Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Janoary, 2009
Madagasikara: Nitono-tena ho filoham-pirenena ny Ben'ny tanàna
Nivadika ho adim-pahefana hiandraikitra ho filoham-pirenena indray ny fifanandrinana misy eo amin'i filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina izay efa nampisaritaka ny Malagasy
Costa Rica: Nampihitsoka ny olom-pirenena sy ny mpitsidika ny Horohorontany 6.2
Nipaka tao am-pon'ny Costa Rica ny Horohoron-tany 6.2, izay nanana ivo-kotroka (epicentre) 35Km fotsiny tao Vara Blanca. Miala amin'ny renivohitry San Jose. Tao amin'ny lemaka afovoany, dia nahitana fahavakisana sy entana ravarava niparitaka eny amin'ny talatalana, na dia izany aza, dia ny toe-javatra manakaiky ny ivo-kotroka no tena lasibatra, tahaka izany koa ireo tendrombohitra an-dafin-toerana nianjera ary ireo fihotsahan'ny tany noho ny dibo-drano. Azo fantarina aloha ny mety iharan'ny loza, fa hatreto kosa dia 3 no voamarina fa maty.
Madagasikara: Niato ny fifampiraharahana, niitatra ny korontana
Mba nisy masoandro nihiratra kely ihany ny hisian'ny famahana ny olana ara-tsosialy teto Madagasikara. Samy nilaza ny roa tonta avy amin'ny fitondrana sy ny fanoherana fa hisy ny fihaonana omaly....
Madagasikara: Fahapotehina noho ny rivodoza Fanele sy Eric
Vao tsy ela akory izay dia noteren'ny rivomahery Eric sy ny rivodoza Fanele andaniny sy ankilany i Madagasikara. Manahy ny ho fiantraikan'ny loza voajanahary tahaka izao ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara...
Miditra an-tanety any atsimo andrefana ny rivodoza Fanele
Ny mpamaham-bolongana Pierre Maury no mahatsiaro ny faritra atsimo andrefan'i Madagasikara rehefa niditra an-tanety ny rivodoza Fanele tokony androany tamin'ny 4:17 marainan'ny 21 Janoary 2009 (fr). Ahiana hisedra ny setrasetran-drivotra...
Madagasikara: Fihaonana politika nahazo olona be fa mihahenjana ny tady
Mpamaham-bolongana Malagasy roa no nitantara an-tsary sy nitantara ny fizotran'ny fihaonam-be politika teto Antananarivo rehefa mihahenjana ny tady eo amin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana mitondra...
Myanmar:Mpanao fihetsiketsehana sivy no voasambotra nandritra ny fidinana an-dalambe
Tsy taona vaoavao mahafinaritra tamin’ireo sivy mpikambana ao amin’ny National League for Democracy izay voasambotra teo akaikin’ny Parlemanta izay natsangana ao Rangoon, tany Myanmar tamin’ny talata (30 desambra) lasa teo raha teo ampangatahana ny fampiarana ny demokrasia amin’ny endriny Aung Sam Suu Kyi
Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana
Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana...
Palestina: “Toa efa simba sahady na ny hoavinay aza eto Gaza”
Anatin'ity jery todika momba ny hafatra anaty blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika adolantsento iray vao avy namoy ny namany ary manahy mafy ny amin'ny ainy koa, mpiasan'ny fahasalamana...
Madagasikara: Tohin'ny Prison Break, fandoroana ny fonjan'Ambalatavoahangy
Taorian'ny fahavakisana fonja misesisesy nanerana an'i Madagasikara tamin'ny herinandro, dia notaterin'i Jentilisa fa may ny fonja hafa any Toamasina ( morontsiraka atsinanan'i Madagasikara) omaly ( 13 Janoary) [mg]. Nitatitra ny...