
Fihetsiketsehana anisan'ny lehibe indrindra, Santiago de Chile. Sary avy amin'ny @SorayaSM
Amin'ilay teny filamatra ” Hetsiky ny fitakiana rehetra tafavondrona”, fikambanana sivily maherin'ny 40 (ankoatra ireo mpianatra [es] ) no nanatevin-daharana ny ‘Diabe Goavana Indrindra’ [es] izay nifamorian'ireo olona an-hetsiny tao Santiago mba hitaky ny fanitsiana lalàmpanorenana amin'ny alalan'ny antenimieran-dalàmpanorenana.
Ny fiantsoana ity hetsika ity tamin'ny Alahady 22 Marsa dia ny hampivondronana ny fiarahamonim-pirenena mba hanao fanangonan-tsonia alefa any amin'ny governemantan'i Michelle Bachelet ho fanovana ny Lalàmpanorenana politika ankehitriny ao Chile, izay nolaniana nandritra ny didy jadona miaramilan'i Augusto Pinochet. Ny votoatin'ilay lalàmpanorenana no mametraka olana, satria ahitana foto-kevitra afaka mametra ny hetsika demaokratikan'ny fiarahamonim-pirenena amin'izao fotoana.
Ahitàna lisitra fitakiana lavabe ao amin'ilay fanangonan-tsonia, ka anisan'izany ny: ny fahafahan'ny olona teratany manapa-kevitra samirery- fampianarana maimai-poana sy tsara kalitao, lalàna vaovao mifehy ny asa, zo hoan'ireo mpifindra-monina sy fandaminana ara-pitsipika ny fifindra-monina; fanambadiana mitovy afa-managa-jaza, zo hanala zaza ara-pitsaboana, politika vaovao momba ny fanafody, fitsaboana sahaza sy tsara kalitao, zo hoan'ireo mpanakanto Shiliana; Patagonia tsy misy tohodrano, ary fandriampahalemana milamina.

Fihetsiketsehana lehibe indrindra, Santiago de Chile. Sary avy amin'ny @SorayaSM
Anisany hita ao amin'ilay fanangonan-tsonia ihany koa ny zon'Olombelona iraisampirenena. Nilaza momba izany tamin'ny Global Voices i David Órdenes, mpandritra ny Movimiento Movilizándonos [es], fa mitaky lalàna momba ny zon'Olombelona iraisampirenena izay miompana indrindra amin'ny ankizy sy ny tanora ry zareo, “ka manomboka izao, hanome izay ilain'ireo ankizy ity fiarahamonina ity, satria mpandray anjara amin'ny demaokrasia sy ny sosialy izy ireo… ka misy idiran'ny Diabe Goavana Indrindra ny fahafantarana fa mandinika sy manome sosokevitra isika”.
Nizotra nilamina hatramin'ny farany ny diabe goavana, rehefa nisy ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana.
Indreto sombiny tamin'ireo sioka mikasika ny tontolo andro:
En la GIGANTESCA …Marcha de Todas las Marchas #marchadetodaslasmarchas pic.twitter.com/pdnMcbshAK
— Raúl Zorrilla Ovalle (@raulguillermo62) March 22, 2014
Ao amin'ny GOAVAMBE…Diabe goavana indrindra.
En la #marchadetodaslasmarchas estaban las causas que caben en una constitución de todos y todas, hija de una #AsambleaConstituyente
— La desvergonzada (@eLe_enLetras) March 22, 2014
Ao amin'ny Diabe goavana indrindra no mitoetra ny fitakiana mety amin'ny lalàmpanorenana hoan'ny daholobe, zanaka vavin'ny antenimieran-dalàmpanorenana
[16:20] @Movilh cifra en 150000 personas las convocadas en Santiago tras #MarchaDeTodasLasMarchas (@raulguillermo62) pic.twitter.com/srogXdPgdT
— Grupo Wurtlitzer ™ (@GrupoWurtlitzer) March 22, 2014
[16:20] Notombanan'i @Movilh [es ] eo amin'ny 150 000 eo ireo olona mitangorona ao Santiago manatevin-daharana ny Diabe goavana indrindra
A mi nadie me contó,yo estaba allí, había paz y llegaron los pacos con el guanaco sin haber provocación. #marchadetodaslasmarchas
— Nish (@DenisseNish) March 22, 2014
Tsy olona no nilaza tamiko, tany aho, nilamina tany kanefa tonga ny polisy miaraka amin'ny tafondron-drano tsy niteraka korontana.
Azonao jerena amin'ny alalan'ny diezy Twitter #lamarchadetodaslasmarchas ireo sioka marobe momba ny fihetsiketsehana.