Miomana Ho Amin'ny Hetsika Fanapoaham-Bilany Manerana Ny Firenena i Kolombia

Nikasa hanatontosa ny “cacerolazo” nasionaly ny Kolombiana ny andron'ny 4 Septambra 2013 ary manomboka amin'ny enina ora hariva izany . Ny cacerolazo dia endri-panoheram-bahoaka izay anehoan'ny vahoaka ny fitakiany amin'ny lohahevitra iray amin'ny fitabatabàna sy ny fikapokapoham-bilany (cacerolas), lapoaly ary fitaovana hafa ao an-dakozia, na fitaovana hafa manome feo.

Tamin'ny fampiasana ny teny ifankafantarana #CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] ao amin'ny Twitter ny mpisera no mampiseho ny antony hidinany an-dalambe.

Manasa ny hanaovana ny hetsikay miainga avy ao amin'ny virtoaly mankamin'ny hita maso andavanandro i Paola Ochoa:

#CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] hetsika maro kokoa eny an-dalambe ary vitsivitsy kokoa ato amin'ny Twitter

Milaza ny heviny manantena ny hisian'ny firenena anjakan'ny rariny kokoa i Tefy:

#CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] tanindrazana marina kokoa

Mandritra izany fotoana izany i Tatu García miady hevitra amin'ny fahamendrehan'ny fiaraha-monina Kolombiana:

#CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] hajan'ny vahoakako

Manamarika ny tsy fankatoavany ny ezaka sy ny tetipanoron'ny governemanta i Santiago:

#CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] tsy fahaiza-mitondran'i Santos sy ny fandohalehana manoloana ny ampira sy ny orinasa marorantsana [orita]

Ary milaza i Stephanie fa ny fandraisana anjara amin'ny “cacerolazo” dia fihetsika ho firaisan-kina amin'ny tantsahan'ny firenena, izay nanao fitokonana hatramin'ny 19 Aogositra:

Izao no fotoana iaraha-mientana amin'ny tantsaha sy ny tolony ara-drariny, mialà eo amin'ny efijery ka mijery ny zavamisy HO ELA VELONA NY TOLONA ARA-PIZAKANTANY

Ho an'i Camila Andrea, ny fihetsiketseha-panoherana dia antso ho fiasana ho amin'ny fanatsarana ny firenena:

#CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] mba hananana firenena tsara kokoa ho an'ny rehetra sy ny vahoaka rahatrizay!!

Ary ao amin'ny hevitr'i Catalina Gualdron, ny hetsika dia hamarinin'ny fahasarota-piainana andavanandro ao Kolombia:

#CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] Firenena henika fikarakarana mahatsiravina eo amin'ny fitsaboana, fanabeazana, fambolena… #YaEsHora Fotoana izao ho amin'ny fiovana!

Na izany aza, mino i Juan Sebastián fa misioka fotsiny momba ny cacerolazo ny olona mba hahatonga ny tweet ataony ho “favori” [tiavina manokana]:

#CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] Tsy ampy “favori” (?).

Farany, nizara ity afisy ity ny kaontin'i Fuerza Común:

#CacerolazoPor [Fivelesam-bilany ho amin'ny] ny arabe, manavatsava lalana fandehanana an-tongotra. Mivoaka isika hanohitra ny politika manendana amin'i Kolombia ny zavatra rehetra @PaisComun pic.twitter.com/VPDZuoE3gM

Aza miala raha hamaky ny lahatsoratra momba ny fitokonan'ny tantsaha tao Kolombia, izay efa 17 andro no nanatontosana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.