Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Aogositra, 2016
Nasehon'Ireo Atleta Mpitsoa-Ponenana Fa manan-Javatra Maro Omena Ry zareo Na Teo Aza Ny Tantara Mampalahelo Nodiaviny
Sariohatra iray matanjaka nandritra ny Lalao ny ekipan'ny mpitsoa-ponenana.
Ha'e Kuera Ñande Kuera: Reggae Sy Ny Hip-Hop Mampiely ny Kolontsaina Guarani Amin'ny Alàlan'ny Fifampiresahana Amin'izao Tontolo Izao
Fantaro ilay tarika mpanankato natsangan'ireo tanora Mbyan avy ao Misiones ao Arzantina izay namorona ny tontolony amin'ny teny Guarani ary mampiasa ny fampitam-baovaon'ny olompirenena hilazany ny momba azy ireo.
Ahoana Ny Fomba Hanazavan'ny Tantaran'ny Zika Ao Pôrtô Rikô Ny Fanjanahan'i Etazonia
Manohy miasa, mitia, mivelona, sy miady tsy amin'ny otrik'aretina Zika ihany ny olona fa amin'ny zavatra maro izay mandrava kokoa: ny 100 taona maherin'ny fanjanahan-tany sy ny voka-datsiny marobe.
Pôrtô Rikô : Mainty Ary ‘Misaona’ Ny Sainam-pirenena Noho Ireo Mpitantana Teren'i Etazonia Apetraka
"Eo am-piadiana i Pôrtô Rikô, 'ndao hamafisina amin'ny fifanajàna, firaisankina, fifandeferana, ny fiombonana, ny fifaneraseràna, ary ny fiarahamiasa eo amin'ny vondrom-piarahamonina, ny fifankatiavana eo amintsika sy ny tontolo onenantsika."
Alefa Mivantana Amin'ny Media Nomerika Ao Meksika Ny Rio 2016, Fatiantoka Ho an'ny Fahitalavitra Misokatra
Afaka hanaraka ny Lalao Olaimpika 2016 ao Rio amin'ny media nomerika i Meksika sy Amerika Latina-- zava-baovao ho an'ny faritra ary fatiantoka ho an'ny Fahitalavitra mandeha amin'ny fantsona manokana.
Nanaitra Ireo Mpampiasa Aterineto ny Fandraisan'i Timor Atsinanana Anjara Anatin'ny Lalao Olaimpika any Rio
Ity no fahatelo amin'ny fandraisan'i Timor Atsinana anjara anatin'ny Lalao Olaimpika, tao aorian'i Athènes (2004) sy i Laondra (2012).
Fongarin'ny Mpanao Sarimihetsika Ny Tantara Sy Ny Adihevitra Fonosin'ny “Zato Taonan'ny Hatsarantarehy” Ao Amin'ny Repoblika Dominikàna
Aingam-panahy avy amin'ireo andiany ao amin'ny Cut.com, mandalina ny tantara mikasika ny hatsaran-tarehy Dominikàna tamin'ny taonjato lasa ny Lala Films. Fa sady tsy manilika ny tsy fitovian-kevitra koa.
‘Playing For Change / Milalao Ho An'ny Fiovana’ Mampandroso Fihavanana sy Fampidirana Manerana Izao Tontolo Izao Amin'ny Alalan'ny Mozika
'' Nandritra ny dia nataonay dia naharay anatra izahay fa ny mozika no fitaovana tsara indrindra mba hanasitranana ireo firenena , kolotsaina sy fo vaky."
Fanavakavaham-Bolonkoditra No Saika Nandaozan'ilay Nahazo Ny Medaly Volamena Voalohan'i Brezila Tamin'ny Lalao Olaimpika 2016 Ny Taranja Judo
"Nolazain-dry zareo fa tsy natao ho ahy ny judo, fotoana nahamenatra ny fianakaviako izany. Ankehitriny aho tompondaka amin'ny lalao olaimpika eto amin'ny tanindrazako".
Ny Tantaran'i César Manuel : Ankizy Mpifindramonina Ao La Havane
Teraka tao La Havane ny sasany tamin'ireo ankizy mpifindramonina, ny hafa indray tonga fony izy mbola kely. Fa na iray aza, tsy misy manana adiresy ao amin'ilay renivohitra izy rehetra.