Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Marsa, 2015
Mitombo Ny Isan'ireo Olo-tsotra Mamoy Ny Ainy Noho Ny Daroka An'habakabaka Tarihin'i Arabia Saodita Ao Yemen
Mitombo ny isan'ireo olo-tsotra mamoy ny ainy noho ny ady ankehitriny tarihin'i Arabia Saodita sy ireo mpiara-dia aminy hiadiana amin'ireo Houthis ao Yemen.
Nahazo Olona an-Tapitrisany ny Fanomezam-Boninahitry ny Fokonolona ho an'i Lee Kuan Yew ao Singapaora
Lee Kuan Yew no ilay Praiminisitra nanorina an'i Singapore nitondra ny firenena nihoatra ny telopolo taona.
Iraka : Ravain'ny ISIS Ireo Sary Vongana Rakitry Ny Ela 3.000 Taona Tao Amin'ny Tranombakok'i Mosul
Voarakitra an-dahatsary ireo mpikatroka mafana fo ao amin'ny ISIS eo am-pamotehana amin'ny maritoa lava taho, sy fitaovana fandavahana ary lapika ireo sary vongana rakitry ny ela ao amin'ny tranombakok'i Mosul any avaratr'i Iraka
VAOVAO FARANY: Arabia Saodita Mitarika Ady Amin'i Yemen
Nisara-kevitra teo amin'ireo te-hahita ny Houtis ho tafala amin'ny fahefana sy ireo tsy te-hahita ny firenena ho lasa Iràka na Syria na Libya ny blaogera.
Olona Sivy Ambinifolo No Namoy Ny Ainy Tamin'ny Fanafihana Mozea Tao Tonizia
Olona 19 farafahakeliny, ary vahiny ny 17 no namoy ny ainy raha nanafika ny Mozea Bardo Nationaly, ao afovoan-tanànan'i Tunis ireo lehilahy mitam-piadiana. Nidina an-dalambe hanohitra ny fampihorohoroana ny Toniziana.
Talantalana Foana sy Kibo Migororoana: Voazava Ny Tsy Fahampiana Ara-toekarena Ao Venezoela
Na teo aza ny teny fampanantenana hisian'ny taona vaovao, tsy tamin-kafaliana no nanombohan'ny Venezoeliana ny taona 2015, fa niaretany ny mangidy indrindra teo amin'ny tsy fahampiana ara-toekarena tato anatin'ny fahatsiarovany akaiky indrindra
Okrainiana Mpanao Gazety Voafonja, Ny Rosiana Mpitandro Filaminana Ao Krime No Maka Am-bavany Azy

Noànan'ireo manamboninahitr ny FSB tao Krimea ary nalainy am-bavany ny mpanao gazety iray ao amin'ny Ivontoeran'ny Asa Fanaovana Gazety Fanadihadiana avy ao Simferopol, mifandray amin'ny resaka fanadihadiana heloka bevava momba ny "fiantsoana ny vahoaka ho amin'ny fisaratsarahana"
Tafaverin'ireo Mpikatroka Nomerika Amin'ny Toerany Ny Grani.Ru Sy Ireo Tranonkalam-baovao Hafa Voasivana

Mampiasa ny teknikan'ny didom-pitaratra manamaro isa ny fidirana amin'ireo habaka sivy voasivana sy hametraka ny dindony ao anatin'ny lohamilin'ireo orinasa goavan'ny aterineto ny mpikatroka hahamora ny fidirana aminy
Voasambotra Ilay Lehiben'ny Zava-mahadomelina Nokarohina Fatratra Tao Meksika
Misy ny sasany mihevitra fa anisan'ny ahiahiana karohina fatratra ao amin'ny firenena i Gómez ary miampanga ny Caballeros Templarios ho nampitombo ny herisetra izay namely an'i Michoacán nandritra ny volana maromaro.
Alina Mialoha Ny Andro Erantany Ho An'ny Vehivavy: Mila Vaniny Amin'ireo Vehivavy Mpikatroka Mafàna Fo i Shina
Mialohan'ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy, miatrika karazany hafa amin'ny resaka filàna vaniny ireo vehivavy manao hetsi-panoherana ny sotasota ara-nofo : ny sotasotan'ny polisy.