· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2018

Ny herinandro tao Bahrain

Herinandro hafa mafana ny tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahrainita, miaraka amin'ireo bilaogera sasany mitolona ao ambadiky ny fanentanana fanoherana ny sektarisma, Just Bahraini; ny hafa kosa vao tafaverina tamin'ny fialantsasatra lavalava; ary misy ny mankalaza ny andro nahaterahany (?)!

Ny fitsidihan'ny Sekreteram-panjakana Hillary Clinton tany Ekoadaoro 

  31 Desambra 2018

Nitsidika an'i Ekoadaoro ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton ny 8 Jona 2010, izay nihaonany tamin'ny filoha Rafael Correa mba hifanakalo hevitra momba ny olana samihafa. Ireo mpisera Twitter dia naneho hevitra momba ny fitsidihan'i Clinton, izay nahitana taratra ny andiana fihetseham-po manoloana an'i Etazonia sy ny fifandraisany amin'i Ekoadaoro.

Però: Fitantarana antserasera momba ny horohorontany

  28 Desambra 2018

Nahatratra 337 ankehitriny ny isan'ireo namoy ny ainy tamin'ny horohorontany tany Ica, any Però. Ny isan'ireo naratra kosa dia 827. Mbola tsy nivoaka tamin'ny gazety Lima, El Comercio na RPP izany tarehimarika izany, tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

  27 Desambra 2018

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.