· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Avrily, 2008

Ethiopia : Mpihira kalaza tohanan'ny mpiblaogy nohon'ny fisamborana azy

  29 Avrily 2008

Nirongatra ny hanohana ny mpihira Teddy Afro izay kalaza indrindra any aminy ireo mpiblaogy Ethiopiana, taorian'ny nampiakarana azy fampanoavana nohon'ny fahafatesan'ny zatovo iray izay voadonan'ny fiarakodia izay nandositra tany an-drenivohitra Addis-Abeba. Ny ankamaroan'ireo mpiblaogy dia mihevitra fa nararaotin'ny fitondrana hiampangana an'i Afro fotsiny izany, nohon'ny fankahalany ny halehiben'ny lazany sy ireo tononkirany izay...

Siria:Vaovao mipoapoaka momba ny niokleary

  27 Avrily 2008

Omaly, Ny CIA dia namoaka vaovao momba ilay tondroina ho foto-drafitrasa (reacteur) niokleary Siriana naorin’ny Koreana tavaratra. Nitalakotrokotroka ny fivoak’izany tamin’ireo fampahalalam-baovao samihafa. Ny tantara dia nanomboka tamin’ilay fanafihana an’habakabaka tsy fantatra antony nataon’i Israely tany avaratr’i Siria tamin’ny Septambra 2007. Taorian’izay dia nandeha be ny resaka momba ny mety...

Paragoay : Eveka taloha no ho filoha vaovao

  22 Avrily 2008

Nifidy ny ho filoha vaovaony i Paraguay tamin’ny 20 avrily lasa teo. Nahangona ny ampaham-bato mamakaiky ny 41% ilay evekan’ny fiangonana katolika romana teo aloha Fernando Lugo. Namarana hatreo ny fitantanan’ny antoko Colorado nandritra ny 61 taona ny fitondrana izany sady fahavitan’ny filoha Nicanor Duarte ny fotoam-piasany amin’ny 15 aogositra...

Indonezia: Filazana fanairana manodidina ny tendrombohitra Papandayan

  18 Avrily 2008

Vaovao avy any Indonezia no nanambara fa nakarina ho amin'ny dingana ambony ny filazam-panairana manodidina ny tendrombohitra volkano Papandayan. Miorina 51 km atsimo atsinanan'ny tanàna fahatelo lehibe indrindra any Indonezia dia i Bandung ny volkano nefa misy mponina manodidina ny 3 000 000 eo ho eo ny mponina ao aminy.

Kôngô (RDK) : Lozam-pifamoivoizana an'habakabaka faha-5 ao anatin'ny taona iray monja, saingy ny fidangan'ny vidin-tsakafo no loza tena izy

  16 Avrily 2008

Nambaran'ireo biraom-paritr'ireo Fantsona Fampahalalam-baovao fa tafakatra 75 ny isan'ireo olona maty tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina “cargo” fotoana fohy monja taorian'ny niaingany, tany Goma omaly [Talata 15 Aprily 2008]. Ny fihoarana izay fetran'ny lanjan'ny mpandeha sy ny entany no mety ho anton'izany loza izany. Hatramin'ny volana Jona 2007 dia ity no lozam-pifamoivoizana...

Arzentina : Mpianatra sekoly ambony mampiasa lahatsary aseho aterineto hitaterany ny olana mianjady aminy

  12 Avrily 2008

Te-hisintona ny mason’ny famoaham-baovao[es] hilazany ny olana mahazo azy ny mpianatry ny sekoly ambony arzantina tamin’ny fametrahana lahatsary tao amin’ny YouTube : mila trano lehibe afaka ianarana ry zareo. Amin’izao fotoana izao dia any amin’ny sekoly fanabeazana fototra no mamonjy sekoly ny Ipem 112 “César Iñíguez Montenegro”, any Sebastián Elcano,...