Okrainiana Mpanao Gazety Voafonja, Ny Rosiana Mpitandro Filaminana Ao Krime No Maka Am-bavany Azy

Young woman looks at photos at a flashmob for the anniversary of annexation of Crimea by Russia in downtown Kyiv, on February 28, 2015. Photo by Oleg Petrasiuk from Demotix.

Tovovavy mijery ny sarin'ny hetsika tselatra iray tao afovoan-tanànan'i Kiev, tamin'ny 28 Febroary 2015, natao ho fanamarihana ny tsingerintaonan'ny nakàn'i Rosia an'i Krimea. Sary an'i Oleg Petrasiuk tao amin'ny Demotix.

Notanan'ireo manampahefan'ny mpitandro filaminana federaly Rosiana (FSB) tao amin'ny toby Krimeana i Natalya Kokorina, mpamoaka lahatsoratr'ilay hetsika tsy miankina an'ny Ivontoeran'ny Asa Fanaovana Gazety Fanadihadiana nanana ny foibeny ao Simferopol. Notànan'ny FSB tao amin'ny tranon-dray aman-dreniny izy ny 13 Martsa lasa teo, nandritry ny fikarohana iray, ary tsy navela hifandray tamin'i Kokorina ny mpisolovava azy.

Nikaroka tany amin'ny tranon'ny ray aman-drenin'ireo mpanao gazety hafa tsy miankina avy ao amin'ny Simferopol ihany koa ireo mpitandro filaminana Krimeana, Anna Andrievska. Andrievska dia efa mpamoaka lahatsoratra fahiny tao amin'ny Ivontoeran'ny Asa Fanaovana Gazety Fanadihadiana ary mbola mitohy manoratra ho an'ilay ivontoerana, saingy tsy avy ao Kiev, toerana nifindràny taorian'ny nakàn'i Rosia an'i Krimea.

Dmytro Klimkin, minisitry ny raharaha ivelany ao Okraina, Dunja Mijatovic, solontenan'ny media avy amin'ny OSCE, ary ny Kaomity ho Fiarovana ny Mpanao Gazety dia samy nitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro ilay mpanao gazety tsy miankina.

Tokony havotsotra i Ramatoakely Kokorina. Tsy maintsy atsahatr'i Rosia, amin'ny maha-firenena mpanani-bohitra azy, ny fanampenam-bava ny fahalalahana maneho hevitra ao Krimea. #An_i_Okraina_i_Krimea  Izay ihany no tiako hambara.

Manameloka ny hetsika famoretana atao amin'ny mpanao gazety ao #Crimea, #Ukraine; mitaky famotsorana ilay mpanao gazety @investigator_ua

Ora enina taorian'ny fakàna am-bavany azy dia navotsotra i Kokorina, ary nilaza fa amin'ny maha-vavolombelona azy taminà heloka bevava voafaritry ny Artikla 280.1 amin'ny lalàna Rosiana mifehy ny heloka bevava (fiantsoana vahoaka hanao hetsika hanitsakitsaka ny maha-iray tsy mivaky ny tanin'ny Federasiona Rosiana) no nakàna am-bavany azy. Dzhemil Temishev, mpisolovava an'i Kokorina, niteny hoe nifototra tamin'ireo famoahana marobe nalefan'ny Ivontoerana tety anaty serasera ilay fanadihadiana/fakàna am-bavany.

Anna Andrievska koa nanambara tamin'ireo mpanangona vaovao fa nampiseho didy avy amin'ny fitsaràna ao Simferopol  tamin'ny rainy ireo mpampihatra lalàna, izay nilaza fa eo ambany fanadihadiana mikasika heloka beava ny zanany vavy noho ny namoahany “ireo zavatra miaty antso hanonganana ny fanjakana ao Krimea.” Andrievska nilaza fa toa mifamatotra aminà lahatsoratra iray manokana nosoratany tamin'ny 11 Desambra 2012 ary navoakany tao amin'ny tranonkalan'ny Ivontoerana ilay fanenjehana azy noho ny heloka bevava. Ilay lahatsoratra, “Andian-tafika Mpirotsaka an-tSitrapo ao Krimea [Krym],”  dia miteny ny tantaran'ireo mpirotsaka an-tsitrapo nanohana ny andian-tafik'ireo mpirotsaka an-tsitrapo Krym (Krimea) sy ireo andianà Krimeana hafa nitolona toy ny ampahany ao anatin'ny tafika Okrainiana tao atsinanan'i Okraina.

Ny fanitsiana ilay lalàna mamadika ho heloka bevava “ny antso fisaratsarahana atao amin'ny daholobe” dia natsofoka fotoana fohy taorian'ny nakàn'i Rosia ilay saikinosy Krimeana ary manondro fa ireo izay tratra manao ilay heloka dia mety hifonja hatramin'ny 5 taona an-tranomaizina.

Tany am-piandohana ny Ivontoeran'ny Asa Fanaovana Gazety Fanadihadiana dia tao Simferopol no nisy azy, renivohi-paritr'i Krimea voazanaka,  saingy voatery nifindra tao Kiev taorian'ny famelezana sy sotasota nataon'ireo manampahefana tamin'ireo mpitantana ao aminy. Manofana mpanao gazety ilay ivontoerana ary mamoaka tatitra fanadihadiana ao amin'ny tranonkalany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.