Miverina An-Dalambe Indray Ny Hetsika Libaney “Maimbo Ianareo”

Lebanese protesters are back on the streets of Beirut calling for a solution to the country's mounting garbage problem. Photo credit @monajem via Twitter

Mirotsaka an-dalambe indray ireo Libaney mpanao hetsipanoherana ao Beiroty mitaky vahaolana amin'ny fitomban'ny olan'ny fako misavovona ao amin'ny firenena. Sary @monajem tao amin'ny Twitter

An'arivony ireo Libaney mpanao hetsipanoherana no niverina nidina an-dalambe tao Beirot androany 12 Martsa hitaky vahaolana amin'ny fitomboan'ny olan'ny fako misavovona.

Valo volana lasa izay, Tol3et Re7atkom (Mambo Ianareo), ny hetsika laika iray izay nitaky “vahaolana maharitra amin'ny resaka fanìnesorana  ny fako ao Libanona” no nanomboka ny hetsipanoherana, izay natrehan'olona an'arivony avy amin'ny lafivalon'ny firenena. Ny 17 Jolay, nakatona ilay toerana midadasika indrindra fanariana fako tao amin'ny firenena ary nanomboka nivangongo isaky ny kihon-dàlana tao Beiroty ny fako satria nanohy tsy niraharaha ilay olana ireo manampahefana. Tsy afaka miaraka ny fako sy ny lohataona, ary satria nitohy nivangongo manaraka ireo arabe ao Beiroty ny fako, nandoto ny rivotra ny fofona maimbo tsy zaka, manaikitra ny oron'ny vahoaka Libaney.

Ao amin'ny pejiny Facebook, nandefa ity lahatsary fakàn-tàhaka ity ilay vondrona ho fihomehezana / fanesoana ny ezaky ny fizahantany ao Libanona amin'ny fanehoana ireo natiora mahazendana ananan'ny firenena alahatra hifanohitra amin'ny fako:

Lahatsary fakàn-tàhaka navoakan'ireo mpikatroky ny  #YouStink ao #Beiroty, #Libanona nandefa fampitandremana farany ho an'ny governemanta (30 seg voalohany)

Tao anaty fanehoankevitra iray momba ilay lahatsary, hoy ny hetsika You Stink :

Ny lahatsarinà tantara ratsy  goavana.. Fakàn-tàhaka henjana ny fanentanana vao haingana tety anaty aterineto nataon'ny Ministera Libaney misahana ny Fizahantany “fisandratana eo ambonin'i Libanona”. Lahatsary iray mampiseho ny zavamisy mahery setra izay tsy tian'ireo mpanolotra kolikoly ho an'ny fitondràna ho hitantsika.. “Ny fampitandremana farany” Sabotsy 12 Martsa, amin'ny 4 tolakandro ao amin'ny Kianja Sassine, Maimbo_Ianareo no sady mamono anay..

Ary dia io no fampitandremana iray farany. An'arivony ireo Libaney avy amin'ny lafim-piainana rehetra no tonga nanjohy ireo mpanao hetsipanoherana mba hanao izay handrenesana ny feony, tsy hoe fotsiny hano hetsika hanoherana ny fomba (tsy) niatrehan'ny governemanta ny olan'ny fako, fa koa hanohitra ny kolikoly ataon'ny governemanta. Mizara ity lahatsary ity amintsika i Mohamad  Najem, avy amin'ny hetsika androany :

Tsy fahavitàna'ny gov mitady vahaolana amin'ny olan'ny fako efa ho 8 volana, nitarika ho aminà hetsipanoherana misymisy kokoa ao #Beiroty. An'arivony ny olona eto

Rima Moussaoui mizara ity saripika ity :

Mivantana avy eto #Beiroty #HetsikaFanoheranaKolikoly

Ary Bassem Mroue milaza fa mitohy mandrak'alina ny hetsipanoherana:

Mitohy hatramin'ny aorian'ny filetehan'ny masoandro ny hetsipanoherana eto #Beiroty

Habib Battah mizara ity sary nopihan'i Nabih Bulos ity, izay mampiseho fa ireo mpanao hetsipanoherana no tompon'ny laka :

Fantatrareo fa nijanona teo hatramin'ny alina ry zareo rehefa nanao ny fampisehoany ilay olon'ny ‘crème glacée’

Bulos manampy hoe miantso fitokonana faobe ireo mpanao hetsipanoherana manomboka ny Alatsinainy :

Miantso fitokonana faobe manomboka ny Alatsinainy ny hetsika #Maimboianareo

Aza misaraka aminay mba hahazo fandrakofana bebe kokoa avy any Libanona arakaraky ny fivoaran'ity tantara ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.