Fifidianana Karana Indiana 09 : Niray safidy hanamafy ny fahamarinan-toerana

Ity lahatsoratra ity dia tafiditra ao amin'ny Fitantarana manokan'ny Global Voices ny fifidianan'ny Karana Indiana 2009

Tonga avokoa ny valim-pifidianana avy any amin'ny vazantany efatra any India ary dia mazava fa nisafidy mazava ny governemantan'ny hery afovoany marintoerana, eo ambany fitarihan'ny UPA ao amin'ny Kongresy ity firenena ity. Ho fanindroany ny Dr. Manmohan Singh no ho Praiminisitra. Na dia mbola tsy tonga avokoa aza ny voka-pifidianana dia efa nanambara ny fahareseny sahady ny firaisankinan'ny vondrona NDA alliance notarihan'ny BJP nahita ny fironan-tsafidy.

Niarahaba ny amin'ny fametraham-pitokisana nataon'ny mpifidy mandritra ity fe-potoana fiasana vaovao ity ny mpitarika ny UPA Rtoa Sonia Gandhi. Nandritra ny valan-dresaka nataony tamin'ny mpanao gazety tamin'ny 4 ora folakandro tany an-toerana no nilazany hoe, “Fantatry ny vahoaka Karana izay heveriny ho mahasoa azy ary mety ny safidy nataony.”

Amin'izao fotoana izao (5.40 ora karana folakandro) dia tahaka izao ny valim-pifidianana:

Fitambaran'ny seza = 543

Ny isan'ny seza ahazoana ny maro an'isa = 272

————————————————————–

Fandresena+fitarihana vondrona UPA = 258

Fandresena+fitarihana vondrona NDA = 162

Fandresena+fitarihana Mandatehezana faha-3 = 68

Fandresena+fitarihan'ny Hafa (miampy hery faha-4) = 55

——————————————————————————————-

Ny Fifidianana Karana (#indiavotes09) no nitarika tao amin'ny fironana be mpanaraka indrindra tao amin'ny twitter androany. Indreto misy hevitra avy amin'ny tweeters vitsivitsy:

@jraghu – Indian citizens give verdict. Congress led UPA wins safe, free elections in largest free democracy. Thank you, all #India #Indiavotes09

@dina – this mandate seems to be for good governance – stability & progress & optimism as opposed to fear. governance not politicians. #indiavotes09

@calamur – #indiavotes09 – Singh is King – Advani v/s PM. whining v/s strength. bitterness v/s vision.powerlust v/s duty. India chose well

@jraghu – nilaza ny safidiny ny Karana. Mazava ny fandresen'ny UPA tamin'ny fifidianana malalaka tao anatin'ny demaokrasia lehibe indrindra. Misaotra anareo rehetra, #India #Indiavotes09

@dina – hita ho mizotra mankamin'ny fahaiza-mitantana – fahamarinan-toerana & fandrosoana ity fe-potoana vaovao ity izay mifanohitra amin'ny tahotra. Fitantanana fa tsy mpanao politika. #Indiavotes09

@calamur- #indiavotes09-Singh no Mpanjaka – Adani sa ny praiminisitra. hery sa tomany. Lonilony sa vina. Fitiavantseza sa adidy. Nahay nisafidy i India

Raha maro ny faritra nisiana horakora-pifaliana dia nanjonitra kosa ny mpanohana ny BJP. Toy izao ny nosoratan'ny mpamaham-Bolongana Chakresh Mishra tao amin'ny bolongany:

[…]Ny fironako moa dia mankamin'ny BJP, antoko izay nofidiako. Antoko mpandala ny tanindrazana. Menatra ny BJP. Saingy izao ry sakaiza, Maro ny fotoana ao amin'ny tantaran'ny firenena iray no jerena fa ery avokoa ny zavadrehetra ary tahaka ny mandresy tamin'ny ady farany ny herin'ny ratsy. Saingy lalànan-javatra mpitranga sy hitranga hatrany izany ry sakaiza isany. Mety ho fotoana manadanja eo amin'ny fiainan'olona iray ny 5 taona fa eo amin'ny sehatry ny firenena(Tahaka an'i India) kosa dia indray mipi-maso monja.

Tsy natao hifanomezantsiny sy hifandrafiana intsony oram-paharesena. Fa fotoana kosa handinihantena sy hiomanana tahaka ny handresy amin'ny fifidianana manaraka kosa indray.

Na dia rava aza ny fanantenana ary manjaka ny nofy ratsy, Tsy maintsy ho avy ny maraina. Tsy vao izao no nisian'ny fotoana matroka teo amin'ny tantaran'i India, efa nahay niangana isika ary nahay namaly. Hamerina izany indray isika.

Homenay arakaraka ny fahatongavany ny valim-pifidianana farany. Jereo hatrany ity sehatra ity.

Aparna Ray

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.