Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Oktobra, 2016
Tantara Ratsy Iray Hafa An'ny Fiangonana Ortodoksa ao Rosia, Mpitondra Fivavahana Iray Hita Niravaka Rolex $40K
Manana tantara ratsy iray hafa atrehiny indray ny Eglizy Ortodoksa Rosiana, na ny marimarina kokoa momba ny hato-tanan'ny iray amin'ireo mpitondra fivavahana ambony ao St. Petersburg
Voalaza Fa Noraràn'i Rosia ny Linkedin
Atahorana ho voaràra ao Rosia ny LinkedIn, tambajotra arak'asa antserasera lehibe indrindra manerantany, satria naharesy lahatra ny fitsarana Moskoa mba handràra ny tambajotra ireo mpanao sivana federaly.
Navoakan'ny Mpijirika Ireo Imailaky ny Mpanampy Ao Kremlin, Voalaza Fa Miaty Drafitra Fanakorontanana An'i Okraina
Lazain'ireo Okrainiana mpijirika fa mampiseho drafitra ho fanakorontanana an'i Okraina ato anatin'ny volana vitsy ho avy ny fijirihana ireo imailak'i Vladislav Surkov, mpanolotsaina an'i Putin.
Tonga Ao Tsetsenia Ny Haiady MMA, Ary Tompondaka Sahady Ny Zanaky ny Mpitondra Ao An-Toerana
Na dia zatra manao dokambarotra ao amin'ny media sosialy aza i Kadyrov dia mbola manao izay hanafintohina ny olona hatrany, raha hita ho mpandray anjara tamin'ny fifaninanana haiady mifangaro notontosaina tao Grozny ny zanany telo mirahalahy.
Nobahanana Nandritra Ny Androm-pifidianana Ny WhatsApp sy Viber Tao Montenegro
Voaloton'ny fiampangana tsy fanarahan-dalàna ny fifidianana parlemantera tao Montenegro tamin'ny 16 Oktobra 2016, hoy ny tatitra tamin'ny tambajotra sosialy, ary voaràra nandritra ny fotoana tsy dia maharitra ny WhatsApp, Viber sy ny fampiharana fandefasan-kavara sahala amin'izany.
Tsiaro An’ i Biljana Garvanlieva, Makedoniana Mpamokatra Sarimihetsika Nanome Fitenenana Ho An'Ireo Vehivavy Voahilikilika
"Ny handrava ny fiheverana ny vehivavy misy eto Makedonia no antony manosika ahy amin'ny maha-mpanoratra fanadihadiana ahy "
Mankalaza An'i Bob Dylan, Loka Nobel Literatiora, i Azia Atsimo
"Ny tohan-kevitra ho an'i Dylan dia noho ny kalitao sy ny ambaindain'ny sangan'asany nandritra ny taona maro, ary ny zava-misy fa lasa klasikan'ny tononkalo maoderina ny sangan'asany ankehitriny, ...."
Nampitandrina Mpanao Gazety sy Mpikatroka Rosiana Am-polony Ny Google Manoloana Ireo Mpijirika Tohanan'ny Fanjakana
Ampolony mahery ireo mpanao gazety sy mpikatroka Rosiana nahazo fampitandremana hafahafa avy amin'ny Google androany vao maraina, mampahafantatra azy ireo fa "ny mpanafika tohanan'ny governemanta" dia mety "hiezaka hangalatra" ny tenimiafin'izy ireo.
Manimba Tena Ny Antoko Sosialista Espaniola, Tantarain'ireo Mpisera Amin'ny Aterineto
Mandalo ny olana henjana indrindra teo amin'ny tantarany ny Antoko Sosialistin'ny Mpiasa Espaniola, saingy ao amin'ny Twitter, faly sy ravo manao hanihany mandravarava ireo Espaniola mpisera.
Fanafihana An-habakabaka Nataon'ny Vondron-kery Tarihan'i Arabia Saodita, Namono Farafahakeliny Olona 140 tany Yemen, Nandratra An-jatony Mahery
Fanafihana an-habakabaka nataon'ny vondron-kery tarihan' i Arabia Saodita, nikendry fiandrasam-paty ary namela olona maty farafahakeliny 140, mahatonga io ho fandripahana tokana lehibe indrindra hatramin'ny nanombohan'ny ady an-tranon'i Yemen ny taona 2015.