Tantara mikasika ny Romania
Hainahandro nentindrazana Bolgara, fomba iray hamerenana indray ny tsiaro ara-kolontsaina: ireo ahitra dia
Ramatoa telo avy amin'ny lafivalon'i Bolgaria fa manana zavatra iraisany: mino ny antso azony izy ireo, dia ny hitahiry ny lovan'ny hainahandro ao an-toerana ho toy ny ampahany amin'ny maripamantarana iraisan'ny rehetra
Andro Fahatsiarovana Erantany ilay Famonoana Faobe : Auschwitz an-tsary
Navadiky ny tahiry an-tambajotra "Znaci.net" ho nomerika ireo saripika marobe tao Auschwitz avy amin'ireo tranombakoka isankarazany tao Yogoslavia fahiny. Izy ireny no milaza ny tantara, ankoatra ireo zavatra hafa, momba ny fianakaviana Mandić, gadra avy any Kroasia.
Ry Vaomiera Eoropeana ô: Aza avela hampiasa ny tahirinay mba hanodikodinana vato ireo antoko politika ireo
Amin'ny toe-javatra sasany, raha tokony hiaro ny zon'ny tsirairay, dia mametra ny fahalalahana maneho hevitra, manimba ny tsiambaratelo, ary manome vahana ny fanapariahana vaovao diso ireo fiavahana ireo.
Romania: Fihaonamben'ny NATO sy Fifamoivoizana ao Bucharest
"Taorian'ny nihainoako ny tatitra mahakivy momba ny fifamoivoizana maraina tamin'ny onjampeo, gaga aho raha nahita fa malalaka nóho ny andavanandro ny làlana (toy ny amin'ny Alahady mangingina)", hoy ny tatitry ny bilaogera Romanina iray momba ny fifamoivoizana ao Bucharest amin'ny andro voalohan'ny Fihaonamben'ny NATO.
Tsy ampy ny mpitsabo zaza ao Romania, mitsangana ny saina menan'ny faharatsian'ny rafi-pitsaboana
Hopitaly maro an-tanandehibe ivelan'i Bucharest renivohitra no zara raha misy pediàtira (mpitsabo zaza) iray miasa. Rehefa miala sasatra ireny, dia tsy maintsy mikatona ny sampana satria sarotra dia sarotra ny hanoloana azy.
Nankatoavin'ny UNESCO Ho Vakoka Ara-kolontsaina Ilay Andron'ny Renibe Volana Martsa, Fomba Amam-panao Iray Ao Balkana
Nankalaza ny fankatoavan'ny UNESCO ilay fomba amam-panao amin'ny Andron'ny Renibe Volana Martsa ao Balkana amin'ny fanaovana firavaka mena sy fotsy vita amin'ny volon'ondry ireo mpikatroky ny vakoka ara-kolontsaina any Atsimo Atsinanan'i Eoropa .
Tafiditra Tao Anatin'ireo Bilaogy Tsara Indrindra Erantany Ny Rising Voices
Voafidy ho an'ny "Fifaninana Bilaogy Tsara Indrindra" (BOB) tamin'ny sokajy "Weblog Tsara Indrindra" ny Rising Voices, tetikasa fampahalalam-baovaon'olon-tsotra Global Voices tamin'ny taona 2008
Romania: Mihira Ny Noely
"Fahatsiarovana avy any Romania: Tamin'ny andro farany nijanonako tao [ Onesti ], maro tamin'ireo mpianatra no tonga tao amin'ny" Cancelarie "(efitranon'ny mpiasa) mba hihira ireo hiran'ny noely ho an'ny mpampianatra. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe efa niomana ny hanao izany izy ireo, tena fahatsiarovana mahafinaritra tsy hay hadinoina :) "- avy amin'ny L-plate big cheese
Mikatsaka Ny Hamerina Hamaritra ny Atao Hoe Fianakaviana i Romania
Fa araky ny fisehon'ny fitombon'ny isan'ny ankizy nilaozan'ireo ray aman-dreniny hiasa any ivelany, no hamerenan'ny tsindry ara-toekarena sahady ireo fitsipika.
Hetsipanoherana Manohitra ny Kolikoly Ao Romania Sy Ny Vesatry ny Henatra
Na rakotry ny henatra manarona ny firenena aza, nandritry ny andro maromaro i Romania dia toerana iray nanainga fanahy, satria nidina an'arabe ny olona ary niaky ny fisian'ny kolikoly miely patrana.