Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Janoary, 2018
Thailandy: Mandefa Mivantana Ny Fanonganam-panjakana Ho Anaty Bilaogy
Farafahakeliny blaogy roa no napetraka mba handrakofana fotsiny ny fanonganam-panjakana ataon'ny tafika nitranga tao Thailandy (Septambra 2006)
PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany
Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.
Ny Lahatsarin'ny Fifandonana Tao Egypta
Nitodika tany Egypta ny mason'izao tontolo izao , tamin'ny andro faha-10 nanaovana ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Hita fa nitombo be ny hafatra tao amin'ny Twitter sy ny fandefasana sary sy lahatsary, izay mampiseho ny toe-javatra nisy teny an-dalamben'ny Egyptiana
Bilaogera Sinoa Nihetsika Noho Ny Fetr'andro Fanoratana Anarana
Betsaka ny ezaka ataon'ny bilaogera mba hahafantarana hoe rahoviana sy ahoana ny fanoratana anaran'ny bilaoginy.
Kambodza : Teknolojia Fampahafantarana Ny Tsirairay aka Atrikasa Fidirana Tranokala
Miha maro ireo Kambodziana voasariky ny fanoratana bilaogy tamin'ny alalan'ireo atrikasa nokarakaraina teny amin'ny Oniversiten'i Phnom Penh, renivohitr'i Kambodza
Syria-Gaza : Fahatezeran'ireo Bilaogera Syriana
Maneho ny tsy finoany manoloana ny fanafihan'ny Tafi-piarovana Israeliana (IDF), izay nidaroka baomba sy nampiteraka korontana tao Gaza natao fahirano, ary koa manoloana ny fihetsiky ny iraisam-pirenena ny tontolon'ny blaogy.
Madagasikara: “Tsapako Ho Toy Ny Any Anaty Sarimihetsika Miresaka Ady Aho”
Nandray kihon-dàlana hafa indray ny olana politika misy ao Madagasikara , efa nitarazoka hatramin'ny Janoary lasa eo, miaraka amin'ny feom-basysy entona mandatsa-dranomaso, satria nifandona nanerana an'Antananarivo renivohitra ny polisy sy ireo mpanao hetsi-panoherana. Fijoroana vavolombelon'ireo nanatrika, tao amin'ny Facebook sy Twitter.
#SOSManus: Nanaisotra Ireo Mpangataka Fialokalofana Hivoaka Ny Tobin'ny Nosy Manus Ny Polisy
"Namotika ny fiainanay ianareo, very avokoa izay anay, fianakaviana, namana eny fa na dia ny hajanay aza dia very. Azonay ankehitriny fa tsy olombelona izahay..."