Nosakanana ny tranonkala nampiseho ny fanaovan'ny miaramila kolikoly any Myanmar

Pikantsary avy amin'ny pejy fandraisan'ny tranonkala Justice for Myanmar

Nosakanana tao Myanmar ny tranonkalan'ny Justice for Myanmar ny 27 aogositra noho ny filazana fa nanaparitaka ‘vaovao faikany’.

Nosokafan'ny “vondrona mpikatroka miafina” tamin'ny 28 Aprily ny tranonkala izay nivoady fa hampiseho ny kolikoly ankapobeny ataon'ny tafika ao Myanmar.

We have begun to expose the systemic causes of inequality, violence, war crimes, and crimes against humanity.

Justice for Myanmar and its allies are collecting evidence and exposing the vast business network funding brutal oppression in Myanmar.

Nanomboka naneho ny olana ankapobeny amin'ny tsy fitoviana, ny herisetra, ny heloka bevava amin'ny ady ary ny heloka bevava atao amin'ny maha-olona izahay.

Manangona porofo ary mampiseho ny tambajotram-barotra midadasika mamatsy vola ny famoretana feno herisetra ao Myanmar ny Justice for Myanmar sy ireo mpiara-dia aminy.

Nandritra ny am-polony taona maro no nitondran'ny tafik'i Myanmar ny firenena mandra-pahatonga ny governemanta sivily nisolo izany tamin'ny taona 2011. Resy tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2015 ny antokon'ny Firaisankina sy ny Fampandrosoana (Union Solidarity and Development Party) notohanan'ny miaramila saingy nomena toerana ao amin'ny parlemanta ny miaramila tamin'ny alàlan'ny lalàm-panorenana izay narafitry ny fitondrana miaramila ary nankatoavina tamin'ny taona 2008.

Nahitana antontan-taratasy manambara ny tombotsoa ara-pihariana ho an'ny zanaky ny jeneraly mpitarika ambony ao amin'ny tafika sy ny antsipirian'ny momba ny tombontsoan'ny miaramila avy amin'ny fihariana iraisam-pirenena ny sasany tamin'ireo tantara vao haingana tao amin'ilay tranonkala.

Nanameloka ny fanakanana ny tranonkala i Yadanar Maung, mpitondratenin'ny Justice for Myanmar:

Our claims are backed up by evidence and we welcome the government to respond to our reports, with evidence. However, instead of engaging in public debate and accountability, the civilian government has chosen repression and is attempting to cover-up the military’s wrongdoing.

Tohanan'ny porofo ny fanambaranay ary raisinay an-tanandroa ny governemanta hamaly miaraka amin'ny porofo ny tatitra ataonay. Saingy, nifidy ny famoretana ny governemanta fa tsy niadihevitra sy nandray ny andraikiny tamin'ny vahoaka ary miezaka manafina ny ratsy ataon'ny tafika.

Nilaza tamin'ny Reuters ny antony nanomezany baiko ny fanakanana ny tranonkala iray voalaza anarana sy ireo adiresy IP miisa telo mifandraika amin'izany ny mpitondratenin'ny Ministeran'ny fifandraisandavitra any Myanmar, Myo Swe. “Nanamarika ny ekipa mpanara-maso ny tambajotra sosialy fa manaparitaka vaovao faikany ny tranonkala sasany.”

Namoaka fanambarana manohitra ny toromarika navoakan'ny minisitera ny orinasan'ny fifandraisandavitra Telenor Myanmar, sampana iray ao amin'ny Telenor Group Norveziana na dia tsy nomarihiny aza ireo tranonkala voasakana.

Telenor Myanmar has complied with the directive under protest.

Telenor Myanmar views this directive with grave concern. Since receiving the directive we have had multiple dialogues with the authorities protesting the blocking. Our position is that freedom of expression and the right of access to information should be respected. We will continue our efforts to lift the blocking and encourage the government of Myanmar to increase transparency for the public.

Nanaja ny toromarika tao anatin'ny fanoherana ny Telenor Myanmar.

Mahita ny Telenor Myanmar fa misy olana lehibe io toromarika io. Efa nifampiresaka tamin'ny tompon'andraikitra izahay nanohitra ny fanakanana hatramin'ny nandraisanay ilay toromarika. Tokony hohajaina aminay ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo hahazo vaovao. Hanohy ny ezaka ataonay izahay hanafoanana ny fanakanana ary mandrisika ny governemantan'i Myanmar hampitombo ny mangarahara ho an'ny besinimaro.

Tsy vao izao ny governemanta no nampihatra ny andininy faha-77 amin'ny Lalàna mifehy ny Fifandraisandavitra hanakanana tranokala. Tamin'ny volana Marsa lasa teo, tranonkala miisa 200 mahery no voasakana noho ny filazàna fa nanaparitaka ‘vaovao faikany’. Ahitana ireo sehatry ny fampitam-baovao avy any amin'ny faritra ny lisitra izay manome fitantaram-baovao mikasika ny vondrom-piarahamonina any amin'ny faritra lavi-dalana.

Nifandray tamin'ny Justice for Myanmar ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny Twitter ary tamin'izany no nahafantarana fa nanokatra tranonkala fitaratra tao amin'ny Github izy ireo ka nahafahan'ny mpisera aterineto niditra tamin'ilay tranonkala tao Myanmar.

Momba ny fiantraikan'ny fanakanana ny tranokala tamin'ny asan'izy ireo, hoy izy ireo:

The blocking creates a challenge for us to fully engage with people within Myanmar. It shows the increased intolerance by the government on freedom of expression and that they are trying to cover up the crimes and corruption of the military. This is absolutely disturbing.

Miteraka fanamby ho anay amin'ny fifaneraserana tanteraka amin'ireo vahoaka ao Myanmar ny fanakanana. Mampiseho ny fitomboan'ny tsy fandeferan'ny governemanta manoloana ny fahalalahana maneho hevitra izany ary miezaka manafina ny heloka bevava sy ny kolikoly ataon'ny miaramila izy ireo. Tena mampiahiahy tanteraka izany.

Iray amin'ny tanjon'izy ireo ny fanerena ireo orinasa iraisam-pirenena hanapaka ny fifandraisana ara-bola amin'ny tafika Myanmar.

We will continue our campaign to dismantle the Myanmar military cartel by exposing their operations and building pressure for international action, including targeted sanctions and divestment. This is essential for Myanmar to achieve federal democracy and a sustainable peace.

Hanohy ny fanentanana izahay mba hamongorana ny afera maloton'ny miaramila ao Myanmar amin'ny alàlan'ny fampiharihariana ny asan'izy ireo sy ny fanaovana tsindry hisian'ny hetsika iraisam-pirenena, ao anatin'izany ny fanasaziana izay tompon'andraikitra sy ny fanalàna ny fampiasam-bola. Ilaina izany mba hahatraran'i Myanmar ny demaokrasia federaly sy ny fandriampahalemana maharitra.

Nilaza izy ireo fa mihoatra ny 150 ireo orinasa iraisampirenena sy ao an-toerana miara-miasa amin'ny orinasan'ny miaramila any Myanmar.

Mangataka firaisankina avy amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena izy ireo:

We call on the international community to support freedom of expression in Myanmar and stand up to censorship, not just for the Justice For Myanmar campaign but also ethnic media sites that continue to be blocked, including Karen News, and Narinjara.

Miantso ny fianakaviambe iraisampirenena izahay hanohana ny fahalalahana maneho hevitra ao Myanmar ary hijoro manoloana ny sivana ary tsy ho an'ny fanentanana ny Justice For Myanmar fotsiny ihany fa ho an'ny tranokalan'ny fampitam-baovao any amin'ny faritra izay voasakana hatrany ihany koa, ao anatin'izany ny Karen News sy Narinjara .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.