Tokony heverina ho teny fankahalana ny fitsipahana fisian'ny Holocaust ao amin'ny Facebook, hoy ny fitakian'ireo sisa niangana

Auschwitz-Birkenau Memorial and Museum

Miorina eo amin'ny toby fampivangongoana tao Auschwitz fahiny ny Mozea sady Fahatsiarovana ao Auschwitz-Birkenau ao Oświęcim, Pôlônina. Saripikan'i Meta.mk/Bojan Blazhevski, nahazoana alalana.

Ny tantara etoana dia nivoaka voalohany tao amin'ny Meta.mk. Navoaka eto araka ny fifanekena hifampizara votoaty nifanaovan'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation ny lahatsoratra nasiam-panovana.

Miezaka ny Kaoferansa Amin'ny Zavatra Takian'ny Jiosy Amin'i Alemaina (Claims Conference), fikambanana iraisampirenena iray mifampiraharaha fanonerana sy famerenana ny fananan'ny lasibatry ny fanenjehan'ny Nazi, manohy amin'ny fanindriana ny Facebook hampiditra ny Fitsipahana ny fisian'ny Holocaust – sorona fandevonana amin'ny afo – ho ao anatin'ny famaritana ny kabarim-pankahalàna. Nokendrena mivantana amin'ny fanentanana dizitaly, izay nanomboka tamin'ny jolay, ny Filoha Tale Jeneralin'ny Facebook Mark Zuckerberg, fanentanana manasongadina ireo hafatra video avy amin'ny sisa niangana tamin'ny Holocaust.

“Tenim-pankahalàna ary tsy maintsy esorina amin'ny Facebook ny fitsipahana nisian'ny – sorona fandevonana amin'ny afo – Holocaust!” hoy ireo mpanangana ny fanentanana sy mpandray anjara. Amin'ny fampiasana ny farangonteny #NoDenyingIt, mandray anjara mavitrika amin'ny fijoroana vavolombelona tamin'ny zava-niainany ireo nigadra taloha tao amin'ny toby fanagiazana faobe sy ny toby fandripahana — ary ireo sisa niangana tamin'ny fandripaham-bahoaka nandritra ny Ady Lehibe Faharoa:

Manomboka androany ny Claims Conference hamoaka hafatra horonantsary manerana ny media sosialy avy amin'ny sisa niangana tamin'ny sorona tamin'ny afo miangavy an'i Mark Zuckerberg hanaisotra ireo fitsipahana ny Holocaust amin'ny Facebook. Tenim-pankahalàna ny fitsipahana ny fangirifiriany/famoizany; misy tsia amin'ny fitsipahana izany. Ampio ry zareo; zarao hampisy fanesorana!

Ny fitsipahana ny Holocaust dia fitsipahana ny fandripahana ny vahoaka jiosy nataon'ny Nazi nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ary heverina ho endrika antisemitisma.

Fomba iray entina anoherana io endrika fandisoam-baovao io ny fanabeazana, izay mety ahitana fitsidihana ireo toeram-pahatsiarovana. Ohatra, nandray mpitsidika miisa 2.320.000 ny Toeam-pahatsiarovana ao Auschwitz ao Pôlônina tamin'ny taona 2019. Tsy andoavan'ny mpitsidika sara ny fidirana mankao amin'ny mozea sy ny bisy fitaterana manelanelana ny sisa amin'ny tobim-pihazonana amin'ny tanànan'i Oświęcim eo akaikiny.

Mampiasa ny media sosialy ny mozea, izay manana mpanjohy Twitter mihoatra ny 900.000, mpiondana mihoatra ny 300.000 ao amin'ny Facebook sy 80.000 ao amin'ny Instagram, hampianarana ny tantaram-pirenena.

Vao haingana ny Meta.mk no niresaka fanadihadiana momba ny fahalalàna ny Holocaust ao Etazonia, notarihan'ny Claims Conference, izay nampiseho ny tsy fahalalàn'ny tanora mihitsy momba ny Holocaust. Ampahany lehibe dia lehibe amin'ireo namaly ihany koa no diso fihevitra amin'ny lafin-javatra maro, ao anatin'izany ireo mifanandrify amin'ny propagandy Neo-Nazi.

Nasehon'ny fanadihadiana ny tsy fahafantaran'ireo anelanelan'ny 18 ka hatramin'ny faha-39 taonany ny zavanisy lehibe ara-tantara; 63 isanjato tamin'ny namaly no tsy nahalala fa jiosy enina tapitrisa no novonoina nandritra ny Holocaust, ary 36 isanjato no nihevitra fa “JIosy roa tapitrisa na latsak'izany” no novonoina. Na dia mihoatra ny 40.000 aza ny toby na ghettos tao Eoropa nandritra ny Holocaust, 48 isanjato amin'ireo olompirenena avy ao Etazonia namaly no tsy mahafantatra anarana na dia iray monja amin'ireo toby na ghetto ireo.

Araka ny tatitry ny Associated Press, nilaza ny Facebook fa efa nesoriny ny “tsanganambotoaty manandratra, miaro na mikasa hanamarina ny Fanaovana Sorona amin'ny afo” na maneso ny lasibatra, satria efa zatra ny manitsakitsaka ireo fenitra efa misy natao anoherana ny kabarim-pankahalàna sy ny fandrisihana herisetra ireny tsanganambotoaty ireny.

Ho fampifanarahana amin'ny lalàna ao an-toerana, noesorin'ny Facebook izay tsanganambotoaty rehetra mitsipaka ny fisian'ny Holocaust (sorona fandevonana amin'ny afo) “ao amin'ny firenena tahaka an'i Alemaina, Frantsa sy Pôlônina izay tsy ara-dalàna ny fitsipahana fisian'ny Holocaust.” Hatramin'izao fotoana izao kosa, anefa, dia tsy mbola nampidirin'ity goavan'ny tambajotra sosialy ity ho ao amin'ny fenitra manerantany amin'ny tenim-pankahalàna ny fitsipahana fisian'ny Holocaust.

Ilay fehezanteny malaza ratsy “Arbeit macht frei” (“Ny asa no manafaka anao” amin'ny fiteny alemà) eo amin'ny fidirana amin'ny tobim-pihazonana Auschwitz ao Oświęcim, Polonina, izay efa ao anatin'ny Mozea sady Toeram-pahatsiarovana Auschwitz-Birkenau amin'izao fotoana izao. Saripikan'i Meta.mk/Bojan Blazhevski, nahazoana alalana.

Tamin'ny taona 2016 ny Facebook nanasonia ny Lalàm-pitondratena Eoropeana iadiana amin'ny kabarim-pankahalàna tsy ara-dalàna anjotra. Taorian'ny lalàm-panarahamaso fitoriana farany indrindra momba ny fampanaraham-pepetra, izay nivoaka tamin'ny volana jona, ary nampiseho fa azon'ny orinasa ny taha ambony indrindra amin'ny setriny tamin'ny fanesorana ireo nobitsihana (notifications) raha oharina amin'ireo sehatra media sosialy hafa, naneho ny fahafaham-pony ny manampahefana ambony indrindra ao amin'ny Facebook nahita ny fandrosoany eo amin'ny ady amin'ny tenim-pankahalàna.

Tsy tahaka an'i Eoropa, izay mametraka ny kabarim-pankahalàna ho heloka bevava noho ny niainan'ny ankamaroan'ireo firenena ireo ny horohoron'ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy manana lalàna tahaka izany kosa eo amin'ny sehatra manerana ny firenena i Etazonia. Na izany aza, matetika ny sehatra media sosialy no mandray lalàm-pitondratena izay mandrara ny tenim-pankahalàna, ary maro amin'izy ireny aza no mihoatra amin'ny takatry ny lalàna ao amin'ny firenena isitrihany mba hiantohana tontolo azo antoka.

Mirona mankany amin'ny fampiharam-pahazarana ho an'ny mpikirakira ireny fitsipika anatiny ampiharin'ny sehatra an'habaka (anjotra) ireny. Mandrisika ny mpikirakira azy ohatra izao ny Facebook, hitatitra izay fihetsika voarara, votoaty manitsakitsaka ny fenitry ny vondrom-piarahamonina:

Ohatra amin'ny fampiasana ny lafatra fitoriana ao amin'ny Facebook – amin'ity tranga ity, lahatsoratra mampiroborobo ny propagandy Nazi. Hita ao amin'ny Tolo-tsafidy ity fampisafidianana iray ity, ambanin'ny rohy voamarika “…” eo amin'ny zoro ambony havanana isaka ny lahabotoaty.

Amin'ny fanindriana ny bokotra “I agree” [ekeko] eo amin'ny teny ifamarafaràna, dia miditra anaty fifamatorana amin'ny sehatra ny mpisera media sosialy, ka avy amin'izany no hampanantenàny fa hankatoa ireo fitsipika ireo. Afaka mampihatra ny fitsipika ihany koa ny mpisera amin'ny alalan'ny fitoriana ireo trangam-panitsakitsahana — tafiditra amin'izany ny tenim-pankahalàna — araka ny voafaritry ny sehatra. Sokajian'ny Facebook ho tenim-pankahalàna amin'izao fotoana izao ny:

  • “Kabary mahery setra na manaisotra ny mahaolona, ohatra, mampitaha ny vahoaka rehetra amin'ny volonkoditra (foko) iray ho bibikely na biby;
  • “Fanambaràna manambany, mamparikoriko na manohintohina, ohatra, mandroso hevitra fa maharikoriko ny olona ao amin'ny [lahivavy] iray manontolo;
  • “Antso fanilikilihana na fanasarahana, ohatra, milaza fa tsy tokony hahazo hifidy handrotsa-bato ny olona ao amin'ny fivavahana tahaka izao na tahaka itsy.”

Ampahany amin'ny faritra ikaonana itoriana ao amin'ny Facebook, izay miorina amin'ny masontsivan'ny sehatra amin'ny fanasokajiana votoaty heverina ho tenim-pankahalàna.

Ampahany fotsiny amin'ny andiam-pamaritana ara-pitsarana ny tenim-pankahalàna ho fitaka bevava mihatra ao amin'ny firenena miisa 47 mikambana ao amin'ny Vaomieran'i Eoropa, andrim-panjakana iraisampirenena iray naorina taorian'ny Ady Lehibe Faharoa hampiakarana ny zon'olombelona sy ny demaokrasia ao amin'ny faritra ireo sokajy ireo. Saika mikambana ao amin'io vondrona io ny firenena eoropeanina rehetra, afa-tsy i Belarus (noho ny olana zon'olombelona) sy i Vatikana (noho ny sata maha-teôkrasia ananany).

Araka ny Komitin'ny Minisitra ao amin'ny Vaomieran'i Eoropa, “Tafiditra ao amin'ny tenim-pankahalana ny endrika fanehoana am-bava rehetra mampiely, mandrisika, mampiroborobo na manamarina ny fankahalana foko, fankahalàm-bahiny, anti-Semitisma na izay endrika fankahalana hafa mifototra amin'ny tsy fileferana [tsy fahazakàna].” Firenena Eoropeanina — miampy an'i Israely — no manana lalàna manokana miady amin'ny fitsipahana ny Sorona amin'ny fandevonan'ny afo (Holocaust). Maro ihany koa ny firenena no manana lalàna mametraka ho heloka bevava ny fandripaham-poko.

Andininy 407-A amin'ny Fehezan-dalàna heloka bevava ao Repoblikan'i Makedonia, ohatra, mametraka fa ireo “mampiasa lafatra torohay hitsipaka ampahibemaso na manatsinontsinona, mankatoa na manamarina” hetsika fandripaham-bahoaka, heloka bevava amin'ny zanak'olombelona, sy heloka an'ady, dia hiatrika famonjana iray ka hatramin'ny dimy taona. Ho an'ireo mikasa handrisika fankahalana, fanilikikihana na herisetra amin'ny hafa, mifototra amin'ny mari-panondroana firenena, foko na fivavahana, efa-taona ny famonjana kely indrindra amin'izany. Teo amin'ny tantaran'ny firenena vao haingana, tsy mbola nisy aloha ny tranga voarakitra amin'ny karazana asaratsy toy izany.

“Ho fahatsiarovana ireo lehilahy, vehivavy ary ankizy lavo tamin'ny fandripaham-bahoaka Nazi. Eto no mandry ny lavenony. Handry am-piadanana anie ny fanahiny.” Miorina ao amin'ny Mozea sady fahatsiarovana ao Auschwitz-Birkenau ao Oświęcim, Polonina ny takelaka. Saripikan'ny Meta.mk/Bojan Blazhevski, nahazoana alalana.

Ankoatra ny fitsipahana ny [nisian'ny] sorona tamin'ny afo (Holocaust), miezaka mitady fomba vaovao ireo mpandefa tenim-pankahalana hanelezana ny hafatra, ka mahatery ny mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanao lalàna hijoro.

Tamin'ny volana aogositra, nampitandrina ny Fikambanan'ny Jiosy ao Bolgaria (Shalom) fa manely ny fiteny antisemita amin'ny voambolana vaovao ny politisiana havanana hiringiriny, tahaka izany ny “Sorosoids”, nokendrena hanondroana vondrona heverina ho “fahavalom-panjakana”. Voambolana, mifototra amin'ny fampiasana diso ny anaran'ny Amerikana mpanao asa soa sady sisa niangana tamin'ny Holocaust (sorona tamin'ny afo) George Soros, izay niainga tao Makedonia Avaratra natao ho fitaovana propagandy fandrendreham-bahoaka hanilikilihana ireo mpikatroky ny firaisamonim-pirenena.

Naotin'ny tonia: ny Global Voices dia iray amin'ireo mahazo vatsy avy amin'ny Open Society Foundations, tambajotra iraisampirenena mpanome fanampiana naorin'i George Soros.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.