Voasambotra Ilay Lehiben'ny Zava-mahadomelina Nokarohina Fatratra Tao Meksika

Detienen a capo mexicano Servando Gomez, alias "La Tuta", en México. Captura de pantalla de YouTube.

Notanana ao Meksika ny Lehiben'ny rongony Meksikana, Servando Gomez, antsoina hoe “La Tuta”. Pikantsarin'ny YouTube. 

Voasambotra tamin'ny 27 Febroary tao amin'ny fanjakan'i Michoacán.i Servando Gómez, La Tuta na El Profe (Ilay Mpampianatra), voalaza fa lehiben'ny fikambanan-jiolahy Meksikana fantatra amin'ny anarana hoe Los Caballeros Templarios (Mpiantsoavalin'ny Tempoly).

Misy ny sasany mihevitra fa anisan'ny ahiahiana karohina fatratra indrindra ao amin'ny firenena i Gómez ary miampanga ny Caballeros Templarios ho nampitombo ny herisetra izay namely an'i Michoacán nandritra ny volana maromaro. (Nitatitra izany herisetra izany ny Global Voices teo aloha.)

Voasambotra i Gomez herintaona taty aorian'ny fisamborana ilay lehilahy tadiavina fatratra manerana izao tontolo izao, lehiben'ny zava-mahadomelina Joaquín Guzmán, fantatra amin'ny hoe El Chapo. Anisan'ireo fikambanan-jiolahy mahery vaika rava nandritra ny fitondran'ny filoha Meksikana  Enrique Peña Nieto ireo fisamborana ireo, ankilan'ny fitànana am-ponja ilay mpitarika sendika Elba Esther Gordillo, La Maestra, izay voampanga ho nandany tsy ara-dalàna ireo famatsiam-bola azony.

Iray andro alohan'ny fisamborana an'i La Tuta, nanoratra izay heverina ho fanombanana mialoha diso tanteraka ilay mpanao gazety Carlos Loret de Mola:

¿Quién es el más buscado de México tras la caída de El Chapo? Algunos podrían pensar que Servando Gómez Martínez La Tuta, líder de la organización criminal de Los Caballeros Templarios. Pero no, esa es quizá la búsqueda más mediática pero no la más relevante. Se sabe por distintas fuentes que La Tuta quedó francamente disminuido, al grado que ya anunció que no mandará más videos… ni siquiera audios con sus comunicados.

Ny “horonan-tsary” nolazain'i Loret  (lahatsary manala-baraka ireo mpanao politika tamin'ny fivoriana miafina tsy ara-dalàna, sy ireo hafatra hoan'ireo tandapa ary ny vahoaka) no fampiasain'ny La Tuta havoaka an-gazety, tamin'izy mbola natanjaka ara-pahefana.

Nitatitra vaovao momba ny fisamborana an'i La Tuta tao amin'ny Twitter ny Onjam-peo Así Las Cosas, ary nanamafy ihany koa ny mbola tsaho teo aloha: Nametra-pialàna ny mpampanoa lalàna Jesús Murillo Karam.

Voapaingotra ny mpampanoa lalàna Murillo Karam noho ny fifandirankevitra mikasika ny andraikiny manoloana ny famotoroana ny herisetra izay nitranga tao Ayotzinapa. (Vakio ny fitantarana manokana ato amin'ny GV.)

Mpisera Twitter Madame Déficit kosa nihevitra fa tafiditra am-ponja ny olon-diso, ary nanoratra fa mbola miriaria any ireo mpanao politika tahaka ny Governora Ángel Aguirre, izay nametra-pialana noho ny raharaha Ayotzinapa raha any am-ponja kosa ireo mpanao heloka bevava hafa.

Nanamarika ny fotoana mahalasa saina nisamborana an'i La Tuta, izay nitranga volana vitsy alohan'ny fifidianana tao Meksika ilay mpisera Twitter Luis Díaz.

Tao anatin'ny ora vitsy, nanao fanambarana ofisialy ny manampahefana Meksikana, nanamafy ny fisamborana ity lehiben'ny zava-mahadomelina malaza ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.