· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Febroary, 2013

Tafaray Ao Shahbag Ny Bangladesy Noho Ny Faha- 42 Taonan'ny Heloka An'ady

  18 Febroary 2013

Tsikelikely, nanjary ranomasimben'ny olona ny fiolanana Shahbag ao andrenivohitry Bangladesh, ao Dhaka, ho fitakiana ny rariny noho ireo habibiana niseho nandritra ny tolom-panafahana tamin'ny taona 1971 sy ho fitakiana ny fanasaziana ho faty ireo meloka an'ady. Araka ny filazan'ny sasany, tombanana ho 500.000 tsy latsaka eo no isan'ireo olona tonga ao Shahbag. Folo andro lasa izay, niantso ireo...

Ho an'ny Sariitatra Rosiana, Mirotsaka ny Tainkintana

Akon  16 Febroary 2013

Ny maraimben'ny 15 febroary, dia nandoro ny habakabaky ny tanànan'i Chelyabinsk ary mety ho nidona tamin'ny tany ny tainkintana iray. Amin'izao fotoana [15 feb] izao dia mbola mitady [ru] izay toerana nianjeran'ilay tainkintana ny fitondram-panjakana Rosiana, fa ny zavatra azo antoka dia niteraka feo malaky dia malaky niteraka fahavakisam-baravaram-pitaratra sy zavatra...

Fanandramana Noklearin'i Korea Avaratra, Satroka Antitra ho an'i Koreana Tatsimo

  16 Febroary 2013

Nanamafy i Korea Avaratra tamin'ny talata fa nahavita ny fanandramana nokleary fahatelo, izay nahazoany fanamelohana avy amin'ny fiarahamonina iraisampirenena sy nampihenjana kokoa ny tadim-pifanolanana efa misy ao Azia Atsinanana. Ilay fanapoahana, izay fanandramana nokleary voalohany teo ambany fitondran'i Kim Jong-un, dia tombanana ho manana hery atsasaky ny baomba nalatsaka tao Hiroshima,...

Nosamborina Ireo Vehivavy Saodiana Mpanao Fihetsiketsehana Satria “Manohintohina Ny Fampandrosoana”

Tamin'ny Asabotsy 9 Febroary lasa teo, nikarakara fihetsiketsehana madinika teo anoloan'ny tranoben'ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona ao Riyadh, Arabia Saodita ny andiana zaza amam-behivavy, anisan'izany ny vady, zanaka vavy sy renibe an'i Suliman al-Rushoodi, filohan'ny Fikambanana Mpiaro ny Zo sivily sy politika Saodiana izay nogadraina. Vadin'i al-Rushoodi, @omamar1, nandrakitra lahatsary tamin'ny fihetsiketsehana izay nakambana...

Kolombia: Mbola Mipoapoaka Ny Basy ao Medellín

  13 Febroary 2013

Miatrika toe-draharaha sarotra momba ny filaminam-bahoaka ny tanànan'i Medellin. Ao Comuna 13 [es] no faritra tena voantonontonona, andrenesana fifandonana marobe isak'alina [es] tamin'ny fiandohan'ny herinandro tamin'ny volana Febroary. Nanjary niha-ratsy hatrany ny toe-draharaha satria noterena nampiato ny asany mandritra ny 15 minitra ny Fiaratariby [fanamarihan'ny mpandika: fiara mandeha amin'ny tariby mihantona)]. Olona roa no naratra noho ny bala votsotra...