Tampenan'i Rosia ny Vavahadin-Tseraseran'ny Mpanohitra Miisa Efatra

RIP RuNet. Images remixed by Kevin Rothrock.

RIP RuNet (Mandria Am-piadanana RuNet). Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Tonga ao an-trano indray ny fanapenam-bavan'ny Internet Rosiana. Nandritra ny herintaona ny RuNet Echo no efa nanoratra betsaka momba ny fametrahana amin'ny fomba tsikelikely ny lalàna sy fitsipika ahafahan'ny governemanta Rosiana manakana tsy mila didim-pitsarana ny loharanom-baovao amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny Mpanome Tolotra Internet (MTI) Rosiana. Tamin'ny 13 Marsa 2014 ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana no nanome baiko [ru] ny Roskomnadzor (fahefana Rosiana mpandamina ny media) hampiditra tranonkala efatra ho ao anatin'ny lisitry ny tranonkala hosakanana, ireo lazaina ho “lisitra maintin'ny” Internet. 

Ny telo amin'ireo tranonkala nosakanana ireo dia vavahadin-tseraseram-baovaon'ny mpanohitra Kasparov.ru (natsangan'i Garry Kasparov), Grani.ru, ary ny EJ.ru. Ny antony voalaza dia izao manaraka izao:

Указанные сайты содержат призывы к противоправной деятельности и участию в массовых мероприятиях, проводимых с нарушением установленного порядка.

Ireo tranonkala voalaza ireo dia miaty fiantsoana hanao zavatra tsy ara-dalàna sy handray anjara amin'ny hetsika ataon'olona maro mifanohitra amin'ny filaminam-bahoaka.

Araka ny Kasparov.ru [ru], ny zavatra tsy ara-dalàna voatondro manokana eto dia tsy isalasalana fa mifandraika amin'ny antso hanatrehana “hetsi-panoherana tsy nahazoana alalana.” [Naotin'ny mpandika amin'ny teny frantsay : indrindra fa ny fihetsiketsehana hotontosaina ny andron'ny 15 marsa].

Voatampin-bava tahaka izany ihany koa ny bilaogy manokan'ny mpitarika ao amin'ny fanoherana Alexey Navalny, izay tsy mahazo mivoaka ny trano amin'izao fotoana izao noho ny filazana fa nanitsakitsaka didim-pitsarana (tsy tokony hahazo hivoaka an'i Moskoa izy noho ny fanadihadiana azy amin'ny raharaha fanodikodinam-bola). Noankohitrin'ny vadiny ny bilaogin'i Navalny nandritra ny fotoana nisaziany, eny fa na dia heverina ho tsy mahazo mifandray amin'ny na iza na iza aza izy mandritra ny fotoana tsy ahazoany mivoaka ny trano itazonana azy, araka ny tononin'ny Roskomnadzor:

Функционирование данной интернет-страницы нарушает положения судебного решения об избрании меры пресечения гражданину, в отношении которого возбуждено уголовное дело.

Manitsakitsaka ny fanapaha-kevitry ny fitsarana mametra ny zavatra azon'ny olona iray mbola hadihadiana amin'ny heloka bevava ny mbola hihodinan'i pejy web io

Na dia efa mandeha aza ny fanapenam-bava, dia mbola tsy hita ao amin'ny Rejisitra Tokan'ny [ru] tranonkala tampenam-bava ireo pejin-tranonkala ireo, rejisitra tantanin'ny Roskomnadzor. Ireo vavahadin-tserasera telo voalohany voatonona ireo anefa, na izany aza, dia hita ao amin'ny lisitra tsy ofisialin'ny Antizapret.info [ru]:

The Registry of Blocked Websites. Screenshot. March 13, 2014.

Rejisitry ny haba-tranonkala tampenam-bava. Pikantsary. 13 Marsa 2014.

Efa nahatsikaritra ny fanapenam-bava ny bilaogera. Iray tamin'ny nahita voalohany ny mpanao gazety Oleg Kashin, izay nanontany [ru] ny namany ao amin'ny Facebook raha manana olana amin'ny fidirana ireo haba-tranonkala ireo ry zareo. 100 no namaly, nampiseho pikantsary ary milaza ny Mpanome Tolotra Internet (MTI) ampiasain-dry zareo. Ho an'ny sasany amin'izy ireo, dia hita taratra fa efa mipetaka ny fanapenam-bava, tratra ihany ny ankamaroany na izany aza. Nanontany ny mpamakiny ihany koa ny Grani.ru hahafantarany hoe amin'ny endrika manao ahoana ilay fanapenana raha jerena any amin-dry zareo. Namaly tamin'ny alalan'ny pikantsary ny bilaogera Victor Korb:

Navalny (na ny vadiny) ihany koa dia namoaka [ru] ny vaovao tao amin'ny bilaoginy, izay nofeheziny amin'ny hoe “Tsy fantatro akory raha mbola misy mamaky ity zavatra ity”.

Nanoratra [ru] Kashin taty aoriandriana :

Так завтра твиттер выключат и все. Что делать-то, ке фер?

Izany hoe, rahampitso ry zareo hanidy ny Twitter, ary dia izay no izy. Inona no atao, que faire? 

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, tamin'ny 12 Marsa, ny mpanangona Tweet tjournal.ru dia nitatitra [ru] fa efa notampenan'ny Roskmonadzor lalana [any Rosia] ny haba-tranonkalam-betaveta Pornhub.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.