Rivo-Doza ‘Manuel’ Manafo-Drano An'i Acapulco

Nataon'ny rivo-doza Manuel safo-drano sy mitoka-monina tanteraka ny seranana manan-tantaran'i Acapulco sy ny ampahany betsaka amin'ny fanjakan'i Guerrero.

Iray amin'ireo toerana tsara falehan'ny mpizaha tany i Acapulco. Mpizaha tany 40.000 no mihitsoka miandry ny fisokafan'ny làlana amin'izao fotoana izao. Ankoatra izay, 34 no maty ary an'arivony ireo tra-boina araka ny tatitra. Miangavy “faharetana” amin'ny vahoaka izay efa mitady fanampiana ireo manam-pahefana

Mikatona ny Sol sy ny làlambe migodàna mankany Mexico City noho ny fihotsahan'ny tany sy ny fotaka. etsy andanin'izany mikatona noho ny safo-drano mianjady amin'ny foto-drafitrasany sy ny fahavoazan'ny herinaratra ny seranam-piaramanidina ao an-toerana.

Izao no nolazain'i Luis Walton Aburto, ben'ny tanànan'i Acapulco:

“Hoy consideramos que el 50% de las colonias de Acapulco están inundadas y sigue lloviendo. Para llegar al área Diamante hay lugares que tienen hasta tres y cuatro metros de agua y no se puede ingresar, además de la corriente que impide transitar. Se está comenzando a pasar alimento por carros militares y helicópteros”

Inoantsika fa androany dia ny  50%-n'ny velaran'i Acapulco no safo-drano nefa mbola mitohy ny orana. Mba hahatongavana eny amin'i Diamante, misy toerana izay telo na efatra metatra no haavon'ny rano ary tsy azo atao ny mankany, fanampin'izany manakana ny fihetsehana ny hamafin'ny rano. Manomboka taterina amin'ny fiaran'ny tafika sy ny angidimby ny sakafo.

Zarainay eto ireo bitsika sy sary sasany avy amin'ireo mpibitsika mila vonjy, mampahafantatra vaovao, na mampiseho ny drafitra mahantran'ny fanavaozana ny seranana ary ny fanjakan'i Guerrero, sy ireo vokany.

Manangana foto-drafitrasa eny amin'ny honahona, ala ary havoana kely ry zareo ary mizaka ny vokany izy izao.

Alaivo sary an-tsaina fotsiny hoe tahàka ny ahoana izany ireo vondrom-piaraha-monina hafa raha toy izay i  Acapulco, izay mbola azo leferina ny faharavan'ny foto-drafitrasa raha oharina amin'ny an'i  Guerrero.

Rava i Acapulco, tanàna 41 safo-drano.

Lehibe ny fitiavan'ity olona ity an'i  Acapulco!

Nolazaina tamiko fa misy olona mihitsoka any COLOSIO ampio izahay miaraka amin'ny lapelina, lapika, fandraka ary maritoa

Mila fanafody fandroahana bibikely, lafika, fanafody ary sakafo ho an'olona 1500 izay mialoka any COLOSIO, Acapulco izahay. Avelao eo amin'ny seranana marques ireo RT (avereno bitsihana)

Fanamafisana amin'ny minitra farany. Ho maimaim-poana ny alin'ny Alatsinainy any Acapullco ho an'ireo mpizaha tany, araka ny fanamafisana nataon'i @peraltanet71, Sekretera Monisipalin'ny Fizahan-tany.

sarin'ireo vahiny mitaraina ao amin'ny trano fandriam-bahinin'i Calinda any Acapulco (16 Septambra amin'ny 11 ora maraina eo ho eo)

Ny sasany indray dia te-hampiseho tsotra izao amin'izao tontolo izao ny faharavana navelan'i “Manuel”, tsy ao  Acapulco irery ihany fa amin'ny fanjakan'i Guerrero [es] manontolo mihitsy.

mihidy ny làlana federaly mankany Acapulco, eo amin'i Petaquillas.

mitambatra ny renirano sy ny ranomasina any amin'ny faritr'i La Condesa. Sarin'ny làlana avy any amin'ny trano fandriam-bahiny Emporiol.

Ho tena lava ny alina ho an'ny olona sasany @lopezdoriga ny herin'ny natiora

Fahitàna ny ampahan-dàlana mampitohy an'i Chilpancingo sy Iguala tsy afa-miasa. Rava eo amin'i Cañada del Zopilote

Zarain'i  Freesiithaww Hdezzs ao amin'ny YouTube ity lahatsary manaraka avy any Acapulco ity:

Mizara sary maro momba ny faritra ny Televisa [es].

Manangona ireo tatitra mikasika ny olona tsy hita sy hita any Acapulco ny bilaogy Acapulco Busca .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.