Avotsory Muay: Vondrona mitaky ny famotsorana ilay mpiaro ny tontolo iainana Laosiana olomangan'ny tambajotra sosialy

Mpikatroka avy amin'ny firenena Aziatika maromaro manohana ny hetsika [Avotsory Muay].

Vondrona mpiaro zon'olombelona sy haino aman-jery marobe no nitaky ny famotsorana an'i Houayheuang Xayabouly, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Muay, izay notanana am-ponja nanomboka ny volana Septambra 2019 noho ny fandefasana horonantsary tao amin'ny Facebook mitsikera ny valinteny nataon'ny governemantan'i Laos manoloana ny tondra-drano mahatsiravina. Hatramin'ny volana Septambra lasa teo izay nanamarika ny faha herintaona nitazonana an'i Muay no nanaovan'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena fanentanana nitakiana ny famotsorana azy.

Renim-pianakaviana 31 taona i Muay, mpitarika mpizahatany, tompona fivarotana ary mpiaro ny tontolo iainana malaza. Nahatonga azy ho net idol (teny manondro ny mpanentan'ny tambajotra sosialy any amin'ny firenena toa an'i Laos sy Thailandy) ny horonantsariny nanasongadina ny kolikoly ao an-toerana sy ny fomba fanao ara-barotra tsy ara-dalàna.

Taorian'ny tondra-drano mahatsiravina tamin'ny faran'ny volana Aogositra sy ny fiandohan'ny volana Septambra 2019 dia niseho tao amin'ny Facebook Live i Muay naneho ny alahelony noho ny fihisatry ny fahatongavan'ireo fanampiana ho an'ireo niharam-boina avy amin'ny governemanta. Hoy izy tao amin'ilay horonantsary:

In this emergency situation, I am not in need of food and water yet, but yesterday [September 4], a huge flood came and people here were up on the roofs of their houses trying to escape. Where is the helicopter for rescuing those people?

I cannot be silent as we have been in the past. The era of the regime keeping the eyes and mouths of the people closed has come to an end.

Ato anatin'ny fotoana hamehana izao, mbola tsy mila sakafo sy rano aho, saingy nisy tondra-drano lehibe omaly [4 Septambra] ary niakatra teny ambony tafontrano ny olona niezaka nitsoaka. Aiza ny angidimby hanavotana ireo olona ireo?

Tsy afaka ny hangina toa ny nataontsika taloha aho. Tapitra ny vanim-potoana nanafenan'ny fitondrana ny marina sy nanapenam-bava ny vahoaka.

Naharitra 17 minitra ilay horonantsary ary efa nisy nijery maherin'ny 170 000.

Nosamborina tamin'ny 12 Septambra izy ary niatrika fanadihadiana noho ny heloka bevavan'ny fanalam-baraka sy ny fanapariahana fanentanana manohitra ny fanjakana araka ny andininy faha-117 ao amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana. Nitatitra ny haino aman-jerim-panjakana tao Laos fa niaiky ny heloka vitany izy. Nomelohina izy tamin'ny volana Novambra ary voasazy higadra dimy taona.

Mihevitra ireo vondrona fiarahamonim-pirenena izay nanao fanentanana ho famotsorana an'i Muay fa nogadraina izy noho ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy nampiharihary ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny governemanta toy ny fitakiana vola tafahoatra, ny kolikoly amin'ny fampidirana mpiasam-panjakana, ny fandraofan-tany, ny fomba fanao manimba ny tontolo iainana amin'ny fampiasam-bola Shinoa, ny fiantraikany tohodrano lehibe ho an'ny mponina ary ny tsirambina amin'ny fanomezana fanampiana ho an'ireo traboina tamin'ny tondra-drano.

Namintina ny raharaha momba an'i Muay ny Manushya Foundation:

She contributes to the protection and respect for the rights of the Lao people, by highlighting the harms caused from business activities and corruption, as well as calling for solutions to redress the same.

As a result of Muay's contribution to ensure the protection and respect for the rights of the Lao people, she was made an example of by the government of Lao People’s Democratic Republic.

Nandray anjara tamin'ny fiarovana sy ny fanajana ny zon'ny vahoaka Lao izy, tamin'ny fanasongadinana ireo voka-dratsy ateraky ny fanararaotana amin'ny raharaham-barotra sy ny kolikoly, ary koa ny fangatahana vahaolana hamahana izany.

Nanjary ohatra tamin'ny fanasaziana nataon'ny governemantan'ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan'i Lao i Muay vokatry ny fandraisany anjara hiantohana ny fiarovana sy ny fanajana ny zon'ny vahoaka ao Lao.

Natao hanakanana ny vahoaka tsy hitsikera ny manampahefana ny sazy an-tranomaizina maharitra ho an'i Muay, hoy i Andrea Giorgetta avy amin'ny biraon'ny Federasiona Iraisam-pirenena misahana ny Zon'Olombelona any Bangkok.

The incredibly harsh prison sentence against Mouay is designed to send a warning to the entire population that no dissent and no criticism of the government is acceptable.

Natao ho fampitandremana ho an'ny vahoaka iray manontolo ny sazy henjana hanenjehana an'i Mouay fa tsy azo leferina ny fanoherana sy ny fitsikerana ny governemanta.

Nandefa taratasy tany amin'ny governemantan'i Laos ny manam-pahaizana momba ny zon'olombelona avy amin'ny Firenena Mikambana, nangataka vaovao momba ny raharaha Muay ankoatra ny fanehoan-dry zareo ny ahiahiny momba ny fitazonana azy maharitra.

We wish to express our concern regarding the sentencing of human rights defender Ms. Xayabouly for the legitimate exercise of her right to freedom of opinion and expression. We are particularly concerned that the arbitrary detention and lengthy prison sentence handed down to her may have a chilling effect on civil society in the Lao PDR discouraging human rights defender and other members of civil society from sharing opinions on the observance of human rights in the country.

Tianay ny milaza ny ahiahinay momba ny fanamelohana an-dRtoa Xayabouly mpiaro ny zon'olombelona noho ny fampiharana ara-dalàna ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra. Manahy manokana izahay fa mety hisy fiatraikany amin'ny fiarahamonim-pirenena ao amin'ny PDR Lao ny fitazonana azy amin'ny fomba tsy ara-dalàna sy ny sazy an-tranomaizina lava nomena azy ka manakivy ny mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny fiarahamonim-pirenena amin'ny fizarana hevitra momba ny fanajana ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.

Nanamafy izany i Mary Lawlor, mpitati-baovao manokan'ny ONU misahana ny Mpiaro ny Zon'olombelona, ​​tamin'ny sioka navoaka ny 17 Septambra

Efa azo jerena ankehitriny ny filazana iraisana nalefa ho an'ny Governemantan'i Laos ny 13 Jolay 2020 momba ny fanamelohana ilay mpiaro ny Zon'Olombelona Houayheuang Xayabouly:

Nitantara ny lalana nodiavin'i Muay niainga tamin'ny maha mpitarika mpizahantany, mpivarotra ary mpiaro ny tontolo iainana azy ka lasa net idol manana mpanjohy an'arivony ny lahatsoratra iray nosoratan'i Netiwit Chotiphatphaisal sy Suppakrit ho an'ny gazetiboky New Bloom.

This dark time in Laos makes us realize that young people in Laos who grew up in a time when information is not that easily controlled are challenging the long obstruction of freedom and human rights which has lasted for over 40 years in Laos. Muay was one of their most important inspirations.

Mahatonga antsika hahatsapa ity fotoan-tsarotra ao Laos ity fa manohitra ny sakana henjana amin'ny fahalalahana sy ny zon'olombelona nandritra ny 40 taona mahery tao Laos ny tanora izay nihalehibe tamin'ny fotoana sarotra nifehezana ny fampahalalam-baovao. Iray amin'ireo aingam-panahy nananan'izy ireo i Muay.

Miantso ny firaisankina manerantany ho an'i Muay ilay lahatsoratra:

Muay is a regular person who loves her country, her community, her land, and the forests there. She was not afraid to speak out, speak up for the people, for the trees which are being destroyed to build dams, against corruption in Lao and against Chinese companies.

Muay bravely stood up to protect the environment. She was acting on behalf of Laos and the world in doing so. Muay does not deserve to be let alone imprisoned from taking this stand.

Olon-tsotra tia ny fireneny, ny vondrom-piarahamonina misy azy, ny taniny ary ny ala any an-toerana i Muay. Tsy natahotra ny miteny izy, miteny ho an'ny vahoaka, ho an'ireo hazo nopotehina mba hananganana tohodrano, manohitra ny kolikoly ao Lao sy manohitra ireo orinasa Shinoa.

Sahy nijoro niaro ny tontolo iainana i Muay. Ho an'i Laos sy ho an'izao’ tontolo izao no nanaovany izany. Tsy mendrika ny hampidirina am-ponja noho ny fahasahiany mijoro i Muay.

Mametraka fanaraha-maso henjana amin'ny tati-baovao i Laos. Maro noho izany ny olom-pirenena ao Lao no mitady fampahalalam-baovao hafa amin'ny aterineto, anisan'izany ny Facebook.

Manambara ny fitomboan'ny fanenjehana atrehin'ireo mpisera aterineto ao Laô noho ny fanehoany ny heviny momba ny olana ara-tsosialy ny raharahan'i Muay. Tamin'ny 26 Aogositra, voasambotra noho ny fitarainana momba ny kolikoly tao amin'ny Facebook i Sangkhane “Thitsy” Phachanthavong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.