Nomelohin'i Ejypta Ho Faty Ireo Mpomba Ny Mpirahalahy Miozolomana 529

A state-of-the-art execution machine designed by @Ternz to help Egypt execute 529 Muslim Brotherhood supporters

Milina fanapahan-doha noforonin'i @Ternz mba hanampiana an'i Ejypta hamono ho faty ireo mpomba ny mpirahalahy Miozolomana.

Nomelohin'i Ejypta ho faty ireo mpanohana ny mpirahalahy Miozolomana miisa 529 androany 24 marsa, noho ny fandraisan'izy ireo anjara taminà fikomiana feno herisetra tao Minya, tao Ejypta, tamin'ny volana Aogositra tamin'ny taon-dasa.

Nipoaka ny fikomiana taorian'ny famoretana ireo fihetsiketseham-panohanana ny filoha voahongana Mohammed Morsi, lehiben'ny Mpirahalahy Miozolomana, ka mpanohana an-jatony no namoy ny ainy tamin'izany.

Polisy manampahefana iray no namoy ny nandritra ny rotaka tao Minya – heloka izay naha-voampanga ireo 529.

Noraisina am-pahatezerana na am-pifaliana ilay didim-pitsarana , iray amin'ireo fanamelohana goavana ho faty eo amin'ny tantara maoderina,tao Ejypta ka miompana amin'ny sehatra politika no niavian'ireo fanehoan-kevitra. Mampahafantatra izany eto ny Mada Masr.

Nilaza ilay bilaogera Ejypsiana Zeinobia fa ity didim-pitsarana ity, izay tokony andrasana hivoaka amin'ny 28 Aprily ny didim-pitsarana farany, no namaky ny zavabita vaovao manerantany.

Hoy izy nanazava :

We got the highest number of HCV [Hepatitis C] patients in the world , we got the highest rate of sexual harassment in the world and today we broke a record in a mass-death sentence by a court in one single case !!
I am speaking about the historical court rule of Minya criminal court against 529 defendants , yup the one which the whole world is speaking about.

Isika no manana isa avo indrindra manerantany amin'ny aretina HVC [Hépatite C], isika no manana taha ambony indrindra manerantany amin'ny herisetra ara-nofo, ary ankehitriny isika no tompondaka amin'ny fanamelohana ho faty faobe navoakan'ny fitsarana taminà raharaham-pitsarana tokana!!
Miresaka momba ny didim-pitsarana manatantara navoakan'ny fitsarana heloka bevava hoan'ireo voampanga 529 tao Minya aho, eny iray amin'ireo vaovao izay resahan'izao tontolo izao.

Zeinobia nanampy hoe:

I will speak about fact here :

529 defendants were sentenced to death and 15 were acquitted in the Rabaa dispersal aftermath in Minya trial.
139 were detained in the case while the rest were either released on bail or on the run.
Only 51 defendants attended the trial because the space could not hold more defendants.
The trial started on Saturday and ended on Monday.
The lawyers of the defendants demanded to replace the Judges panel but their request was rejected.
The lawyers of the defendants “not in absentia” were not allowed to defend their defendants !!
The 529 defendants are accused of killing deputy Sheriff Mostafa El Attar of Matay Police Station !!
This is the biggest mass death sentence in the history of Egyptian judiciary.

Hiresaka momba ny zava-nitranga aho :

Voampanga 529 no nomelohina ho faty ary 15 afaka madiodio tamin'ny raharaha famoretana tao Rabaa nandritra ny fotoam-pitsarana tao Minya .
139 no notànana tamin'izany raharaha izany, ny ambiny kosa noafahana rehefa nandòa vola na koa nitsoaka.
Voampanga 51 ihany no nanatrika ny fotoam-pitsarana satria tsy omby ireo voampanga marobe ny efi-pitsarana.
Nanomboka tamin'ny Asabotsy ny fotoam-pitsarana ary nifarana tamin'ny Alatsinainy.
Nitaky fanovàna mpitsara ireo mpisolovavan'ireo voampanga saingy nolavina izany fitakian'izy ireo izany.
Tsy nahazo alalana hiaro ny mpanjifany ireo mpisolovavan'ireo voampanga “tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana” !!
Voampanga ho namono ny Sheriff lefitry ny polisy, Mostafa El Attar avy ao amin'ny Tobin'ny polisy Matay ireo voampanga 529 !!
Ity no fanamelohana ho faty gaovana indrindra teo amin'ny tantaran'ny fitsarana Ejypsiana.

Mpanao gazety monina ao Ejypta, Bel Trew nanontany hoe:

Tsy mety takatry ny saiko ny fomba hanapahana ny lohan'ireo olona 529. Raha 5 minitra isan'olona, mandritra ny 44 ora mahery ny famonoana tsy mihato

Nanome vahaolana ilay Ejypsiana @Ternz, izay niaiky fa vao roa herinandro izy izay no nanomboka nanao sary: milina famonoana avo-lenta.

Hoy izy nanazava [ar]:

Raha nipetrapetraka hanokatra ny saiko, nanontany tena hoe: Ahoana no fomba hanompoako tsara ny fireneko? Ahoana no hahazoako tombotsoa sy hanampiana azy? Avy eo noraisiko ny penina ary nanao sarinà milina ilain'i Ejypta amin'ity tranga ity aho

Ka ity ny sanganasany:

Ity ny fandraisana anjara avy aty amiko, ho fanatanterahana tsara ilay didim-pitsarana fanamelohana ho faty, mino aho fa mahaliana ireo manam-pahefana ity fitaovana ity. Milina fafamonoana hiaka farany izy ity.

Nandritra izany, mpanao gazety monina ao UK Inigo Gilmore namehy hoe:

Mila ireo mpizaha tany hiverina i Ejypta, satria managadra ireo mpanao gazety tahaka ny biby izany ary miampanga olona 100 hafa mba homelohina ho faty aminà saritsarim-pitsarana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.