· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2019

Norvezy: Ny Soritra Anaty Aterineto Momba ny Mpamono Faobe Iray

  10 Marsa 2019

Mbola nanohy hatrany nikaroka ireo soritra rehetra tety anatin'ny tambajotran-tserasera mikasika an'i Anders Behring Breivik, ilay lehilahy ahiana ho mpamono, ireo blaogera sy mpanao gazety tany Norvezy sy tany ivelany, izay manantena fa hanampy amin'ny fanazavana ny hetsiny tamin'ny Zoma 22 Jolay 2011 izany.

Simba ny demaokrasia ao Albania, miala ao amin'ny parlemanta ny mpanohitra ka manao famoriam-bahoaka goavana

Albaney an'arivony no nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka notarihan'ny mpanohitra tamin'ny 21 Febroary tao an-drenivohitra Tirana. Mitaky fifidianana vaovao izy ireo taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Voice of America sy ny Balkan Investigative Reporting Network nilaza fa niara-niasa tamin'ny andian-jiolahy tamin'ny tetikady fividianam-bato ireo manampahefam-panjakana tamin'ny fifidianana 2017.