EWAMT: Fanombohan'ny dingana faharoa ao an-tanànan'i Taizz

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2010)

Notaterinay teo aloha teo fa nampiofana mpikatroka vehivavy miisa 112 tamin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra nandritra ny atrikasa miisa 10 ny nahazo tamin'ny Rising Voices ‘Empowerment of Women Activists in Media Techniques (Fankaherezana ny vehivavy mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media (EWAMT)‘ avy any Yemen. Tontosa tamim-pahombiazana ny dingana voalohany niarahana tamin'ireo bilaogera mavitrika miisa 24. Notaterin'ny sampam-baovao ao an-toerana Almotamar.net ny vaovao fahavitan'ny atrikasa.

Tamin'ny Alarobia 3 Martsa 2010, nikarakara lanonana fanomezana sertifikà fankasitrahana tao amin'ny Orina Mpanasoa Al-Afefe tao Sana'a, renivohitr'i Yemen ny EWAMT. Mitatitra izany ny lehiben'ny tetikasa, Ghaida'a Al Absi:

We talked about a success story of one of the bloggers, that she got an invitation to participate in Women’s Leadership in Technology in Al-Sharja. However, she could not go there because her family won’t allow her to travel alone.

Niresaka momba ny tantaram-pahombiazan'ny iray tamin'ireo bilaogera izahay, fa nahazo fanasana izy handray anjara amin'ny Fitarihan'ny Vehivavy amin'ny Teknolojia ao Al-Sharja. Na izany aza, tsy afaka nandeha tany izy satria tsy navelan'ny fianakaviany handeha irery.

Tamin'ny farany izahay nizara sertifikà, ka namirapiratra ny mason'ireo bilaogera vaovao.

Taizz city. Image Via Google Map

tanànan'i Taizz. Sary tamin'ny Google Map

Ny vaovao tsara ankehitriny dia nanomboka ny fizarana faharoa amin'ny tetikasa EWAMT tao an-tanànan'i Taizz, tanàndehibe iray any Yemen, any amin'ny faritra avo atsimo-andrefana amin'ny haavo 1500 m ambonin'ny ranomasina. Miorina eo ambodi-tendrombohitr'i Saber (3070 metatra) izy ary misy toerana mampiavaka azy noho ny lalana miaka-midina eny an-tsisin'ny tendrombohitra. Ity misy horonantsary momba ny tanàna [ar]:

Tamin'ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa EWAMT isika no mahafantatra ny fanombohan'ny dingana faharoa:

In Partnership with the National Culture Center for Youth, we trained 15 ladies on 31 March- April 1st 2010 in Taiz City. Most of the trainees were volunteers at the center, and the other were volunteers in HIV projects. It was the first time for them to hear about social networking term. In the first day we talked about the history of blogging, and they started to create accounts in blogger. In the next day, We continued the blogging. Then we discussed about google maping, Wiki, and Facebook.

Amin'ny Fiarahamiasa amin'ny Foibe Ara-Kolontsaina Nasionaly ho an'ny Tanora, nampiofana vehivavy 15 izahay ny 31 Martsa – 1 Aprily 2010 tany Taiz. Mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny foibe ny ankamaroan'ireo nampiofanina, ary ny iray hafa kosa mpilatsaka an-tsitrapo tamin'ny tetikasa VIH. Fotoana voalohany ho azy ireo ny nandre momba ny tambajotra sosialy. Tamin'ny andro voalohany, niresaka momba ny tantaran'ny bilaogy izahay, ary nanomboka nanangana kaonty tao amin'ny blogger izy ireo. Ny ampitso, nanohy ny bilaogy izahay. Avy eo dia niresaka momba ny fametrahana an-tsarintany google, Wiki, ary Facebook.

Ao amin'ny bilaogin'ny vondrona mpandray anjara dingana voalohany Thoughts of the Yemenis, Ebtisam Al-Mohmmdy manoratra momba ny toetry ny Yemenita maro ao an-tanindrazana, izay ahitana tsy firaharahiana sy fiankinan-doha amin'ny hafa ary mampiseho moraly sy etika ambany kokoa. Na izany aza, rehefa lasa any ivelany ny Yemenita, dia lasa olom-pirenena miasa mafy sy manaja lalàna. Al-Mohmmdy nanoratra hoe:

I wonder, should they not treat Yemen with love and patriotism, and sacrifice .. [..] … I hope to find an answer.

Manontany tena aho, tsy tokony handray an'i Yemen am-pitiavana sy am-pitiavana tanindrazana, ary fahafoizan-tena ve izy ireo[..] … Manantena hahita valiny aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.