
Tao amin'ny Twitter, @fooqalsada nizara ity sariitatr'ilay Solombavambahoaka Jordaniana Sharif ity, izay nitifitra ny mpiara-miasa aminy tamin'ny basy Kalashnikov taorian'ny adihevitra androany. Tsy nisy ny olona naratra
Mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Jordaniana no nitifitra solombavambahoaka iray nandritra ny fotoa-pivoriana androany. Tsy nisy ny olona naratra tao anatin'izany korontana izany – tranga hafa indray ity taorian'ilay tranga fifampitorahana kiraro sy tavoahangin-drano nataon'ireo solombavambahoaka.
Mpanao gazety Palestiniana Daoud Kuttab nizara lahatsarin'ny fitifirana, izay voalaza fa nitranga tao amin'ny efitra malalaka eo ivelany, nandritra ny fotoam-pivorian'ny Antenimiera androany. Mazava tsara ao anatin'ny lahatsary ny fipoakan'ilay basy Ak-47 nitifirana:
Video of the shooting in parliament @AmmanNet فيديو// اطلاق النار تحت القبة http://t.co/8LqzEMmqcK #الاردن #مجلس_17
— Daoud Kuttab (@daoudkuttab) September 10, 2013
Lahatsarin'ny fitifirana tao amin'ny Antenimiera @AmmanNet فيديو// اطلاق النار تحت القبة http://t.co/8LqzEMmqcK #الاردن #مجلس_17
Hoy izy nanazava tsara:
The #jo parliament shooting was done by 33 yr old Tallal Sharif using a AK Klashinkoff that he brought from his car http://t.co/8LqzEMmqcK
— Daoud Kuttab (@daoudkuttab) September 10, 2013
Talla Sharif 33 taona no nanao ilay fitifirana tao amin'ny antenimiera #jo [jordaniana] ka basy AK Klashinkoff nalainy avy ao anaty fiara no nampiasainy tamin'izany http://t.co/8LqzEMmqcK de voiture
Hoy izy nanampy:
134 out of 136 MPs presented voted to dismiss MP Tallal Sharif who fired his Klashkinoff inside #jo Parliament bldng http://t.co/rTnBliI0sQ
— Daoud Kuttab (@daoudkuttab) September 10, 2013
Solombavambahoaka 134 tamin'ireo 136 no nifidy ny handroahana ilay solombavambahoaka Tallal Sharif izay nitifitra tamin'ny Klashkinoff tao anatin'ny lapan'ny antenimiera #jo http://t.co/rTnBliI0sQ
Kristen McTighe nanontany ny fomba nahazoan'ilay Solombavambahoaka mitondra Kalashnikov ao anatin'ny antenimiera:
Begs to question, how does someone get into parliament with a Kalashnikov? #Jordan
— Kristen McTighe (@KristenMcTighe) September 10, 2013
Fanontaniana, ahoana no fomba hidiran'ny olona ao amin'ny antenimiera miaraka amin'ny basy Kalachnikov? #Jordan
Jordaniana Yasmina Alnasser nanao fanontaniana hafa [ar]:
Do think that wild animals should be kept in a zoo? طيب النواب ليش برا؟ #نواب #الاردن #jordan
— ياسمينة YasminA (@YasminaAlnasser) September 10, 2013
Mieritreritra ve [ianao] fa tokony hotazomina ao anaty karakaram-biby [zoo] ny bibidia? Ahoana indray ny ataon'ny Solombavambahoaka ivelan[‘ny zoo]?
Jordaniana Ali Dahmash nanampy hoe:
عزيزي مجلس النواب المنتخب: مبروك الكلاشنكوف، ما تنسوا تصفوا بعضكم قبل يوم الخميس علشان نرتاح وشكرا. المخلص، المواطن المعتر #الاردن
— Ali Dahmash (@AliDahmash) September 10, 2013
Ry namana solombavambahoaka voafidy ao amin'ny antenimiera, Arahaba amin'ilay Kalashnikov. Aza adinoina ny mifamono alohan'ny Alakamisy, amin'izay afaka maka aina izahay. Misaotra, ny olom-pirenena
Avy ao Bahrain, bilaogera Eyad Ebrahim namariparitra ny zava-nitranga ho mahafinaritra – “mahafinaritra fotsiny”:
Jordanian MP's shooting at each other, awesome, just awesome.
— إياد Eyad (@eyade) September 10, 2013
Solombavambahoaka Jordaniana mifampitifitra, mahafinaritra, mahafinaritra fotsiny