Syriana Manamarika Ny Tsingerintaona Fahadimin'ny Revolisiona Amin'ny Alalan'ny Fihetsiketsehana Bebe Kokoa

"3.7m #childrenofsyria under 5 have known nothing but a lifetime shaped by war," tweets @UNICEF.

“[Zanak'i Syria] 3.7m #childrenofsyria latsaky ny 5 taona tsy mahalala na inona na inona afa-tsy ny andavanandrom-piainana ranitin'ny ady,” hoy ny siokan'ny @UNICEF.

Androany [15 marsa] ny tsingerintaona fahadimin'ny nanombohan'ny revolisiona Syriana, izay nivadika ho ady an-trano feno ra mandriaka tombanana ho naka ain'olona ampahaefatry ny iray tapitrisa.

Ary raha mbola iadian-kevitra ny isan'ny maty hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketseham-panoherana tao Syria, Ny Fanarahamaso Syriana Misahana ny Zon'Olombelona miteny fa mihoatra ny 270.000 ny isan'ny olona maty tao Syria tao anatin'izay dimy taona nifandirana izay. Mbola omen'ny Fanarahamaso ihany koa ireo tarehimarika mahazo ny Syriana hafa nateraky ny revolisiona nivadika ho ady an-trano hatramin'izao: olona 2 tapitrisa no naratra, maro no lasa tratran'ny fahasembana, ary Syriana 11 tapitrisa no nifindra toerana ao anatin'ny firenena ihany na voatery nandositra ny tanindrazany rotiky ny ady.

Ity lahatsarin'ny fihetsiketsehana voalohany nitranga tao Damaskosy tamin'ny 15 marsa 2011 ity no mampiseho ny hamaroan'ny olona nandeha sy nihiaka: “Aiza ianareo ry Syriana?” tao amin'ny famorian'olona iray mandrisika ny mpanao fihetsiketsehana hafa hanatevin-daharana amin'ny fanoherana ny fitondran'i Bashar Al Assad, izay nitsena ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny bala, baomba barika, bala vaventy sy daroka an'habakabaka ary fanafihana ara-tshimika.

Nilaza ny mpitantara fa ity no fihetsiketsehana voalohany avy amin'ny antokom-pivavahana rehetra miaraka amin'ny Sonita sy ny Alaoita, manohitra ny fitondrana, ahitana ny mpanao fihetsiketsehana andrenesana hiaka manao hoe: “Allah, Syria, ary ny fahafahana ihany!” sy ny “Fandriampahalemana! Fandriampahalemana!” manondro fa revolisiona milamina no tadiavin-dry zareo. Saingy tsy izay no nitranga. Rehefa tsy voafehin'ny fitondrana ny fihetsiketsehana, dia nitsangana hiaro ireo rahalahiny Sonita manohitra ny daroka ataon'ireo Alaoita mpanapaka an'i Damaskosy ny Jihadista avy amin'izao tontolo izao, mahazo vola avy amin'ireo firenena manankarena solika avy amin'ny helodrano. Ireo mpiady ireo no nandrafitra ny vihin'ny nantsoina taty aoriana hoe ISIS, izay nanangana Kalifà Islamika ho azy manerana an'i Syria sy Iràka taty aoriana. Mandritra izany fotoana izany, dia tonga hamonjy ny fitondran'i Assad i Iran sy ny vondrona milisy Libaney mitam-piadiana Hezbollah, ary narahan'ny Rosiana izay nanambara ny fialan'ny tafika an-tanety omaly raha mbola mitazona kosa ny fanafihana an'habakabaka.

Nisioka ireto fanazavana an-tsary manaraka ireto ny Amnesty International handravahana ny sanda tsy maintsy naloan'ny Syriana:

Syriana iray isaky ny 20 segondra no mandositra ny tranony

Syriana iray isaky ny 20 segondra no voatery mandositra ny tranony. Miaraka amin'i Syria

Olona dimy isan'ora no maty ao Syria

Olona dimy isan'ora no maty ao Syria. TSY MAINTSY atsahatra izany. Mijoro miaraka amin'i Syria!

Olona 35 isan'andro no manjavona ao Syria

Olona 65.000 no nanjavona hatramin'ny taona 2011. Izany hoe olona 35 isan'andro izany. Miaraka amin'i Syria


Syriana 1 amin'ny 3 no miaina ao anatin'ny tokonam-baravaran'ny fahantrana

Araka ny Fikambanana Iraisampirenena Misahana ny Sakafo:

Androany, Syriana 1 amin'ny 3 no miaina ao anatin'ny tokonam-baravaran'ny fahantrana. Mijoro miaraka amin'i Syria izahay. Syriana aho.

Fitaovam-piadiana shimika nampiasaina in-161:

Tatitra; farafahakeliny nampiasaina in-161 nandritra ny fifandirana Syriana ny fitaovam-piadiana shimika

Ary ny Unicef nizara ity fandokoana nataon'ny mpialokaloka Syrian iray manoritsoritra ny manjò azy sy ny vahoakany:

Mahavaky fo. Soritsoritra nataonjazalahy Syriana mpialokaloka.


Kilonga Syriana 306.000 Teraka ho mpialokaloka

Nandritra ny dimy taona, Syriana 306.000 teraka ho mpialokaloka, anisan'izany ny ao Riyan ao Iràka.

Ny tsingerintaona androany dia voamarika ao amin'ny media sosialy ambanin'ny diezy @withSyria [miaraka amin'i Syria] izay mampiseho ireo vahoaka maro mampindrana ny fanohanany amin'ny fanentanana mandrisika ny mpanohana haka ny sarin'izy ireo miaraka amin'ny tanany maka endrika voromailala (mariky ny fandriampahalemana).

Na ny Sekreteram-panjakanan'i Etazonia teo aloha, Madeleine Albright, aza dia manaraka ny vagaon-damasinina ihany koa:

Androany no manamarika ny 5 taonan'ny voina mahazo ny vahoaka Syriana. Mendrika ny fiarovana sy ny fanohanantsika izy ireo. Mijoro miaraka amin'i Syria aho.

Ny hafa mampiasa ny diezy #FIVEyears hiantsoana ny hamaranana ny ady ao Syria:

 

Ary niverina an-dalambe ny Syriana hitaky ny hamerenana ny fireneny sy ny revolisionany. Ny Mpikatroka Hadi Al Abdallah nizara ity sary nalaina androany tao Kafranbel ity:

Tsy ady an-trano. Tsy Krizy, Tsy fifanandrinana. Fa Revolisiona!

Kafranbel, tanàna Syriana kely any Idlib, dia manana fitateram-baovao betsaka hatramin'ny nanombohan'ny revolisiona, noho ireo sary sy lahatsarin'ny mpikatroka ao aminy mizara sora-baventy, tahaka ny iray eto ambony, miteny amin'izao tontolo izao.

Indreto ny sarin'ny Syriana hafa maro avy amin'ny Syriana manao fihetsiketseham-panoherana manerana ny firenena ho fanamarihana ny fahadimy taonan'ny revolisionany:

Mitohy ny tolona Syria fihetsiketsehana manohitra an'i Assad, ny sary tsirairay nalaina dia nalaina avy amin'ny tanàna samihafa 2016/03/11

Mitohy ny tolona Syria fihetsiketsehana manohitra an'i Assad, ny sary tsirairay nalaina dia nalaina avy amin'ny tanàna samihafa 2016/03/11

Mitohy ny tolona Syria fihetsiketsehana manohitra an'i Assad, ny sary tsirairay nalaina dia nalaina avy amin'ny tanàna samihafa 2016/03/11

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.