Tantara mikasika ny GV Mpisolovava tamin'ny Janoary, 2019
Iran: Hampiofanina ireo manampahefana ambony misahana ny aterineto hiadiany amin'ny fikatrohana antserasera
Vao haingana ny Minisiteran'ny Fitsikilovana ao amin'ny Repoblika Islamika an'i Iran no nanambara fa raha te-hanohitra ny fikatrohana amin'ny aterineto ao Iran, dia hampiofanina ireo manamboninahitra ambony.
Macau: Fibahanana ara-politika
Nahita ireo mpiserasera aterineto avy any Macau fa namelona ny rafitra fanivanana miankina amin'ny voambolana lehibe ny sehatra fifanakalozan-kevitra lehibe indrindra ao Macau, cyberctm ary nanaisotra ny teny hoe "Lehiben'ny mpanatanteraka" sy ny solony "Lehiben'ny Mpangalatra"
Torolàlana Hiantohana ny Fiarovana / Fahatoniana Niomerika ho an'ireo Afrikàna Mpiaro Tontolo Iainana
Ho an'ny tolona ataon-dry zareo, efa miha-miditra amin'ny fampiasàna fitaovam-pifandraisana niomerika ireo mpiaro tontolo iainana ao Afrika. Saingy vao mainka izy ireo lasa lasibatry ny fanafihana an-tserasera sy ny faneriterena ara-bàtana. Inty ny taridàlana iray ho fampianarana azy ireo hiaro ny fiainany an-tserasera sy eny anivon'ny fiarahamonina.
Voaheloka 3 taona sy tapany an-tranomaizina i Hu Jia
(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Rehefa nigadra nandritra ny efa-bolana tany am-ponja ilay bilaogera monina ao Beijing, Hu Jia dia voaheloka higadra 3 taona sy tapany an-tranomaizina noho ny “fanozongozonana ny fanjakàna”, izay heverin'ny mpisolovavany Li Fangping fa ” mety hisarika tsikera maro iraisampirenena momba...
Iran: Nosivanina ny tranokalam-baovao Jahan
(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ny bilaogy sy tranonkala Iraniana marobe fa ny tranonkala ao Iran Jahannews (midika hoe vaovao eran-tany) dia voasivana taorian'ny namoahany taratasy iray, nosoratan'ny mpikambana parlemantera Iraniana, izay nitsikera an'i Saeed Mortazavi , ilay lehiben'ny mpampanoa lalàna ao Teheran. Niresaka...
Iran: Hetsi-panoherana antserasera nandritra ny tsingerintaona faha-30 nibodoana ny ambasady Amerikana
Manamarika ny tsingerintaona fibodoana ny ambasady Amerikana ny 4 Novambra. 30 taona lasa izay, nibodo ny ambasady ireo mpianatra, saingy ankehitriny dia niova tanteraka ny mpianatra, ka tamin'ity indray mitoraka ity, ho fahatsiarovana izany andro izany, dia te-handefa hafatra milamina ho an'izao tontolo izao izy ireo.
Shina: Hetsika antserasera manohitra ny CNNIC
Nametraka tranonkala fanoherana antsoina hoe FuckCNNIC ny vondrona webmasters mba hanoherana ny politika vao haingana izay mandràra ny olona tsy hisoratra anarana aminny anaran-tsehatra CN.
Tonizia: Nogadraina ilay mpianatra Mohamed Soudani noho ny tafatafa tamin'ny fampitam-baovao iraisampirenena
Nanjavona tamin'ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia ilay mpianatra Toniziana Mohamed Soudani, 24 taona, rehefa avy nitafatafa tamin'ny Radio Monte Carlo International sy ny Radio France International.
Mahazo Onitra Sy Tombontsoa Ny Minisitra Nanoloana Ilay Tranonkala Zambiana Mpanaratsy
Teo anoloan'ny Tribonaly Amerikana, nenjehin'ny minisitra lefitra Zambiana misahana ny Varotra noho ny fanalàm-baraka ny vohikala Zambiana Kachepa360. Atahoran'ireo mpanakiana hiatrika zavatra mitovitovy amin'izao atsy ho atsy ireo tranonkala media an'olontsotra mitatitra momba ny fihetsiky ny governemanta.
Netizen Report: Manoloana ireo Fihetsiketsehana Feno Herisetra, Bahanan'i RDC Ireo Tambajotran-tserasera
Isan-kerinandro, eo amin'ny Global Voices Advox, ny tariky ny Netizen Report dia manolotra topimaso iray amin'ireo fanamby sy ireo fandresena amin'izao tontolo izao, tsy adinoina ireo vaovao mahasarika mikasika ny zo nomerika.