· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2011

Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny

  25 Marsa 2011

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011. Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai. Indro...

Syria: Mitohy Miha-Mahazo Vahana ny Hetsi-Panoherana

Ny Alatsinainy 21 Martsa 2011. mitohy ny hetsi-panoherana ao Daraa, any atsimon'i Syria, izay isian'ny tatitra milaza fa mpanao fihetsiketsehana dimy no maty omaly ary iray hafa androany.. Raha ny tati-baovao milaza fa nandoro tranom-panjakana avy eo ireo mpanohitra, ny mponin'ny aterineto sy ireo mafàna fo kosa manamafy fa ny tafi-panjakana no nandoro ireny trano ireny. Mandritra izany, maro ireo ao amin'ny Twitter no manamafy fa i Daraa no mety ho ny Sidi Bouzid an'ny Toniziana.

Haiti : Ny mpihira sa ny mpampianatra?

  22 Marsa 2011

Araka ny vaovao ao amin'ny Twitter momba ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana Filoha am-pirenena androany ao Haïti, filaharan-be tao amin'ny birao fifidianana, tsy nahita ny anarany tao amin'ny lisi-pifidianana ireo mpifidy...