilany Manerana Ny Firenena i Kolombia
Ny teny ifankafantarana Twitter #CacerolazoPor no ahafahan'ny mpiserasera Kolombiana mizara ny antony hidinan-dry zareo an-dalambe sy hanao fihetsiketseha-panoherana.
Mianiana ny Filoha Vaovaon'i Paragoay
Tonga Filoha vaovaon'i Paragoay i Horacio Cartes, mpandraharaha, nifarana teo ny sakatsakana ara-politika sy ara-diplomatika niainanan'ny firenena miaraka amin'ny fiampangana an'i Fernando Lugo tamin'ny volana jona 2012.