Fampahafantarana ny tetikasa firesahana momba ny fady

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2010)

http://blip.tv/play/hfMYgfDAMAA

Mitohy ny fanomanana ho an'ny atrikasa voalohany ao amin'ny tetikasa “Miresaka ny Fady” nokarakarain'ny ekipa avy ao amin'ny vondrona ao Kairo Nazra for Feminist Studies, iray amin'ireo tetikasa telo eto Ejipta izay tohanan'ny Rising Voices amin'izao fotoana izao. Manome topi-maso sy tantaran'ny vondrona, ary koa ny tanjon'ireo atrikasa nomanina i Fatma Emam, iray amin'ireo mpandrindra ny vondrona. Amin'izao fotoana izao, mandray fangatahana ny vondrona ary manadihady izay mety ho mpandray anjara mba hijerena ny fahalianany amin'ny fianarana ny fomba fampiasana ny mediam-bahoaka mba hiresahana ireo olana saro-pady mahakasika ny lahy sy vavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.