Iran: Hampiofanina ireo manampahefana ambony misahana ny aterineto hiadiany amin'ny fikatrohana antserasera

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2009)
A0624881

Vao haingana ny Minisiteran'ny Fitsikilovana ao amin'ny Repoblika Islamika an'i Iran no nanambara fa raha te-hanohitra ny fikatrohana amin'ny aterineto ao Iran, dia hampiofanina ireo manamboninahitra ambony.

Raisin'ny minisitry ny fitsikilovana ho fanamby vaovao ho an'ny fitondrana ny fikatrohana amin'ny aterineto. Nandrisika ny minisitra fa, noho ny fifandraisana sy ny fiarahamiasa misy eo amin'ny mpanohitra ao anatiny sy ivelan'ny firenena, dia tokony hamboarina indray ny fametrahana ny fiarovam-pirenena ao Iran ho setrin'ny fandrahonana vaovao.

Mihevitra ny minisitra fa misy ireo mpikatroka ifotony manentana ny vahoaka hanohitra ny fitondrana Islamika ary zava-dehibe ho an'ny governemanta ny hitady sy hanakana azy ireo. Nilaza izy fa miezaka manimba ny soatoavina islamika sy ny foto-kevitry ny fitondrana amin'ny fitarihandiso ny vahoaka ireo mpikatroka.

Nilaza ny minisitra fa mampiasa aterineto ny mpanohitra, miaraka amin'ny fanohanan'ny firenena vahiny handaminana ny olona amin'ny fananganana korontana ao amin'ny fiarahamonina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.