Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2009

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2009

31 Desambra 2009

Kazakhstan: mpanao gazety novonoina, tsy miankina amin'ny asa

Sayat Shulembayev, 28 taona , mpanao gazety ao amin'ilay vohikalam-baovao sy horonantsary “Stan” dia novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina tany Almaty. Araka ny lazain'ny mpamorona ny “Stan” , nanofa efitra iray tao amina trano akaikin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra i Sayat. Novonoin'ireo mpamono olona i Sayat sy ny tompon-trano, araka ny hita,...

21 Desambra 2009

Ejipta: Ho an'i Djamila Bouhired indray ity

Marary ilay mpitari-tolona Alzeriana Djamila Bouhired, 75 taona, ary nangataka tamin'ny fireneny sy ireo mpiray tanindrazana aminy hanampy azy amin'ny fitsaboana. Nahatezitra ireo mpitoraka bilaogy Ejiptiana izany izay mihevitra azy ho olona manana ny mahaizy azy sy olo-malaza eo amin'ny tontolo Arabo. Nanoratra tao amin'ny Egyptian Chronicles, Zeinobia no milaza...

14 Desambra 2009

Guinea: fikasana hamono an'i Dadis Camara, lehiben'ny miaramila

Araka ny voalazan'ireo loharanom-baovao maro, ny kapiteny Dadis Camara, lehiben'ny miaramila izay nandray ny fahefana tany Guinea tamin'ny Desambra 2008 avy amin'ny fanonganam-panjakana, dia notifirin'ny mpanampy azy ary naratra omaly tany Conakry. Maro tamin'ireo mpanaraka ny RFI, manondro an'i Camara ho tompon'andraikitra tamin'ny vono moka natao tamin'ny mpanohitra ny andron'ny...

08 Desambra 2009

Rosia: Mpitoraka blaogy Tatarstana iray voasazy 2 taona latsaka any amina Tobim-pigadràna

Irek Murtazin, sary avy amin'i Sergey Varshavchik Tamin'ny 26 Novambra, ny fitsaràna ao amin'ny distrikan'ny Kirov any Kazan, izay renivohitry ny Repobilikan'ny Tartastan, dia nanameloka an'i Irek Murtazin, mpanao gazety sady mpitoraka blaogy 45 taona, noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ary fisarihana saim-bahoaka ho amin'ny fankahalàna, hoy ny Gazeta.ru...

04 Desambra 2009

Tontolo Arabo: hevitra nanoloana ny fandrarana minaret any Soisa

Nanaiky ny handrarana minaret vaovao [tilikambon'ny moske silamo] tamin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka ny alahady 29 Novambra lasa teo ny 57,5%-n'ny mpifidy Soisa, izay manori-dalana ho amin'ny fanitsiana ny Lalampanorenana. Any amin'ny fananganana tilikambo silamo vaovao – fa tsy ny moske – moa no iantefan'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity fa tsy any amin'ny tilikambo...