Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Myanmar: rivo-mahery vaika nandrava an'i Mandalay

MgHla no nanoratra tamin'ny 6 May 2009 fa nandravarava an'i Mandalay, renivohitra fahatelo any Myanmar ny tadio.

Photo from the blog of MgHla

Sary avy amin'ny bolongan'i MgHla

Hoy izy nanoratra:

“After I attended a seminar, I came back to the office around 4pm. On the way, I saw that there was a whirlwind of wind, and there were a lot of dust. Not soon after I had reached the office, around 4:30pm, the wind became stronger, and it also started to rain. Probably because the wind was too strong, the rain was not coming down from above, but going side-ways. It was very noisy also. Thankfully, it only lasted about 30 minutes. If it had gone on for about 3 or 4 hours, it would have been like being in Nargis cyclone. When I came back from work, I saw the billboard on the corner of 80th St. & 35th St. on the ground. I heard that the backside of a car was also crushed under the billboard, but when I passed near there, the car was not there anymore. A signboard advertising engine wine became wrinkled at the corners. Small billboards on 35th St. railroad overpass also either fell or broke. It is time for the Municipal to check the integrity of the billboards. They should scrutinize the permits being handed out to erect billboards over our heads….”

Taorian'ny nanatrehako seminera iray dia niverina namonjy birao aho tokony ho tamin'ny 4 ora folakandro. Nahita tadio sy torajofom-bovoka aho teny an-dalana. Nihamafy ny rivotra rehefa nigadona tao am-piasana aho, ary dia nirotsaka ihany koa ny orana. Noho ny herin'ny rivotra be loatra angamba, tsy nilatsaka mijadona ny orana fa nitifitra marindrano. Manenoneno be ihany koa ilay orana. Soa ihany fa 30 minitra monja ny faharetany, fa raha 3 na 4 oar ny faharetany dia ilay rivodoza Nargis koa no fetra. Rehefa nody any any am-piasana aho dia nahita takela-by fanaovana dokambarotra eo amin'ny kihon-dalan'ny lalana faha80 sy faha-35 nianjera tamin'ny tany. Reko fa nianjeran'io takelaby io ny vodin'ny fiara iray, saingy tsy hitako intsony io fiara io rehefa nandalo teo aho. Rotidrotika teo akaiky teo ny takelaka ahitana dokambarotra menaka môtera. Maro ihany koa ny takelaka madinidinika kokoa fanaovana dokambarotra no nianjerazera na potika nanerana ny lalana faha-35. Tokony hodinihin'ny Kaominina amin'izay ny momba itony takelaby fanaovana dokambarotra itony. Tokony hodinihiny tsara ny fanomezandalana hanangana takelaby mananontanona ny lohantsika.
Ny lahatsoratra notsongaina dia dikanteny nomen'ny mpanoratra. Tamin'ny teny Birmana manko no niandohany

.

tan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.