Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Janoary, 2014
Ejipta : Ho Toy Inona ny Hoavin'i Maréchal El Sissi?
Maréshal (-n'ny Kianja???) ankehitriny no galonan'ilay Jeneraly teo aloha lehiben'ny tafika Ejiptiana, Abdel Fattah El Sissi. Tsy dia mazava loatra ny mikasika ilay fisondrotana, na efa fisavàna làlana sahady amin'ny ho fihazakazahany hirotsaka ho filoham-pirenena na tsia.
Vaovao Mafàna: Fipoahana Goavana Nampihovitrovitra Ny Afovoan-tanànan'i Kairo
Vao avy nifoha tao anaty feonà fipoahana goavana izay nampihovitrovitra ny afovoan-tanànan'i Kairo ry zareo Ejiptiana. Ny tatitra tany ampiandohana dia manamafy fa nitranga tany amin'ny manodidina ny Fiadidiana ny Polsiy ao Kairo ilay fipoahana
Afaka Hiaina Mandra-Pahoviana Ao Amin'i Vkontakte i Pavel Durov, ilay Zuckerberg-n'i Rosia, ?

Androany, namoaka lahatsoratra iray [ru] ilay gazety fanta-poko fanta-pirenena fa mifamatotra amin'i Kremlin, Izvestia, nilazany fa niala tsy ho mpitantana ny Vkontakte i Durov, ary nitondra ny ankamaroan'ireo mpiara-miasa taminy hiasa manodidina ny tetikasa iray hafa
Milaza Ny Heviny Manoloana Ny “Queers” Ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny Rosiana

Raha nomarihana ho "tsy ofisialy" ny dikanteny, dia somary nihemotra ihany ny mpanara-baovaon'i Rosia raha mahita fa mety miafara eny amin'ny tranonkalan'ny governemanta izany ompa famelezana pelaka izany.
Hosoka Ilay Sarin'ny Orita Goavana Hita Tany California
Ilay sary namboamboarina dia nampiarahan'ny tatitra hosoka navoakan'ny tranonkalam-baovao fantatra fa mpananihany antsoina hoe Lightly Braised Turnip [Navet Nodorana Kely]. Saingy tsy nanakana ny mpisera aterineto maro hino ilay vaovao ho tena nisy izany.
Tsy Azo Atao Intsony Ny Manao Hetsi-panoherana Sy Famoriam-bahoaka ao Kambodza
Taorian'ny fanaparitahana an-kerisetra ireo mpiasan'ny fanenoman-damba nitokona, noraràn'ny governemanta Kambodziana tsy hikarakara famoriam-bahoaka ao Phnom Penh, renivohim-pirenena intsony ny mpanohitra politika.
Nosamborina Fa Nilaza Ny Filoha Zambiana Michael Sata Ho ‘Vomanga Malemy’
Niantso ny filoha Michael Sata ho vomanga malemy tsy azo ahenjana tao amin'ny radiom-piarahamonina kely any ambanivohitr'i Zambia ny pretra katolika lasa mpanao politika ny mompera Frank Bwaly.
Voaheloka Ho Faty Noho Ny Namonoany An'i Ghazala Javed Mpihira Pashto Ny Vadiny Taloha
Nanohitra tamin-kafanam-po ny faneren'ny Talibana azy tsy hihira i Ghazala Javed fony fahavelony ary nijoro nanohitra ny fametrahana ny Taliban tany amin'ny Swat tanindrazany.
Tifirin'ny Polisy Ireo Mpiasa Mpitokona Avy Amin'ny Fanenoman-damba Tao Kambodza
Nampiasa bala tena izy ny polisy tao Kambodza mba hanaparitanana ny fitokonan'ireo mpiasa'ny fanenoman-damba. Nofaritana ho ny “ratsy indrindra tamin'ny herisetram-panjakana natao tamin'ny sivily nitranga tao Kambodza tato anatin'ny dimiambinifolo taona” izy io.
Sekoly 100 Mahery May Tanaty Herisetra Fanoherana Fifidianana Tao Bangladesh
"Raha ny firenena no giazanao tsy ho afa-mihetsika noho ny resaka hetsi-panoherana, ahoana no hitondranao ity firenana ity hiroso?"