Sivanin'ny vaomieram-pifidianana ao Myanmar ny kabarin'ireo antoko politika mifaninana amin'ny fifidianana

Pikantsary tamin'ny fantsona YouTube an'ny MRTV, tambajotram-baovao tantanan'ny fanjakana ao Myanmar. Mampiseho ireo horonantsary fampielezan-kevitra nankatoavin'ny Vaomieran'ny Fifidianana ny fantsona.

Nosivanin'ny vaomiera misahana ny fifidianana ao Myanmar (UEC) ny kabarin'ireo antoko politika te handefa fitaovana fampielezan-kevitra amin'ny tambajotra fahitalavitra sy radio tantanan'ny fanjakana.

Kandidà 7000 eo ho eo avy amin'ny antoko 90 mahery no mifaninana hahazo toerana mpanao lalàna 1.171 amin'ny fifidianana ankapobeny ao Myanmar, kasaina hatao amin'ny 8 Novambra.

Tamin'ny volana jolay, nanomboka namoaka andiana torolàlana momba ny fomba ahafahan'ny kandidà sy ny antoko mandefa kabary fampielezan-kevitra amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny UEC. Tsy maintsy mandefa sora-tanana herinandro alohan'ny fandefasana ireo mpilatsaka hofidina mba hodinihana sy ho ankatoavan'ny UEC sy ny Minisiteran'ny fampahalalam-baovao.

Azo atao maharitra hatramin'ny 15 minitra ny kabary, saingy tsy tokony ahitana votoaty izay:

  • “Manelingelina ny filaminana, ny lalàna ary ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin'ny firenena”
  • “Tsy manaja ny lalàna misy sy ny lalàm-panorenana”
  • Manala baraka ny firenena na mandoto ny endriky ny firenena”
  • “Manala baraka ny Tatmadaw” ​​[miaramila] “
  • “Mandrisika adim-poko na finoana”
  • “Mandrisika ny mpiasam-panjakana tsy hanao ny adidiny na hanohitra ny governemanta”

Notantanan'ny fitondrana jadona miaramila nandritra ny am-polony taona maro i Myanmar, avy eo nifindra ho amin'ny lalàna sivily tamin'ny taona 2010. Ny lalàmpanorenana 2008 kosa dia nanome antoka fa hanohy hampihatra hery ara-politika ny tafika, anisan'izany ny ao amin'ny Parlemanta.

Resin'ny mpanohitra National League for Democracy (NLD) tamin'ny fifidianana ankapobeny manan-tantara tamin'ny taona 2015 ny antoko notohanan'ny tafika, saingy tsy nahomby tamin'ny fandrodanana ny lalàna henjana nolanian'ny miaramila mba hanenjehana ny mpanohitra. Nanan-kery hatrany ireo lalàna manameloka ny fitsikerana ny tafika, ao anatin'izany ny andininy 66 (d) mampiadihevitra momba ny lalàna mifehy ny fifandraisan-davitra 2013, izay ampiasaina hiampangana ireo mpitsikera amin'ny aterineto.

Antoko politika maromaro no nilaza fa voasivana ny kabary fampielezan-kevitr'izy ireo noho ny torolàlana navoakan'ny UEC. Hatramin'ny 4 Oktobra, dia antoko 10 eo ho eo no nitatitra fa niharan'ny sivana, ary enina no nanapa-kevitra ny tsy hanao kabary fampielezan-kevitra amin'ny haino aman-jerim-panjakana.

Nilaza ny antoko demokratika ho an'ny fiarahamonina vaovao fa ahitana andininy manjavozavo izay mamela ny manampahefana hanivana fahatany ireo kabary amin'ny fampielezan-kevitra ny torolàlan'ny UEC. Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao ny filoha lefitry ny antoko, Daw Noe Noe Htet hoe:

The word ‘oppressed’ is not allowed. And the facts about the children’s rights are not allowed. There is legal oppression and also in other areas. We used the word as we need to fix those issues. We will make our campaign speech available through other channels.

Tsy avela tenenina ny teny hoe ‘voageja’. Ary tsy avela resahana ny zava-misy momba ny zon'ny ankizy. Misy ny famoretana ara-pitsarana sy amin'ny sehatra hafa koa. Nampiasainay ilay teny satria mila mamaha ireo olana ireo izahay. Hataonay amin'ny alàlan'ny fantsona hafa ny lahateninay amin'ny fampielezan-kevitra.

Nilaza ny sekretera jeneralin'ny Ligy Arakan ho an'ny Demokrasia, Myo Kyaw fa voasivana ihany koa ny kabariny ary niampanga ny governemanta tarihin'ny NLD ho mampiasa ny fomban'ny fitondrana miaramila:

This censorship seems like something the dictatorship did. They shouldn’t mess with the party’s tone. Shouldn’t there be freedom of expression? As a political party, we should be able to express our opinions and beliefs.

Ity fanivanana ity dia toa zavatra nataon'ny jadona. Tsy tokony hanakorontana ny feon'ny antoko izy ireo. Tsy tokony hisy ve ny fahalalahana maneho hevitra? Amin'ny maha antoko politika antsika dia tokony afaka maneho ny hevitsika sy ny finoantsika isika.

Ko Ko Gyi, filohan'ny Antokom-bahoaka, nilaza tamin'ny Radio Free Asia fa nolavin'ny UEC ity ampahany manaraka amin'ny kabariny ity:

Local entrepreneurs are now facing major hardships in competing with foreign investors because of high bank interest rates. In collecting tax revenue, we will make sure to broaden the base for collecting taxes to avoid tax burdens and create a simple and fair tax revenue system.

Miatrika zava-tsarotra lehibe amin'ny fifaninanana amin'ireo mpampiasa vola vahiny ankehitriny ireo mpandraharaha eto an-toerana noho ny tahan'ny zanabola ambony alain'ny banky. Amin'ny fanangonana vola miditra amin'ny hetra, dia hanome antoka izahay fa hanitatra ny fototra amin'ny fanangonana hetra mba hisorohana ny enta-mavesatra amin'ny hetra ary hamorona rafitra fidiram-bola amin'ny hetra tsotra sy marina.

Nanazava ny antony nanapahan'ny antoko hevitra farany tsy handefa ny kabariny amin'ny haino aman-jerim-panjakana i Ko Ko Gyi :

The commission is censoring and editing our campaign speech before the voters can make a choice. We don’t accept that because it has violated the basic principles and standards of a multiparty democracy. That’s why we’ve decided to not take part in broadcasts on state-owned media.

Manivana sy manitsy ny kabarinay amin'ny fampielezan-kevitra ny vaomiera alohan'ny ahafahan'ny mpifidy manao safidy. Tsy ekenay izany satria nanitsakitsaka ny fotokevitra fototra sy ny fenitry ny demaokrasia marolafy. Izay no nahatonga anay nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin'ny fampielezana amin'ny haino aman-jerim-panjakana.

Frontier Myanmar, orinasam-baovao tsy miankina iray, nanamarika fa ny fanapahan-kevitry ny antoko sasany tsy handefa ireo kabary voasivana amin'ny haino aman-jerim-panjakana dia mety hampiakatra ny mombamomba azy ireo:

The media coverage they have received due to the election commission’s censorship, and because of their principled stands against it, has outweighed whatever benefits they would have received from being given a freer rein on air.

Nihoatra ny tombontsoa tokony ho azon'izy ireo tamin'ny fanomezana fandefasana maimaim-poana ny fandrakofam-baovao voarain'izy ireo noho ny sivana ataon'ny vaomiera momba ny fifidianana, ary noho ny foto-kevitra hijoroan'zy ireo manohitra izany.

Nanakiana ny torolàlana navoakan'ny UEC ny Human Rights Watch:

They undermine the fairness of the electoral process by preventing opposition parties from presenting their policies in full where those policies involve criticism of the government, the military, or the country’s many abusive laws.

Manohintohina ny fahamendrehan'ny fizotran'ny fifidianana ry zareo amin'ny fanakanana ny antoko mpanohitra tsy hanolotra ny politikany amin'ny fomba feno satria misy fitsikerana ny governemanta, ny tafika, na ny lalàna marobe mihoa-pefy ao amin'ny firenena ireo politika ireo.

Matthew Bugher ao amin'ny ARTICLE 19 nilaza fa nanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra ao Myanmar ilay torolalana:

The restrictions on expression imposed by the UEC harken back to the days of pre-publication censorship under military rule. The ability of political parties or politicians to speak candidly about the performance of the incumbent government and the military is astonishingly limited.

Mampitamberina ny tamin'ny andron'ny fanivanana mialoha ny famoahana teo ambany fitondrana miaramila ny famerana ny fitenenana napetraky ny UEC . Voafetra tanteraka ny fahafahan'ny antoko politika na ny mpanao politika miresaka mahitsy momba ny zava-bitan'ny governemanta am-perinasa sy ny tafika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.