· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Avrily, 2018

Arabeyes: Alahelo An'i Bhutto

2007 - Tamim-pihetseham-po no nandraisan'ny tao Afovoany Atsinanana ny vaovao momba ny fahafatesan'ny Praiminisitra Benazir Bhutto. Tamim-pitandremana, fahatairana, fahatezerana ary fanekena ny tsy fisian'ny fanantenana ho an'ny taranak'olombelona no nanehoan'ireo bilaogera ny heviny.

Siria: Fisaonana Ireo Tantsambo Nafoiny

Tamin'ity herinandron'ny 16/11/07 ity, voasasan'ny loko maintin'ny fisaonana ny sisintany Siriana, taorian'ireo vaovao mampihetsi-po mikasika ny sambo Siriana "Haj Ismail" [mitondra saina Zeorziana, saingy an'ny ekipa Siriana sy nampiasainy manontolo] niharan'ny rivodoza mahery vaika izay nikapoka ny Ranomasina Mainty tamin'ny herinandro faharoa tamin'ny Novambra 2007, nahitana sambo sivy hafa ihany koa Mitondra ny monomonona farany ho antsika avy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy siriana i Yazan Badran