Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2014
‘Diabe Goavana Indrindra’ Miantso Ny Hanitsiana Ny Lalàmpanorenana ao Chile
Fikambanana sivily maherin'ny 40 (ankoatra ny mpianatra [es] ) no nanatevin-daharana ny 'Diabe Goavana Indrindra)' izay nihaonan'ireo olona an-hetsiny tao Santiago mba hitaky fanitsiana lalàmpanorenana amin'ny alalan'ny antenimieran-dalàmpanorenana.
Nomelohin'i Ejypta Ho Faty Ireo Mpomba Ny Mpirahalahy Miozolomana 529
Nomelohin'i Ejypta ho faty ireo mpanohana ny mpirahalahy Miozolomana miisa 529 androany 24 marsa, noho ny fandraisan'izy ireo anjara taminà rotaka feno herisetra tao Minya, tao Ejypta, tamin'ny volana Aogositra tamin'ny taon-dasa.
Nolanian'ny Kongresy Breziliana Ny Lalàna Momba Ny Zon'ny Mpisera Aterineto
Lany tao amin'ny Kongresim-pirenenan'i Brezila ihany nony farany ny lalàna Marco Civil ka ny latsa-bato ao amin'ny Antenimieran-doholona indray no andrasana manaraka.
Vaovao Mampahonena: Nianjera Tao Amin'ny Ranomasimbe Indiana Ilay Voromby Nanjavona MH370 Malayziana
Nanamafy ny Praiminisitra Malayziana tamin'ny Alatsinainy hariva fa nianjera tao amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay voromby Maleziana nanjavoana MH370. Tapaka ny fifandraisana tamin'ity voromby nitondra mpandeha 239 ity roa herinandro lasa izay.
Navoaka Ny Fonja Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abdel Fattah
Mitohy ny fankalazana satria navoaka ny fonja ilay bilaogera Ejypsiana malaza Alaa Abdel Fattah. Tamin'ny sioka voalohany nalefany taorian'ny famotsorana azy, nampanantena mbola "hanohy" ny tolona izy.
Endrika 10 Hanehoan'ny Rosiana Sy Ny Okrainiana Ny Heviny Tamin'ny Kabary Fanjanahana an'i Krimea

Raha tsy jerena ny fahatsapana momba ny resaka Krimea, dia niavaka iny kabary iny, ary araka ny mahazatra dia ato amin'ny Internet no hanehoan'ny blaogera ny fihetseham-pony. Amin'ny alalan'ny meme.
Niampanga an'i Vladimir Putin Ve Ny Mpiantsehatra Malaza Indrindra Ao Rosia?

Any Rosia, tena ankavitsiana dia ankavitsiana izany olona mipoitra matetika amin'ny fahitalavitra na amin'ny sarimihetsika izany ka hitsikera, na mahasahy irery hiampanga an'i Vladimir Putin. Nanao izany ve i Khabensky?
Arabia Saodita : Niaka-peo Tao Amin'ny Twitter ireo Printsesa Migadra
Nisy ny angano mitantara ny printsesa voahidy anaty tilikambo, fa amin'izao fotoana izao, any Arabia Saodita, printsesa efatra no milaza fa tsy araka ny sitrapony ny hitazonana azy nandritra ny 13 taona.
Tsipahin'i Shina Ny Fampitahana Amin'ny Ady Lehibe Voalohany Ny Fifanenjanany Amin'i Japan
“2014 anie ka sady tsy 1914 no tsy 1894, Tsara ho [an'i Japan] ny mijery an'i Alemaina taorian'ny ady ho maodely fa tsy mahabe raharaha tahaka an'i Alemaina talohan'ny Ady Lehibe Voalohany."
Tampenan'i Rosia ny Vavahadin-Tseraseran'ny Mpanohitra Miisa Efatra

"Tsy fantatro akory raha mbola misy mamaky ity zavatra ity" - mpitarika ao amin'ny fanoherana Alexey Navalny ao amin'ny bilaoginy izay notampenan'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana.