Tantara mikasika ny Rising Voices tamin'ny Septambra, 2018

Miresaka momba ny fandrosoana ao Sierra Leone ireo mpianatra TBCS

  13 Septambra 2018

Misy tetikasa iray mikasa hanampy amin'ny fanarenana indray an'i Sierra Leone taorian'ny ady an-trano amin'ny alalan'ny fanomezana fiofanana ho an'ireo tanora napetraka tany amin'ny (sekoly) fianarana asa mandray karama nataon'ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa ao an-toerana mba hahafahan'ireo tanora mahazo fizaran'asa sy mandray anjara amin'ny tetikasa fampandrosoana.

Tafatafa niarahana tamin'i Cristina Quisbert ao amin'ny Voces Bolivianas

  13 Septambra 2018

Iray tamin'ireo tetikasa fampahalalam-baovaon'olon-tsotra dimy voalohany nahazo ny vatsy kely avy amin'ny Rising Voices tamin'ny volana Jolay ny Voces Bolivianas ('Feo Boliviana'). Nikarakara andiana atrikasa efatra isan-kerinandro tao amin'ny cybercafe iray ao El Alto, Bolivia ireo tetikasa fitaratra roa voalohany, tarihan'i Mario Duran, Eduardo Ávila, sy Hugo Miranda.

Bilaogerana asongadina: Getutza

  05 Septambra 2018

Manaiky i Getutza fa olona saro-kenatra izy. Na izany aza, nahita izy fa nanampy azy handresy io fahamenarana io ny bilaogy noho ny fandraisany anjara tamin'ny tetikasa Blogging the Dream avy amin'ny Orizonturi Foundation tao amin'ny Campulung Moldovenesc any Romania.

Fantaro ilay bilaogera Sara Abd Al-Maktari

  03 Septambra 2018

Nanomboka nandray anjara tamin'ny atrikasa voalohany natolotry ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' (EWMAT) any Yemen ilay bilaogera Sara Abd Al-Maktari. Nanolontena izy nanomboka tamin'izay tamin'ny fitarihana ny andiana atrikasa mba hampianarana ny vehivavy momba ny fampiasana ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.