Mahery Vaika Ny Fanafihan'ny Polisy Shinoa Ireo Mpanao Hetsika Nanohitra Ny Fampidirana Am-ponja Ny Filoha Voafidin'ny Tanànakely Iray

Sariitatra ara-politika nataon'i Badiucao voatokana ho an'ny mponina Wukan izay efa niady hiaro ny taniny nandritra ny taona maro.
Nanapoaka bala fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso tamin'ny mpanao fihetsiketsehana tao Wuhan, tanànakelin'ny mpanjono any amin'ny faritany atsimo atsinanan'i Guangdong Shinoa, izay efa nanao hetsika nandritra ny telo volana manohitra ny fisamborana sy ny didim-pitsarana vao haingana an'ilay lehiben'ny tanànakely voafidy Lin Zuluan, ny polisy.
Nosamborina i Lin tamin'ny 18 Jona raha mbola teo am-pikasana hikarakara hetsi-panoherana eo an-tokotanin'ny fiadidiana ny kaominina Shanwei hanoherana ny fangalana tany izay vao niseho tao Wuhan. Voampanga ho nanao kolikoly, ary voaheloka 37 volana an-tranomaizina izy tamin'ny 8 Septambra .
Mino ireo mponina izay nanao fihetsiketsehana nandritra ny telo volana manohitra ny fisamborana sy ny fampidirana am-ponja an'i Lin fa noterena hiaiky ho nandray kolikoly izy. Mba hanafoanana tanteraka ny fanentanana rehetra, nanidy ny tanàna vao mangiran-dratsy tamin'ny 13 Septambra ny polisy mitam-piadiana manodidina ny 2.000 ary niditra an-keriny tao an-tranon'ireo mpitarika ny tanànakely hisambotra azy ireo. Nanohitra ireo mponina, ary tamin'izany no nitifitra bala fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso ny polisy , izay niafara tamin'ny fifandonana mahery vaika.
Dramatic video of standoff in Wukan widely shared on WeChat today. pic.twitter.com/fsDW7IJS9v
— Patrick Boehler 包蟠睿 (@mrbaopanrui) September 13, 2016
Nifampizarana imbetsaka tao amin'ny WeChat androany ny lahatsary miavaka tamin'ny fifandonana tao Wukan. pic.twitter.com/fsDW7IJS9v
Naratra noho ny bala fingotra ny mponina am-polony vitsivitsy. Nosamborin'ny polisy ny mponina 13 nolazaina fa andrisika ny hetsi-panoherana. Niparitaka tao amin'ny Twitter ny lahatsary avy amin'ny fakantsary fanarahamaso avy amin'i @beidaijin nahazo ny sarin'ny fomba nidiran'ny polisy an-keriny tao an-tranon'ny olona iray tao an-tanànanakely tao anatin'ny aizina :
#乌坎 今日~新闻视频(一) pic.twitter.com/nAezEUdWnU
— 贝带劲 (@beidaijin) September 13, 2016
Nandritra ny fanaovana bemidina, notànana vonjimaika ny vehivavy sy ny ankizy mpianatra sady nofatorana ny tanan'izy ireo. Naratra ny sasany tamin'izy ireo (lahatsary avy amin'i @beidaijin):
#乌坎 村民被綁著手 pic.twitter.com/aHhb9pcaav
— 贝带劲 (@beidaijin) September 13, 2016
Tsy dia tena hoe tsy nampoizina ny famoretana nataon'ny polisy. Talohan'ny namoahan'ny fitsarana tao an-toerana ny didim-pitsarana an'i Lin, efa nampilaza ny mponina ny mpitandro filaminana avy any Lufeng, distrikam-paritra misy an'i Wuhan ,mba hampitsahatra ny hetsi-panoherana rehetra alohan'ny 10 Septambra raha tsy izany, hotazomina ho tompon'andraikitra ara-pitsarana amin'ny zavatra ataony izy ireo.
Nivoady anefa ny mponina fa hanohy ny fihetsiketsehana manohitra ny fanagadrana an'i Lin. Mampiseho ny mponina sasany mbola mifanandrina amin'ny polisy ny sary eto ambany (efa voafafa ny sary) na dia efa taorian'ny fanafihana aza. Mipetraka manoloana ny sakan'ny manampahefana polisy mitam-piadiana ny iray amin'ireo mponina, lahy antitra, ary nametraka fitoeran'etona fandrehitra teo akaikiny toy ny fampitandremana :
#wukan #乌坎 pic.twitter.com/A7OC6Eb7AL
— wukan (@wukanwukan11) September 13, 2016
Fonenan'ny mponina 13.000 ilay tanànan'ny mpanjono ary nahasarika voalohany ny fifantohan'izao tontolo izao taorian'ny andianà hetsi-panoherana manohitra ny kolikoly sy ny fangalana tany an-keriny tamin'ny Desambra 2011. Niditra an-keriny sy nibodo ny lapan'ny governemanta ny mponina, ary niditra an-tsehatra hanao fanadihadiana ny governemantam-paritany, tatỳ aoriana nilamina ny fifandirana tamin'ny alalan'ny famelana ny mponina mba hifidy indray izay hitondra ny tanànakely. Voafidy ho filohan'ny tanàna i Lin tamin'ny Martsa 2012. Nomen'ny fampitam-baovao tao an-toerana sy iraisampirenena anarana hoe Maodely Wukan ny famahana olana am-pilaminana tamin'ny fomba demaokratika tao an-toerana .
Saingy tsy mbola voavaha ny olan'ny fakana tany tao an-tanànakely tsy nisy fankatoavana mialoha avy amin'ny manampahefana ao an-toerana sy ny mponina satria any amin'ny dingana ambony any an-drenivohitra sy avy any amin'ny seha-piadidiana ambony kokoa no isian'ny kolikoly. Raha nanomboka ny tetikasam-pampandrosoana ao amin'ny toeram-pambolena miorina ao Wuhan manana velaran-tany 170.000 metatra tsimivadimandry tsy nahazo fanekena avy amin'ny komitin'ny tanànakely ny mpandrafitra tetikasa izay tohanan'ny governemantan'ny tanandehiben'i Donghai dia nihevitra ny mponina tao an-tanànakely fa hanao dingana indray ny manampahefana ao amin'ny faritany. Teo ry zareo no nikasa ny hitsidika ny governemantan'i Shanwei hitondra ny fanangonan-tsonia tamin'ny volana Jona. Nosamborina roa andro monja talohan'ny fanomanana ny hetsi-panoherana i Lin.
Niezaka nanao izay rehetra tratry ny ainy ny manampahefana tao an-toerana mba hisorohana ny hetsi-panoherana tsy hahasarika saina be loatra. Nahazo toromarika ny sehatra fampitam-baovao tao an-toerana mba tsy haka ny vaovao any an-toerana; na sary na lahatsoratra momba ny famoretana dia nolazaina fa tsaho sy nofafana haingana tamin'ny sehatra media sosialy; nanao fanambarana ofisialy ny polisy tao Lufeng tao amin'ny habaka bilaogy madinika malaza, Weibo, fa voaverina tamin'ny laoniny ny filaminam-bahoaka tao an-tanànakely; ary tsy navela hiditra teo amin'ny manodidina an'i Lufeng ireo mpanao gazety vahiny:
#Chinese police stopping all foreign journalists from getting anywhere near #Wukan We were ordered to leave Even nearby Lufeng is no go zone
— Stephen McDonell (@StephenMcDonell) September 13, 2016
Nanakana ireo mpanao gazety vahiny rehetra ny polisy #Shinoa mba tsy hiditra manodidina akaikin'i #Wukan Nahazo baiko izahay hiala an'i Lufeng na dia tanàna eo amin'ny manodidina aza izany
Amin'ny fanantenana hisarihana ny fifantohana iraisam-pirenena bebe kokoa amin'izay mitranga ao Wukan, niantso hanaovana hetsi-panoherana teo anoloan'ny biraon'ny solontenan'ny manampahefana Shinoa ao amin'ny faritr'i Hong Kong manana fitantanana manokana — dia ny Biraom-Pifandraisan'ny Governemanta Foibe Shinoa — hanoherana ny famoretana, ny Hong Kong Miara-dia ho Fanohanana ny Hetsiky ny Tia Tanindrazana Demokratika ao Shina :
.@HKAA1989 to organize protest on Wednesday demanding release of arrested villagers in #Wukan #乌坎 and #LinZhuluan pic.twitter.com/8524TYeRan
— Cherie Chan 陳卓妍 (@cheriechancy) September 13, 2016
.@HKAA1989 fanomanana hetsi-panoherana amin'ny Alarobia mba hitakiana ny famotsorana ireo olona nosamborina tao an-tanànakely ao #Wukan #乌坎 sy #LinZhuluan pic.twitter.com/8524TYeRan
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...