Tantara mikasika ny Rosia
Nanakatona ny departemanta siansa politika ao aminy ny iray amin'ny oniversite liberaly ao Rosia
Rehefa tonga ny fanafihana feno an'i Okraina tamin'ny Febroary 2022, maro amin'ireo oniversite liam-pandrosoana teo aloha no nandray fepetram-politika fandalàna nentin-drazana noho ny faneren'ny fanjakana na noho ny fanapahan-keviny manokana
Tiorkia, manatevina ny laharan'ireo firenena mihevitra hametraka lalàna momba ny olon'ny avy any ivelany (mpitsikilo)
Mihevitra hampandany lalàna momba ireo mpitsikilon'ny avy any ivelany i Tiorkia, izay naroso tao anatin'ny fehezam-pitsaràna faha-9
Koryo-saram: Ny tantara lava sy mampalahelon'ireo Koreàna tao Rosia
Raha mifanatona ireo roa mpanao jadona, dia zava-dehibe kosa ny mampahatsiahy ny tantara mampalahelon'ireo Koreàna tao Rosia fony fitondran'ny Tsar, avy eo Sôvietika
Rosiana LGBTQ+ mpikatroka nanatrika ny diabem-pireharehana tao Moldavia
Araka ny mpikarakara dia io no diabe nahavory olona indrindra teo amin'ny tantaran'i Moldavia, nahazo mpandray anjara mihoatra ny 800
Ahoana no handanjalanjan'i Shina ny fifandraisana amin'ny Rosiana sy amin'ny Eoropeana taorian'ny Vovonan'ny Fandriampahalemana tany Soisa?
Niantso fifampiresahana hafa momba ny fandriampahalemana i Shina taorian'ny Fihaonambe Soisa, saingy tsy manana marimaritra iraisana amin'ny fihaonana i Rosia sy Okraina.
Pretra Orthodoksa iray ao Kazakhstan miezaka manokatra fiangonana iray tsy miankina amin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana
Ny manahirana raha jerena ny lalànan'i Kazakhstan, voarara ny mitory sy ny manao asa misiona raha tsy mbola nisoratra anarana.
Mpikatroka iray nandika ny Minecraft, manga, sy Harry Potter avy amin'ny teny Rosiana ho amin'ny fiteny Chuvash
Nihamafy vao haingana ny fahalianana amin'ny fiteny indizeny any amin'ny repoblika sasany ao Rosia. Mipoitra amin'ny media sosialy isan-karazany ny vondrom-piarahamonina, manampy amin'ny fianarana ny fiteny sy mampiasa azy ireny amin'ny fiainana andavanandro.
Niverina indray ny fifandraisan'i Centrafrique sy Frantsa na eo aza ny fisian'ireo miaramila rosiàna
Taorian'ny fitsaharany tamin'ny 2018, taorian'ny nahatongavan'ireo tarika miaramila rosiàna "Wagner" tao Centrafrique, niverina nifampiresaka i Parisy sy Banqui ary nanambara dingana iray vaovao amin'ny fiarahan'izy ireo miasa
Diapora rosiàna nanatevina laharana ireo fihetsiketsehana erantany nanamarihana ny tsingerintaona voalohan'ny fananiham-bohitry ny Rosiàna any Okraina
Ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohany an'ilay fananiham-bohitra rosiàna tao Okraina, miditra an-tsehatra amin'ireo hetsipanoherana imasom-bahoaka maneran-tany ireo Rosiàna any am-pielezana, indrindra fa ireo ao Berlin sy Prague
Loka, fitafy maka tahaka, sy fialamboly miavaka hafa nandritra ny fifidianana sarintsariny nataon'i Poutine
Mila olona hakany amin’ny biraom-pifidianana ny fitondrana ankehitriny mba hanehoana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ao anatin'ny firenena. Nitady fomba hanaovana 'fialam-boly' izay hahasarika ny olona hifidy noho izany ireo manampahefana.