Nisioka ilay mpikatroka Shinoa monina ao New York androany maraina fa nalain'ny manampahefan'ny tanibe Shinoa an-keriny ny fianakaviany tamin'ny 22 Martsa. Matahotra izy fa tazonin'ny manam-pahefana ny fianakaviany noho ilay taratasy misokatra mandrisika ny Filoha Shinoa Xi Jinping mba hametra-pialana.
My family, parents and young brother live in Mainland were kidnapped by Chinese authorities since this Tuesday, disappeared.
— 北风(温云超, Yunchao Wen) (@wenyunchao) March 25, 2016
Ny fianakaviako, ny ray aman-dreniko sy ny rahalahiko izay monina ao amin'ny Tanibe dia nalain'ny manampahefana Shinoa an-keriny, nanjavona izy ireo hatramin'ny Talata teo.
Nitatitra i Wen fa nanery azy hiaiky fa tafiditra tamin'ny fandefasana taratasy misokatra tamin'ny 4 Martsa 2016 ny manampahefana. Ny taratasy, izay navoakan'ny tranonkalam-baovao Watching na “Mijery” misampana ao amin'ny Antoko Komonista, dia voalaza fa nosoniavin'ireo “mpikambana mahatoky ao amin'ny Antoko Komonista.
Ny tranonkalam-baovao “Mijery” na Watching dia natsangana tamin'ny volana marsa ary nanatevin-daharana ny Vondrona Media SEEC (izay mitantana ny gazetiboky Caijing), sampana iray ao amin'ny Alibaba, e-varotra goavana iray, mampiroborobo ny tambajotra ara-barotra manerantanin'ny governemanta Shinoa manao hoe “Fehikibo [fifehezana] Iray, Lalana Iray”.
Nanazava ny antsipirihan'ny toe-draharaha i Wen, fantatra koa amin'ny anarana hoe Bei Feng :
我在国内的父母及弟弟22日起均被有司绑架带走,失去联络,情况不明。有关方面一直为难我家人,给我施加压力要我承认与公开信有关。他们此前的说法是,已经知道我不是信的作者,但认为是别人写好给我发布的,要我告诉他们是谁写的怎么给我如何发布就不追究我的责任。可我无法承认跟我无关的事情。
— 北风(温云超, Yunchao Wen) (@wenyunchao) March 25, 2016
Nalaina an-keriny ary nanjavona ny ray aman-dreniko sy ny rahalahiko tamin'ny 22 Martsa. Nanohintohina ny fianakaviako ny manampahefana [Shinoa], mngataka amin'izy ireo mba hanery ahy hiaiky ny fandraisako anjara tamin'ny taratasy misokatra. Nilaza ry zareo fa fantatr'izy ireo fa tsy izaho no nanoratra ilay taratasy, saingy mino kosa izy ireo fa nanampy tamin'ny fampielezana izany aho. Tian'izy ireo hilaza amin'izy ireo izay nanoratra ny taratasy sy ny fomba nanomezan'ny olona ahy ny taratasy aho. [Raha miaiky aho] dia tsy tazonin'zy ireo ho tompon'andraikitra aho. Saingy tsy afaka hiaiky zavatra tsy nataoko aho.
Nitarika fisamborana olona roapolo ny taratasy misokatra, vehivavy mpiasa ao amin'ny Watching ny enina amin'izy ireo. Ny folo hafa kosa miasa ao amin'ny orinasan'ny teknolojia miara-miasa amin'ny tranonkala.
Tamin'ny 15 Martsa, nalain'ny manampahefana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Beijing i Jia Jia, mpanao gazety matihanina, fotoana fohy talohan'ny tokony hidirany tao amin'ny fiaramanidina ho any Hong Kong, izay nanasana azy handraisany fitenenana amin'ny lahadinika oniversite iray. Noheverina fa mifandray amin'ilay taratasy misokatra ny fanjavonany.
Tsikerain'ilay taratasy misokatra ny fanao ara-politika, ara-diplaomatika, ara-toekarena ary ara-kolontsainan'i Xi amin'ny “fialàna amin'ny rafitra demokratikan'ny fitantanana iombonana” ary milaza fa nitarika fivangongoam-pahefana “tafahoatra” sy fikorontanana eo amin'ny tsenan'ny petra-bola sy ny tsenan'ny fananana. Ho solon'izany, dia nitarika “fanjavonan'ny harenan’ ireo olo-tsotra an'hetsiny”. Nokendren'ny taratasy ihany koa ny hetsika “Lalana iray, Fifehezana iray”, mandresy lahatra fa mampiasa “tahirim-panakalozam-bola goavana dia goavana any amin'ny faritra sy firenena tratran'ny fisafotofotoana tsy misy tamberina.” Farany, ampangainy ny governemanta ankehitriny ho mametraka indray ny fanandratana olona malaza izay nanjaka tao Shina nandritra ny Revolsiona Ara-kolontsaina.
Na dia nipoitra nandritra ny adiny roa monja tao amin'ny “Mijery” aza ilay taratasy misokatra, dia hita ho fanoherana mivantana ny fitantanan'i Xi Jinping avy ao anatin'ny antoko izany. Tsy namoaka vaovao ôrizinaly ny tranonkalam-baovao hatramin'ny 15 Martsa ary hakatona atsy ho atsy. Nangatahana ireo mpiasa ao amin'ny tranonkala mba hametraka ny fialàn'izy ireo.
Nandrisika ny filoha Obama i Wen, izay mbola mitoetra ao New York mba hanampy hiaro amin'ny famotsorana ny fianakaviany rehefa mihaona amin'i Xi Jinping izy amin'ny herinandro ambony:
President Obama @POTUS , Please ask him release my parents and my brother, he kidnapped them on Mar 22. https://t.co/ORVFg117mk
— 北风(温云超, Yunchao Wen) (@wenyunchao) March 25, 2016
Filoha Obama @POTUS , Azafady angataho izy mba hamotsotra ny ray aman-dreniko sy ny rahalahiko, nalainy an-keriny izy ireo tamin'ny 22 Martsa