Olona 19 farafahakeliny, ary vahiny ny 17 no namoy ny ainy raha nanafika ny Mozea Nasionaly Bardo ao afovoan-tanànan'i Tunis ireo lehilahy mitam-piadiana.
Anisan'ireo namoy ny ainy ireo mpizahatany Alemana, Italiana, Espaniola sy Poloney, ankoatra ireo Toniziana roa. Olona 22 hafa kosa no naratra nandritra ny fanafihana. Lehilahy mitam-piadiana roa avy eo no matin'ny mpitandro filaminana.
Notaterin'ireo mpanoratra gazety sy mpiserasera tamin'ny aterineto ny fivoaran'ny tantara haingana, satria fantatra ny antsipirihany tamin'izany. Araka ny tati-baovao, nitranga manodidina ny tamin'ny 12 ora sy sasany atoandro, ora mahabe mpitsidika ny fanafihana raha nipoaka ny basy voalohany. Olona valo no namoy ny ainy voalohany teo am-pidinana ny fiara fitateram-bahoaka hitsidika ny mozea ary 10 hafa indray avy eo no maty rehefa avy natao takalon'aina, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Atitany.
Tafintohina tamin'izany fanafihana izany ny Toniziana.
Nilaza ilay mpanao gazety monina ao Kairo Tamer El-Ghobashy fa ny lapan'ny antenimiera no nokendrena hotafihana tamin'ny voalohany, metatra vitsy miala avy eo amin'ny mozea. Hoy izy nisioka:
Security sources say initial target of attack was Parliament in Tunis. Gunmen attacked tourist buses as guards thwarted them at Assembly
— Tamer El-Ghobashy (@TamerELG) March 18, 2015
Nilaza ny mpitandro ny filaminana fa ny Antenimiera ao Tunis no lasibatra voalohany nokasaina hotafihana. Nanafika ireo fiaram-pitaterana mpizahatany ireo lehilahy mitam-piadiana rehefa voasakan'ireo mpiambiana tao amin'ny Antenimieram-pirenena izy ireo.
Nakatona tanteraka ny parlemanta raha mbola teo am-pivoriana momba ny lalàna miady amin'ny fampihorohoroana.Tao amin'ny Facebook, nizara ity sary ity mampiseho ny solombavambahoaka mihira ny hiram-pirenena Toniziana nandritra ny fanakatonana ny lapa i Christine Patre
Hoy i Petre nanoratra:Words can’t express how sad this is. This was a symbolic attack against democracy (the Parliament) and the economy (the touristic hotspot that is Bardo). But here’s a snippet from today to show you the Tunisia I know, the Tunisians, I know.
After the attack on the Bardo museum, which is situated next door to the Parliament, some of the Parliamentarians at the assembly, who were under an hour long lock-down before being evacuated, began to sing the national anthem and held a speech in defiance to terrorism. The sentiment was clear: “We will continue to fight terrorism!”
A parliamentary hearing about the anti-terrorism law was due to be held today, whether this was linked or not..
Tsy hita izay holazaina hanehoana izao toe-javatra mampalahelo izao. Endrim-panafihana manohitra ny demaokrasia (ny parlemanta) sy ny toe-karena (toeram-pizahantany be olona ao Bardo) izao. Saingy io no sombin-tantara androany mba hampahafantarana anao an'i Tonizia fantatro, sy ny Toniziazna fantatro
Taorian'ny fanafihana tao amin'ny Mozean'i Bardo, miorina eo akaikin'ny Parlemanta, nanomboka nihira ny hiram-pirenena sy nanao kabary mihantsy ny fampihorohoroana ireo solombavambahoaka tao anatin'ny antenimiera, izay nohidiana tao nandritra ny ora maro alohan'ny namoahana azy ireo. Nazava tsara ny fihetseham-po: “Hanohy hiady amin'ny fampihorohoroana isika”
Tokony hotontosaina androany ny fivoriana momba ny lalàna miady amin'ny fampihorohoroana, na misy ifandraisany na tsia ..
Manasokajy ny fanafihana ho goavana indrindra namely ny firenena tao anatin'izay taona vitsy izany ny Toniziana iray, Rabii Kalboussi
The attack is the worst in #Tunisia modern history after the 2002 attack on the Ghriba synagogue in the touristy island of Djerba
— Rabiî Kalboussi (@Rabii_K) March 18, 2015
Ity fanafihana ity no ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'ny Tonizia amin'izao fotoana taorian'ny fanafihana tamin'ny 2002 tao amin'ny sinagôgan'i Ghriba ao amin'ny nosy be mpizahatany ao Djerba
Hoy izy nanampy:
Apparently #Tunisia ‘s lone wolves have waken up shifting tactics from targeting security forces to civilians and the vital tourism sector — Rabiî Kalboussi (@Rabii_K) March 18, 2015
Toa nifoha ireo amboadia manirery ao Tonizia ary niova tetikady amin'ny tsy fikendrena ireo mpitandro filaminana fa ny sehatry ny fizahan-tany izay iankinan'ny ain-dehibe
Nidera ireo manampahefana Toniziana i El-Ghobashy:
The Tunisia attack news is moving quickly, but confirmation of facts by highest level of government there is impressive. — Tamer El-Ghobashy (@TamerELG) March 18, 2015
Mivoatra haingana dia haingana ny vaovao momba ny fanafihana tao Tonizia, saingy mampitolagaga ny fanamafisam-baovao avy amin'ny tompon'andraikitra ambony indrindra ao amin'ny govenemanta.
Rehefa nirotsaka ny aizina tao an-drenivohitra Tonizian, olona an'arivony maro tafintohina no nihaona tao amin'ny lalambe Habib Bourguiba mba hanohitra ny fanafihana
Miventy hoe “Afaka i Tonizia” ireo mpanao fihetsiketsehana. Amin'ny lahatsary iray hafa, miventy hoe “Amin'ny fanahinay, ny rànay, manao sorona ny tenanay ho an'ireo maritiora izahay.”
Ary satria mbola tsy misy vondrona nitaky ho tompon'andraikitry ny fanafihana, dia nilaza ireo mpanohana ny ISIS fa heverina ho avy amin'izy ireo izany. Nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 21.1K i J.M Berger:
ISIS Twitter buzzing over Tunisia, but note they have lately adopted an explicitly articulated strategy of “when in doubt, assume it's us”
— J.M. Berger (@intelwire) March 18, 2015
Nalaza manerana an'i Tonizia ny Twittern'ny ISIS, saingy mariho fa tsy vao haingana izy ireo no nampiasa tetikady mazava tsara hoe “raha misy fisalasalana, dia hevero hoe izahay izany”