Tonizia: Nogadraina ilay mpianatra Mohamed Soudani noho ny tafatafa tamin'ny fampitam-baovao iraisampirenena

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)
mohamed_soudani

Nanjavona tamin'ny 22 Oktobra 2009, tao Tonizia i Mohamed Soudani Toniziana mpianatra, 24 taona, rehefa avy nitafatafa tamin'ny Radio Monte Carlo International sy ny Radio France International.

Tsy hita nandritra ny 18 andro i Soudani, fantatra fa nogadraina tao amin'ny fonjan'i Murnaguiya, 15 km miala an'i Tunis renivohitra izy raha nifandray tamin'ny fianakaviany ny polisy.

Araka ny loharanom-baovao, nampahafantatra tamin'ny fianakavian'i Soudani ihany koa ny polisy fa notsaraina izy ary voaheloka noho ny “fitondran-tena tsy mendrika” nandritra ny fitazonana azy tsy misy mpisolovava ary voasazy higadra efa-bolana. Ren'izy ireo ihany koa fa nampiakatra ny saziny tany amin'ny fitsarana ambony izy.

Nandritra ny fotoam-pitsarana azy tamin'ny 6 Desambra, nolavin'i Soudani ny fiampangana azy ary nilaza izy fa nampijaliana mafy nandritra ny fitazonana azy tsy ara-dalàna. Nangataka ny fampiatoana ny fotoam-pitsarana ireo mpisolovavany mba hanadihadiana ny raharaha ary nangataka ny famotsorana azy amin'ny fandoavana onitra ihany koa. Nolavina izany fangatahana famotsorana izany raha nahemotra amin'ny 14 Desambra 2009 kosa ny fotoam-pitsarana azy.

Nohadihadiana momba ny asany taloha i Soudani amin'ny maha-mpitarika mpianatra azy ao amin'ny Sendikà Jeneralin'ny Mpianatra ao Tonizia. Nandray anjara tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina naharitra 56 andro niaraka tamin'ireo mpianatra efatra hafa izy tamin'ny herintaona mba hitaky ny zon'izy ireo hiverina any am-pianarana. Nibilaogy momba ny zava-niainan'izy ireo isan'andro tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina ihany koa ry zareo tao amin'ny bilaogy izay voabahana tao Tonizia.

Natsangana ny vondrona Facebook sy bilaogy ho fanohanana an'i Mohamed Soudani noho ny zava-tsarotra iainany.

Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Nasser Weddady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.