Nosamborin'i Bahrain Niaraka Tamin'ny Zanany Vao Herintaona Monja i Zainab Al Khawaja, Mpikatroka Mafàna Fo

Zainab Al Khawaja miaraka amin'ny zananilahy vao 15 volana, Abdul-Hadi, voasambotra tao Bahrain androany 14 Martsa. Sary : Ivontoerana ho an'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Golfa
Nosamborin'i Bahrain androany niaraka tamin'i Abdul-Hadi, zananilahy vao 15 volana ilay mpikatroka mafàna fo, Zainab Al Khawaja. Fisamborana mitranga ao anatin'ny fotoana fankalazàna ny tsingerintaona fahadimy nahatongavan'ireo andian-tafika avy any Arabia Saodita sy ny Emirà Arabo Mitambatra hanorotoro ireo hetsipanoherana nitaky ny demaokrasia izay nahazo ny firenena nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011.
Fantatra amin'ny hoe Angry Arabia ao amin'ny Twitter, tamin'ireo fanehoankeviny mivaivay sy feno fihetsehampo momba izay mitranga manodidina azy nandritra ny famoretana mafy natao tamin'ireo mpanohitra, efa tamin'ny taona lasa ny bitsika farany nalefan'ity ramatoa 33 taona ity. Tsy fantatra izay zavatra nitondra ho amin'ny fisamborana azy androany, indrindra hatramin'ny nahazoany sazy mihantona mitontaly telo taona sy iray volana an-tranomaizina, tamin'ny taona lasa — sazy izay izao androany izao vao nosoloina.
Araka ny ambaran'ny Ivontoerana ho an'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Golfa – Gulf Human Rights Centre (GHRC):
Ny 02 Jona 2015, WHRD Zainab Al-Khawaja dia voaheloka sivy volana an-tranomaizina, taorian'ny nanandramany hitsidika ny rainy mpiaro zon'olombelona sady mpiara-nanorina ny Gulf Centre for Human Rights (GCHR), Abdulhadi Al-Khawaja, tany amin'ny fonjan'ny Jaw, ny Aogositra 2014 rehefa nanao fitokonana tsy hisakafo izy. Didy navoaka tsy natrehany io tamin'ny 2 Febroary 2016.
Ny 03 Desambra 2015, noverezin-jo ihany koa i Al-Khawaja tsy ho afaka manao fampakàrana amin'ny fitsaràna ambony, taminà raharaha telo hafa izay nohenoina teny amin'ny fitsaràna. Vesatra roa nahazoany sazy famonjàna roa volana no voalohany navoaka tamin'ny 09 Desambra 2014 noho “ny fanimbàna fanànam-bahoaka” fony izy nandrovitra ny sarin'ny Mpanjaka tao amin'ny Biraon'ny mpitandro filaminana tao Budaiyah, ary vesatra iray hafa noho ny filazàna azy ho “niteny ratsy olompanjakana” (manamboninahitry ny polisy), izay nanamelohana azy hifonja herintaona. Tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany, ny 21 Oktobra 2015, nahenan'ny fitsarana ho herintaona ilay sazy telo taona noho ny fandrovitàna sarin'ny mpanjakan'i Bahrain, tamin'ny fotoam-pitsaràna natao tamin'ny Oktobra 2014.
Fidirana am-ponja mandritry ny telo taona no fitambaran'ny sazy nomena azy, avy amin'ireo vesatra isankarazany ahitàna sazy roa taona noho ny fandrovitana ny sarin'ny mpanjakan'i Bahrain sy herintaona noho ny “fitenenana ratsy” taminà manamboninahitry ny polisy. Ankoatra izay, nolavina tsy nomena kopia nahaterahana sy antontan-taratasy momba azy ilay zanany lahy vao herintaona no sady tsy nohavaozina ny pasipaorony.
Mbola nampian'ilay ivon-toerana aza hoe mety ho nosamborina i Zainab mba hanerena ny rahavaviny Maryam Al Khawaja, izay mpikatroka momba ny zon'olombelona ihany koa, tsy hanohy ny asany :
Inoan'ny GCHR fa ny tetiandro nentina nanatanterahana ity fanaovana bemidina tany an-trano ity, sy ny fisamborana azy, dia toy ny valinkafatra ho an'ny asan'i Maryam Al-Khawaja rahavavin'i Zainab Al-Khawaja sady Tale mpiara-mitantana ny GCHR. Vao avy nanatrika indrindra ny fivoriana faha-31 nataon'ny Filankevitra momba ny Zon'Olombelona i Maryam, ary vao haingana no tany Zurich ihany koa nanatrika ny fifidianana nataon'ny FIFA, ka nandritra izany no namoizan'ny Shaikh Salman Alkhalifa (avy amin'ny fianakavian'ny mpanjakan'i Bahrain) ny faniriany ho filoha mpitarika.
Tale mpiara-mitantana ny GHRC ihany koa i Maryam.
Vao vantany nosamborina ny rahavaviny dia nobitsihan'i Maryam avy hatrany, izay manana mpanjohy 102.000 mahery ao amin'ny Twitter, niteraka fanehoankevitra avy lavitra ary midadasika be manameloka ilay fisamborana :
URGENT: #Bahrain: Zainab Al-Khawaja Arrested with 15 month old son after her home was raided by police: https://t.co/iK76Sn6Ju0
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) March 14, 2016
MAIKA: #Barhain: nosamborin'ny polisy niaraka tamin'ny zanany lahy 15 volana i Zainab Al-Khawaja taorian'ny bemidina natao tany an-tranony
Soritsoritan'i Maryam ihany koa ny fomba nanakanan'ireo ‘jeeps’ 15 an'ny polisy ny arabe mba hisamborana ity vehivavy tanora ity sy ny zanany :
#PT there were riot police, police in civilian clothing and female police. They shut down the entire street in front of the apt #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) March 14, 2016
#PT Nisy polisy mpandrava korontana, polisy nanao fanamiana sivily ary polisy vavy. Nakatony ny arabe manontolo manoloana ny trano #Bahrain
#PT there were 15 police jeeps there to arrest her #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) March 14, 2016
#PT Nisy ‘jeeps’ 15 an'ny polisy teo hisambotra azy
Ary hazavainy misimisy kokoa :
All of Zainab Alkhawaja’s charges are related to freedom of expression and association. #UK training going great #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) March 14, 2016
Mifandray amin'ny resaka fahalalahana maneho hevitra sy ny fikambanana avokoa ireo vesatra mahazo an'i Zainab Alkhawaja. Mitohy mandeha tsara ny fanofanan'i #UK an'i #Bahrain
Raha efa nandrasana ny fisamborana an'i Zainab tao amin'ny firenena iray izay ankehitriny mampiditra am-ponja (dia manafaka) olona an'arivony noho ny vesatra baikon'ny resaka politika, nivanàka ny tontolon'ny serasera anaty habaky aterineto tamin'ny fisamborana ilay zanany lahy herintaona monja.
Avy any Dublin, Elaine Masons mibitsika hoe :
Is it not enough that they Jail the Elderly, the Sick, The Youth, Women & Children … Now it's 1yr Olds Aswell. #Bahrain
— FREE BH DETAINEES (@ElaineMasons) March 14, 2016
Tsy ampy azy ireo ve ny fampidirana am-ponja ny Antitra, ny Marary, ny Tanora, ny Vehivavy & Ankizy….Ankehitriny dia zaza vao herintaona #Barhain
Ary ilay bilaogera safiotra Britanika-Kiorda, Ruwayda Mustafah, manontany tena hoe:
#Bahrain seems to be tightening noose on dissidents, just don’t understand why one-year-old child is arrested. https://t.co/LLFpjz7cxB
— Ruwayda Mustafah (@RuwaydaMustafah) March 14, 2016
Toa manamafy ny vahohony amin'ireo mpanohitra i #Barhain , tena tsy takatra tsotra izao ny antony isamborana zaza herintaona
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...