Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2018
Haïti : Fijoroana vavolombelona sy sary ao amin'ny Twitter taorian'ny horohorontany
Namely an'i Haïti ny harivan'ny 12 Janoary 2010 ny horohorontany amin'ny mari-pandrefesana Richter 7: Nanjary teny malaza indrindra ao amin'ny sehatra Twitter ny “Haiti” noho izany.
Arabisc: Fifidianana Any Bahrain, Fahafatesan'Ankizy, Fahalalahana Manjavozavo !
Nifidy fanindroany ny ho solombavambahoaka teo amin'ny tantara vaovaony i Bahrain . Manodidina ny 300.000 ireo mpifidy nandeha nandatsa-bato. Isan'izany ilay mpitoraka bilaogy Haythoo, izay nanantena ....... ny 'antokony'. Fa ankoatra izany ireo tranga hafa miseho eo amin'ny firenena, samy tantarain'ny mpitoraka bilaogy avokoa ireny.
Nomen'i Etazonia sata fiarovana vonjimaika ireo teratany Haisiana
Sata manokana omen'i Etazonia ho an'ireo teratany avy amin'ny firenena vao avy niharan'ny fikorontanana na ratran-tsaina vokatry ny ady na horohorontany ny sata fiarovana vonjimaika (TPS). Tsy maintsy ao Etazonia ny olona omena izany sata izany, ary manao fangatahana TPS.
Ny Loka Blaogy Tsara indrindra Avy Amin'ny DW
''...Nohazavain'ireo mpitsara ny antony nisafidianany ireo blaogy manokana isaky ny sokajy tsirairay avy. Nisy fotana natokana ho an'ny fanontaniana sy valiny rehetra ihany koa tao.''
Ejypta : Fisamborana bilaogera taorian'ny vono olona tao Nag Hammadi
Bilaogera Ejypsiana roa-polo mahery no nosamborina raha teo am-pidinana ny lamasinina tao an-tanànan'i NagHammadi ao an-tampon'i Ejipta. Notarihin'ny Dr Mostafa Al Naggar, niala tao Cairo, Alexandria sy tanàna Ejipsiana hafa ireo bilaogera ireo mba hanome voninahitra ireo fianakaviana niharam-boina tamin'ny vono olona tao Naga Hammadi.
Ny Kiakiak'i Gaza Manako Anaty Tontolo Iray Mangina
'Fantatro teo amin'ny sary fa iray tamin'ireo ankizy nijery ahy nanao hosodoko ny andro talohan'io izy. Nanontany ahy izy raha nahita olona aho, tsia hoy aho, ary avy eo lasa izy. Maty izy ankehitriny .''
India: Namely an'i Pune ny asa fampihorohoroana
Tamin'ny 7 sasany hariva tamin'ny Asabotsy 13 Febroary 2010, nisy baomba nipoaka tao amin'ny trano fisakafoanana malaza feno mpizahatany any Pune, tanàna andrefan'i India, ka nahafatesana olona 9 sy naratra 57. Tao anaty kitapo ilay baomba ary nipoaka rehefa niezaka nijery ity entana tavela ity ny mpampandroso sakafo.
Shujaat Bukhari, mpanao gazety Kashmirita maty voatifitra
"Tsy azo fantarina mihitsy ara-virtoaly izay fahavalontsika sy izay namantsika"
Indonezia: Tatitra momba horohorontany tany Sumatra tao amin'ny Twitter
Horohorontany tamin'ny maridrefy 7,2 no namely an'i Aceh sy Sumatra Atsimo ao Indonezia tamin'ny Zoma vao maraimbe. 34 KM ary ambanin'ny ranomasina miala ny nosy Simelue ao amin'ny morontsiraka andrefan'i Sumatra no misy ny foiben'ny horohorontany.
Nitoraka bilao ny manampahefana Okrainiana tamin'ilay famonoana mpanao gazety, niakatra ambaratonga ambony kokoa ny ‘vaovao faikany’
"Ny lesona eto dia ny tsy inoana izay tatitra avy any Okraina."